Mahita toerana tsara hotsidihana ve ianareo /Dago?

1. niryna ( 22/03/2007 15:08)
Manao ahoana daholo ianareo rehetra.Misaotra antsika rehetra aho tamin'ny fiarahana eto amin'ny serasera.Tohizo hatrany fa tsy hanenenanao ny mandany andro ato rehefa mifanaraka ny tianao sy hanampianao ny namana.Aza misalasala manome fanontaniana fa vonona daholo ireo namana hiezaka hanampy.Hisaorako antsika rehetra koa izany.
Raha misy teny na tsy tianareo nanafotoina anareo nataoko dia mamela ahy ianareo raha nisy izany.Izaho koa mamela izay nanome ahy alahelo. Miangavy anareo aho mba hitrotro ahy am-bavaka fa hitsidika kely ny tanindrazana.Ny faniriako dia ny hanome hery sy ampahafantatra ireo tsy mbola mahalala an'i Kristy ary indrindra ny hanome izany ireo havana izay tsy manana fitiavana ny hafa sy hanome azy ireo hery mba hianatra hifamela.Ny aina mantsy tsy mifametra
:P8):D
Aiza ry ireto ny toerana manodidina an'ny tana mba tsara andehanana na hitsangantsangana?Efa niova be manko ny tanana ary misy toerana mbola zavatra tena tsy fahita firy.Hiezahako ho raisina an-tsoratra daholo ka izay mba vitako dia mba mahafaly ahy.
Misaotra e ary ba mamikely ho antsika rehetra.Tsy ho ela dia hihaona indray:*:*
(l)niryna
répondu par dadie le 27/03/2007 09:09
2. Ralay ( 22/03/2007 15:45)
Ary zah ve mba azonao trotroina mankany antanidrazana aloha e hihihi. Betsaka ny toerana tsara azo andehanana any fa miankina @ fotoananao sy ny moyen ihany io.Ohatra iray Ampefy zao mahafinaritra.
Dia ho tsara miverina indray zany i niryna e :snif:
3. xxx ( 22/03/2007 16:37)
ery andranomanalina; tsenabe isotry sns
4. karinah ( 22/03/2007 16:58)
Nyrina> ie dago, de misaotra t@ toro-hvt e! de mba tantarao anay ny fiovana ao, hihihihi:*:*:*:lol:
5. melody ( 22/03/2007 18:33)

Aiza ry ireto ny toerana manodidina an'ny tana mba tsara andehanana na hitsangantsangana?


ao ambany ravin'akondro akia:P
6. Vahinala ( 22/03/2007 18:45)
Misaotra nikopol d mirary soa anao amzay ataonao rehetra sy ahatanteraka ny fanirianao.
Ny manodidina Tanà aloha dia marina fa mbola Ampefy tokoa izao no tena mahafinaritra indrindra, makany am chute de la Lily. Raha afaka mivoaka any am faritany dia Ste Marie tena lafatra, izahay vao haingana no tany saingy tsy azo hijanonana maharitra raha vacances azony diso milamina loatra d leo ny farany raha vao ela be, nefa raha tena tia toerana "calme" be ianao dia mety tsara.
7. tywa68 ( 22/03/2007 19:21)
bon voyage zany niryna dia mba zarao anay ny sary sy tanàna rehefa miverina e !:D (zah tsy d mahay tanàna loatra manodidina an'i Tanà koa !) Rehefa migadona eny Ivato sy mandeha² eran'ny Tanà aho dia efa faly ! :-D
8. Vahinala ( 22/03/2007 22:05)
hoay nyryna mantsy fa tsy nikopol e ! Afabaraka za azafady an !
9. Papoose ( 23/03/2007 05:12)
any @ le fanaovana pelerinazy reny :D sady mitsangantsangana no mivavaka!!:)
10. niryna ( 23/03/2007 05:31)
Ralay:

Ary zah ve mba azonao trotroina mankany antanidrazana aloha e hihihi. Betsaka ny toerana tsara azo andehanana any fa miankina @ fotoananao sy ny moyen ihany io.Ohatra iray Ampefy zao mahafinaritra.
Dia ho tsara miverina indray zany i niryna e :snif:

Andao fa tsy maninona.Misaotra

11. niryna ( 23/03/2007 05:32)
xxx:

ery andranomanalina; tsenabe isotry sns

Tena te hiaraka hiantsena an'i xxx any aho fa tarito ny lalana.Sa xxx a

12. niryna ( 23/03/2007 05:32)
karinah:

Nyrina> ie dago, de misaotra t@ toro-hvt e! de mba tantarao anay ny fiovana ao, hihihihi:*:*:*:lol:

Tsy misy fisaorana fa mahasoava e

13. niryna ( 23/03/2007 05:34)
melody:


Aiza ry ireto ny toerana manodidina an'ny tana mba tsara andehanana na hitsangantsangana?


ao ambany ravin'akondro akia:P

Aiza ho aiza eo akia ,atsimo sa avaratra sa eo andrefantsena sa any andafiantsinana

14. niryna ( 23/03/2007 05:35)
Vahinala:

Misaotra nikopol d mirary soa anao amzay ataonao rehetra sy ahatanteraka ny fanirianao.
Ny manodidina Tanà aloha dia marina fa mbola Ampefy tokoa izao no tena mahafinaritra indrindra, makany am chute de la Lily. Raha afaka mivoaka any am faritany dia Ste Marie tena lafatra, izahay vao haingana no tany saingy tsy azo hijanonana maharitra raha vacances azony diso milamina loatra d leo ny farany raha vao ela be, nefa raha tena tia toerana "calme" be ianao dia mety tsara.

Misaotra vahinala a,niryna fa tsy nikopol.

15. niryna ( 23/03/2007 05:38)
tywa68:

bon voyage zany niryna dia mba zarao anay ny sary sy tanàna rehefa miverina e !:D (zah tsy d mahay tanàna loatra manodidina an'i Tanà koa !) Rehefa migadona eny Ivato sy mandeha² eran'ny Tanà aho dia efa faly ! :-D

Izay mihitsy,sady feno olona ny trano ka variana mamahana olona ny tena.Amin'ity indray mitoraka ity indray aho no hitety fianakaviana fa tsy hamahana olona intsony :P.
Vetivety dia tapitra na mihodikodina aza,toa fohikely izany ny andro.Rehefa hody manisa andro ary manisa ora:roll:

16. Vahinala ( 23/03/2007 10:10)
Ie efa nahitsiko fa azafady an !:-*:-*
17. melody ( 23/03/2007 14:56)

Aiza ho aiza eo akia ,atsimo sa avaratra sa eo andrefantsena sa any andafiantsinana

niryna: mety daholo izay ataondry akia, na metsinana indry na mianavartra misy fôna ilay ravin'akondro:-D:-D
f'izao e, Ankarafantsika lalana mankany majunga, tsara be raha ti manao camping no mijery ilay mouse lemurs @ andro alina miaraka @ guide, misy 'reserve' aho manko. Manaova vacs tsara ary e!:D
18. dadie ( 27/03/2007 09:09)
taradray aki za tam'ity dry efa lasa any dago fa saika hanoro toerana za ih ih ih ih
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3101