lalampanorenana sy ny fanovana

1. fijo ( 16/03/2007 01:36)
mba nanaraka sy liana tamin'ity resaka lalampanorenana ity ny tenako.ka tena gaga ary mahatsapa,fa raha toa ka hoe mba ahafahana mampiatra ny MAP no antony hanovana azy,dia itako hoe tsy mety.
satria hoavy eo koa i lahiniriko dia hanova satria mila mifanaraka amin'ny programany,dia hoavy koa i roland de hanova mba hifanaraka amin'ny programany,de inona ihany no tena izy.nefa isan'ny toetra iray ananan'ny lalana dia ny faharetana.
ka na dia momba andravalo aza aho amin'ny fitondrana ny firenena dia tsy manaradia azy kosa amin'ity fanovana ny lalampanorenana ity.
répondu par HESHA le 26/03/2007 13:53
2. lakoly ( 16/03/2007 06:45)
zonao tanteraka ny mampifidy ny tsia ra izany no hevitrao8O
3. xxx ( 16/03/2007 17:53)
fijo:

ka tena gaga ary mahatsapa,fa raha toa ka hoe mba ahafahana mampiatra ny MAP no antony hanovana azy,dia itako hoe tsy mety.

Fa zovy no niteny taminareo hoe MAP izany no hanovana azy? Aza mba minomino fotsiny zany.
Ny MAP 5 taona. Ny mise en oeuvre ny region fotsiny no 2 taona 1/2.

-Foanana ny faritany dia mihena ny lanjan'ny mpanohitra, satria ny region-ny ihany fa tsy province ntsony no azony lazaina fa fihaviany (manohana azy).Teo nizara 6 fa izao hizara 22, mora kokoa ny manjaka aminy.

-Tsy avela hirotsaka ho prezida i Sylla fa mety hanelingelina.

-Tsy hiveranan'ny fanakatonana aeroport dia nohamafisina ny fanoherana an'i Pierrot.

-Nanesorana ny pouvoirs depite sy senatera fa manelingalina.

Ireo no tena zavatra fa ny sisa, resaka!


4. fijo ( 17/03/2007 05:25)
ny map misy zavatra tsara,azo raisina.ohatra fotsiny io fandravana ny province io,satria io mavesatra be raha ny administratio no jerena.fa ny ahy le fototra hoe hanova lalam panorenana isaky ny hampiditra lalan'asa vaoavo no tena tsy voako.indrindra fa nesorina tao ny maha laika ny firenena.
5. xxx ( 17/03/2007 09:48)
fijo>Ny fitsinjarana ny administration 5+1 (province) ve mavesatra noho ny hitsinjarana azy 21+1(region). Samy hasiana responsable/Chef/Directera sns daholo ireo. Mba hafahafa izany lojikanareo izany.

Raha mandinika ianao dia tsy nasiana resaka mihintsy ny hoe vola avy aiza no hananganana ilay rafitra. Ahoana ny kaopetansy sy financement n'ny regions? Io anefa no tena resaka. Firy % n'ny budget no mankany am region? Ahoana ny fifanohanan'ny regions noho ny ressources tsy mitovy?

Amiko dia tsy asiana resaka ny tena resaka satria zava-kafa ny tanjona.Rehafa tsy manana moyen ny region dia tahaky ny tsy misy ihany ilay decentralisation fa dia izay DEBA no manao izay tiany hatao.
Hamafisina ny pouvoir n'ny deba ny tena marina mba tsy hisy hanohitohina izay fanapaha-keviny.
6. xxx ( 17/03/2007 21:29)
Raha izay ny hevitrao dia fidio ny TSIA
7. fijo ( 23/03/2007 23:54)
xxxx manamaivana azy io fitsinjarana io,satria mihamanantona ny vahoaka ny fitondrana.
ohatra.
raha teraka tany kandreo enao.(kandreo 70 km miala avy eo maevatanana)dia tsy mila mankany mahajanga intsony rehefa hanao taratasy fa vita ao maevatanana.
itanao le izy mihaaivana?
ny resaka famatsiana vola ny region,dia mbola manontany tena toa ano aho,satria isika gasy mbola tsy zatra le mitanta tena,fa mbola zatra miangavy,ka eo koa mbola olan ateknika be.ekeko io.
fa ny tena tsy zakako dia le firenena tsy laik aintsony.io tsy azoko ekena mihintsy.
8. xxx ( 24/03/2007 10:43)
fijo> Marina ny lazainao momba ny administration fa izaho no diso fandray. Raha iverenanao vakiana dia any amin'ny resaka vola hananganana azy no resako.
Mitovy fijery aminao aho hoe tsara kokoa ny faritra, fa tsipihiko hoe lafo lavitra kokoa ny fampiharana.Io fanovana io no nanosika ny MFM tonga dia niteny hoe hanao "eny", na dia tsy re feo intsony aza.

Tsy milaza mihintsy aho hoe ratsy ny MAP sy izay voasoratra ao rehetra.Fa azo natao ny MAP na dia tsy nanova lalana fototra aza.Tahaka ny efa nanendreny ny chefs sy encadrements ny region tam 1er mandat kanefa tsy ao anaty constitution. Ka tsy resaka MAP no tena tanjona.

Laisite: Itovizavana ny fijery. Teo aza izy voasoratra tao, jereo ny zava-n/misy, mainka fa hoe esorina.
Hatrany am Tiko no mifangaro ny vavaka sy ny asa.Raha no Jesosy Mamonjy na silamo Ra8 dia azoko antoka fa efa ela no ho betsaka ny nitroatra. Fa protesta sy katolika no betsaka am mpanohana azy ka tsy miraharaha an'izy io satria mitovitovy finoana sy fomba am deba ka tsy hitany izay maharatsy azy. Ny lalana fototra anefa mijanona ho an'izay hifandimby rehetra.
Enga anie ka tsy hisy hanenina tahaka ny Arema nanamafy orina ny fahefan'ny filoha, sady namafa ny fomba azo anaovana empechement, satria nanantena ho tafajanona teo foana.
9. HESHA ( 26/03/2007 13:53)
za kou tena tsy mankasitraka ity constit ovaovaina ty, f'anga mou refa miova prezida de ovaina daholo zay maha-repoblika an'i madagasikara e ?
Sa atao monarchie kou za refa kelikely izy ty ?
TTTTTTTSSSSSSSSSSIIIIIIIIIIIAAAAAAAAAAAAAAAAAAAAAAA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1973