Fanitsiana Lalàmpanorenana : Tsy voatery ho referandaoma

1. xxx ( 17/03/2007 17:37)
Matetika, ny nahazatra antsika Malagasy, rehefa hanitsy lalàmpanorenana dia fitsapan-kevi-bahoaka no fomba anatanterahana izany. Tokony ho fantatry ny rehetra anefa fa manana fahefana hanitsy ny lalàmpanorenanakoa ny parlemanta. Efa nisy vanim-potoana nanaovana izany tamin’ny Repoblika faharoa ohatra, fa tsy hoe “fady”, sanatria, ny manao izany.

Raha ny vanim-potoana lalovan’ny firenena ankehitriny, toy ny fahasahiranana eo amin’ny maha-firenena tra-boina an’i Madagasikara sy ny vola takian’ny fitsapan-kevi-bahoaka, indrindra raha mandinika an’ireo fanitsiana entin’ny volavola hatolotra hitsapana ny hevi-bahoaka, dia tsy vitsy ireo mpanara-maso ny raharaham-pirenena no milaza fa “tokony ho fanapahan-kevitra eo anivon’ny parlemanta dia vita ny raharaha”.

Ny andininy faha-153 amin’io lalàmpanorenana asiam-panitsiana io dia manamarina izany, izay efa voasoritry ny lalàmpanorenana mbola manan-kery ankehitriny. Nomen’ny lalàmpanorenana fahefana ho afaka manitsy ny azy mantsy ny parlemanta fa toa tsy tsaroan’ny betsaka. Raha ny vaovao navoakan’ny fitondrama-panjakana mantsy dia eo amin’ny 11 000 tapitrisa ariary eo no heverina holaniana amin’ity fitsapan-kevi-bahoaka ity. Vola ange izany, rey olona e ! Raha ny parlemanta anefa no antsoina hivory ho amin’io fanitsiana ny lalàmpanorenana io dia azo antoka fa tsy handany ny ampahafolon’io vola io dia vita ny resaka.

Voalohany dia mitaky fitsitsiana ny vanim-potoana iainan’ny firenena amin’izao fotoana.

Faharoa, tsy tena fanitsiana goavambe no entin’ilay volavola. Ny fanafoanana ny Faritany Mizaka tena sy fanomezana lanja ny Faritra ange ka fanomezana aina ny rafitry ny fitsinjaram-pahefana e !

Fahatelo, raha ny fahamaikan’ny mpitondra fanjakana hampihatra ny vokatry ny fanitsiana aorian’ny fahalaniany dia tsara kokoa ny fanomezana andraikitra ny parlemanta ho amin’ny fankatoavana azy, ka aorian’izay no itetezam-paritra ny fanazavana azy ho an’ny vahoaka mba tsy ho tompon-trano mihono ny ambanilanitra, ary ho fanoitran’ny fanentanana azy handray anjara amin’ilay fampandrosoana ny Faritra izay andrandrain’ny mpitondra koa izany.

Ilay fampihenana ny fahefan'ny parlemanta no mety hametraka olana.Sa ve dia izay no tena antony?
répondu par salopard le 22/03/2007 12:00
2. salopard ( 22/03/2007 12:00)
marina ny anao razoky, saingy mila sorona ny firenena,mila rà latsaka, tsy maintsy atao @ cyclone ny referendum, izay le sorona. hoy i kaky ranankombe:

mila sorona hovonoina
hanamasina azy hono
sy ho lafikin'ny lapa
hisandratany ambony

sniff,sniff,...
tsy ampy dôpzy aloha e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0426