Nambenana polisy ny fanompom-pivavahana.
1. Fiffi
(
12/03/2007 08:23)
Polisy marobe, nanao fanamiana maha polisy azy ary nanao fitafy sivily, omaly maraina, no tonga teny amin'ny FJKM Anosivavaka Ambohimanarina, nanara-maso ny fizotry ny fanompoam-pivavahana tao amin'ity fiangonana ity. Ireo nanao fanamiana nijanona tety ivelan'ny trano fivavahana fa ireo nanao fanamiana sivily kosa no tazana tao am-piangonana.
Tsy nisy tomika, vokatr'izany, na dia nandeha ihany aza ny feo ny mbola hisian'ny korontana ao an-toerana, fa dia nizotra tamim-pilaminana tanteraka ny fanompoam-pivavahana notanterahina tao an-toerana, izay notarihin'ny pastorany, Ramangarivo Zoly. Ity omaly ity, araka izany, no fotoana notarihiny voalohany tao amin'ny fitandremana nisy azy taorian'ny fandaminana noraisin'ny Sinodam-paritany andrefana nandaminana ny raharaha tao amin'ity fiangonana ity ka namerenany indray ny pastora Ramangarivo Zoly.
Tamin'ny 8 ora no nanomboka ny fotoana, izay nanamarihana ny isan-kerintaonan'ny vehivavy Dorkasy. Hipoka ny trano fivavahana. Feno mpivavaka hatreny amin'ny tohatra ka hatreny amin'ny alitara. Mbola maro be aza ny tsy tafiditra ka nijanona tety an-tokontany.
Tian’ny mpivavaka
Nomarihin'ireo mpino ao aminy fa isaky ny alahady dia misy fidirana indroa ao amin'ity fiangonana ity. Saingy noho ireny disadisa nisy tao am-piangonana ireny dia natao fidirana indray mandeha ihany aloha ny fotoana. Rehefa hita ho milamina tsara vao averina amin'ny teo aloha.
“Porofo izao fa ankafizin'ireo mpivavaka ato aminay ny pastora Ramangarivo Zoly fa tsy araka ireny vaovao naelin'ny olona sasany tamin'ny gazety ireny. Ny fifonana notanterahina tao am-piangonana rahateo, ny 18 febroary teo, dia niarahan'ny rehetra nanao? na ny biraom-piangonana aza? fa tsy hoe i Pasitera irery”, hoy ireo kristianina nanontaniana.
Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar
répondu par VdS le 20/03/2007 08:41
2. naritsimba
(
12/03/2007 13:27)
Fiffi> tena marina io, misy namako mpiara-miasa amiko mivavaka ao amin'io fiangonana io fa dia tena tian'ny olona io Pasitera io ka asakasak'izay te hanakorontana.
3. yolinia
(
12/03/2007 18:27)
Misy tenin'Atra Iza moa ianao io no mitsara ny voahosotr'Atra na tafatoetra izy na lavo dia ny Tompo sty maintsy hampoitoetra azy ary ra lavo ao @ Tompony ihany nefa ny Tompo tsy maintsy anariana azy
mahagaga ahy fa tiany olona ny mitsara ireny mpanompon'Atra maninona moa ra tsy mandinitena sy mamantatra ny tenanao na za na ianao manao ahona ao eo antrahany Tompo fa tsy ny hafa no mahamay ny hijery azy
mandinitena eo anatrahany Tompo zay no hafatro hoa hay sy ho anao
samia ho tain'Atra daolo isika

4. booboo
(
12/03/2007 19:01)
Io vola vola io ihany hoà....
Na zany na tsy zany klou, ny fotoana @ 8 maraina feno oul fôna tôko...na lé @ 6h iny koa aza....
Na zany na tsy zany klou, ny fotoana @ 8 maraina feno oul fôna tôko...na lé @ 6h iny koa aza....
5. tisera
(
12/03/2007 19:15)
:( amiko aloha r'ireto dia asan'ny devoly io manankorontana fiangonana io a! ary dia isika olombelona ihany no fitaovana ampiasainy mba tsy hisian'ny filaminana sns... tsy faly mihitsy i satana ratsy fanahy raha vao mba misy fiangonana kristianina mandroso hany ka mitady hirika izy handravana izay efa najoron'ny Tompo Jesoa @ alalan'ny mpanompo : matetika dia resa-bola : trésorerie-n'ny fiangonana na koa fitondran-tenan'nilay mpiatandrina sns... no itondran-dradevoly ny baolina dia ampiana fialonana sy tsy fifampitokisana dia ao toboka ao koa ! vavaka ihany no tena fanafodin'izany miampy saina tony mahay mandinika sy mifamela ...
6. Fiffi
(
13/03/2007 08:29)
naritsimba:naritsimba: fa inona akia ny antony ?
Fiffi> tena marina io, misy namako mpiara-miasa amiko mivavaka ao amin'io fiangonana io fa dia tena tian'ny olona io Pasitera io ka asakasak'izay te hanakorontana.
7. xxx
(
13/03/2007 16:13)
Ny ahy indray ny fahitàko azy dia avy any @ Foibe FJKM any dia misy olana . Rehefa atao ny stat dia betsaka t@ ireo fiangonana nandroso be sy tian'ny olona ny pasiterany no nakorontan'ny Foibe
Ny cas n'ny fiangonana nisy anay taloha mantsy ohatr'izay mihintsy . Tian'ny olona be ko ilay pasitera t@ izany
Raha vao manomboka be be olona, miditra in-2 ... sns dia asa loatra
Ny cas n'ny fiangonana nisy anay taloha mantsy ohatr'izay mihintsy . Tian'ny olona be ko ilay pasitera t@ izany
Raha vao manomboka be be olona, miditra in-2 ... sns dia asa loatra
8. Fiffi
(
14/03/2007 06:55)
nefa ve tsy vao miha-tsara zany hoe be olona mandeha mivavaka zany ? ka inona no tena antony hisian'zao toe-javatra zao ?
11. VdS
(
20/03/2007 08:41)
Miarahaba anareo rehetra'e! izaho de mpiangona ao amin'io fiangonana ioka tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra. Marina mihintsy ny voalazan'i tisera tery ambony fa resaka tresorerie sy filamboninahitra no niatombohan'izy ity...Ny filohany dia olona manana Doctorat sady mpitantana teny ankatso taloha izany hoe olona azo lazaina ho intelligent. ny sasany indray dia arema teo aloha ka zatra ny lalan-dririnina'e...
Vaovao farany dia hiditra ao am-piangonana indray zareo hanakorotana amin alahady izao rehefa avy nandrahona ny Filohan'ny FJKM.Misy tsy mazava koa aloha ao ambombony ao e...ao amin'ny Foibe io an
Vaovao farany dia hiditra ao am-piangonana indray zareo hanakorotana amin alahady izao rehefa avy nandrahona ny Filohan'ny FJKM.Misy tsy mazava koa aloha ao ambombony ao e...ao amin'ny Foibe io an