karemy
1. soamamy
(
12/03/2007 11:02)
Ahoana ny fandraisan'ny kristianina izany karemy izany.Ary maninona no tsy mifady sakafo tahaka ny nataon'i jesoa isika.inona ny antony?
répondu par fijo le 16/03/2007 23:39
2. ikaretsaka
(
12/03/2007 12:50)
1-andro fandinihintena ny karemy , fifamelan-keloka, fivavahana misimisy kokoa,fihezahana hiady @ kilema mahasolafaka antsika olombelona matetika...
fifadiana kely @ zavatra mahazatra isan-karazany mba hahatonga anao hifantoka bebe kokoa sy hampatsiaro anao @ ireo 3 voalohany (sakafo/hena aloha no mahazatra matetika )
2- isika tssy manana ny pouvoir ananan'i jesoa satria isika olombelona fotsiny, izy olombelona sady Andriamanitra... izay no tsy hahafahantsika tsy misakafo 40 andro

3. Fiffi
(
12/03/2007 13:23)
Ny Karemy koa dia mampahatsiahy ny kristianina fa i Kristy raha nandresy ny fahafatesana dia tsy nampiasa hery mahagaga fa nisedra izany toy ny olombelona rehetra. Fa ny fitsanganany ho velona no nanehoany ny fandreseny.
Tsy miova ny foto-kevitry ny karemy dia ny fiomanan’ny kristianina amin’ny fankalazana ny Paka izay fahatsiarovana ny fijalian’i Kristy, ny nahafatesany ary ny fitsanganany ho velona nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana. Fotoam-pibebahana mialoha ny Paka ny karemy. Tokony hametra-panontaniana ny tsirairay manoloana ny fomba fiainany andavanandro mba tsy ho lasa fahazarana fotsiny ny karemy.
Tsy ny fifadian-kanina izany no atao vaindohan-draharaha fa ny fibebahana mba hiala amin’ny tsy mety atao amin’ny mpiara-belona, ny fiezahana ho masina sy hiaina ny fitiava-namana. Mba ho mendrika ilay fanavotana sy fifaliana nentin’i Kristy tamin’ny fandreseny ny fahafatesana.
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m45d8ce12eabc7

4. Salut
(
12/03/2007 16:07)
Karemy: fanehoana FITIAVANA an'Andriamanitra. Fitiavana tsy mandao na ao amin'ny sarotra indrindra aza. Hanehoana fa tena iray aina amin'i Jesoa aho amin'ny alalan'ny vavaka, sy ny fanehom-pitiavana ny rehetra, indrindra ny mahantra.
5. rakaroka
(
12/03/2007 21:27)
Fa...'za indray toa mahatsapa izany hoe "isika mihitsy no "hafakely" indraindray! Nisy fotoan'andro izay Be asa Bbe ny orin'asa niasako ao anatin'izany anefa no nitady irika nivavaka tery anjoron-trano ity
"musulman"?: Novelariny ny tapis "tsara tarehy BBBe"
dia nandohalika niondrika nivavaka izy...:?::roll:
tsy tahotra tsy henatra ireo "occidental" mpiara-miasa! dia nifadi-hanina koa izy! Dé 'za no tonga saina! tato aoriana vao tsikaritro fa maro ny mpivavaka no manao "jeun"! ary misy antony fanandratana ny fanahy sy "purification" du "corps" koa hono!...

6. ikaretsaka
(
13/03/2007 00:21)
ka izay matetika... misy olona "hafa" mitarika vao tonga saina sy mahatsapa tena aby nefa tokoany isika no mitarika anefa!
7. rakaroka
(
13/03/2007 06:40)
ikaretsaka:
ka izay matetika... misy olona "hafa" mitarika vao tonga saina sy mahatsapa tena aby nefa tokoany isika no mitarika anefa!
Dia marina mihitsy izany raha noheverina t@ nanjo ahy: satria karazana mpitarika "fiangonana" ny fianakaviako ary saiky ilay mafana fo BBBbe ireny!
fa nony miatrika ilay "finiavan"ny noheverina fa
"tsy izy" aty:tam-pahitana io aloha izaho dia niaiky
hoe "ambony" @ rizareo tokoa ny "finoany" sahiny hijoroana "plus" noho izay fahitako, sady bedy izy nanao ilay izy fa "tsy maintsy mivavaka aho hoy izy tsy laitra nakifika:roll::roll:
8. Fiffi
(
13/03/2007 08:11)
soamamy:misy olona tena mifady sakafo ary tena manao karemy mihintsy kah ! saingy tsy mitovy @ Jesoa .
Ahoana ny fandraisan'ny kristianina izany karemy izany.Ary maninona no tsy mifady sakafo tahaka ny nataon'i jesoa isika.inona ny antony?
10. niryna
(
15/03/2007 05:10)
Jesosy nalain'ny devoly fanahy nandritra ny efa-polo andro.Afaka mifady hanina isika rehefa manolo-tena azy na mangataka, na midera,na mivavaka.Ny tena zava-dehibe hoy ny tompo dia ny fanaovana sy ny fanarahana ny teniny(obedience) fa tsy ny fanaovana zavatra hafa.Ireto ary ny voasoratra ao anaty baiboly manambara izany,fanaovana ny sitrapony izany:
1Sam 15:22Fa hoy Samoela:Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah?he ny manaraka no tsara noho ny fanatitra,ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy.
Efes 5:1-2Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Atra hianareo tahaka ny zanaka malala;ary mandehana amin'ny fitiavana,toy ny nitiavan'i Kristy anareo,dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Atra ,ho hanitra ankasitrahana ,hamonjy antsika.
Tsy ny fanaovana fanatitra na ny fifadiana hanina no zava-dehibe fa ny mihaino ny teniny,ny mampiseho fitiavana ny mpirahalahy sy ny mpiara-monina satria ny fanatitra dia efa vita ary efa nomen'i Jesosy ho antsika izany ary dia niteny izy hoe Vita.

11. niryna
(
15/03/2007 05:23)
INONA NO ZAVATRA TAKIAN'ATRA AMIKO SY IANAO?
Mika 6:6,8Inona no entiko manantona an'i Jehovah sy miondrika eo anatrehan'Atra izay any amin'ny avo?Hanatitra Azy hitondra fanatitra odorana..Ry olombelona efa nasehony anao izay tsara sy izay ilain'i Jehovah aminao,dia izao ihany:Ny Hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary ny hanaraka an'Atra amin'ny fanetren-tena.

13. ari.malala
(
15/03/2007 14:08)
niryna:
Jesosy nalain'ny devoly fanahy nandritra ny efa-polo andro.
Tsy haiko na izaho no tsy mahazo resaka, fa raha avy natao Batemy Jesoa dia nentin'ny fanahy tany an'efitra ary nalain'ny demony fanahy, ary nifady hanina 40 andro sy 40alina, ka tsy ny fakàn'ny demony fanahy no naharitra 40andro sy 40alina fa ny fifadian'kanina nataon'i Jesoa, sa v diso aho?
14. ikaretsaka
(
16/03/2007 02:05)
marina mihitsy izay, sady raha 40 andro/alina ve ny devoly naka fanahy azy foana dia zavatra 3 fotsiny no vitan'izy 2 lahy horesahina?
15. niryna
(
16/03/2007 06:36)
ari.malala:
niryna:
Jesosy nalain'ny devoly fanahy nandritra ny efa-polo andro.
Tsy haiko na izaho no tsy mahazo resaka, fa raha avy natao Batemy Jesoa dia nentin'ny fanahy tany an'efitra ary nalain'ny demony fanahy, ary nifady hanina 40 andro sy 40alina, ka tsy ny fakàn'ny demony fanahy no naharitra 40andro sy 40alina fa ny fifadian'kanina nataon'i Jesoa, sa v diso aho?
Mat 4:1-2 Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an'efitra,mba halain'ny devoly fanahy.Ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina izy koa nony afaka izany dia noana Izy..
Marina ny teninao fa diso aho tamin'ny fanazavana,miala tsiny aky a.Rehefa noana izy no tonga ny devoly naka fanahy azy.Io dia endrika iray hanehoana ny fahagagana satria tsy misy olona na iray aza tsy ihinan-kanina na hisotro rano ao anaty fotoana lavabe io.
Taorinan'ny batisa ,ny fakana fanahy azy Izy no nanomboka nitoriteny .Ilay 40 andro io izany no fomba sy andro nivavahany,nanamafisany ny tenin'Atra (meditation), nanomboka nanatanteraka ny asan'ny Ray izay naniraka Azy
16. fijo
(
16/03/2007 23:39)
ika an,ka sao dia niara niresaka zavatra hafa kosa ary izy roalahy tao.
fiffi an,ny finoanao no mampisy an'io ka;fa tsy nisy izany