vetso miampita

1. oldine ( 09/03/2007 11:08)
Miarahaba antsika rehetra.
Izaho dia tia ny hiran'ny NY RAILOVY fahiny ka misongadina amin'izany ny feon'Jerome Randria na Andriamahatana Jerome.
Noho ny fitiavako an'io tarika io dia lasa nitovitovy ny feon'Jerome ny feoko rehefa nilalao miakatra an-tsehatra aho tany Dago.Ny olana dia misy tsy haiko ny tononkira sasany, indrindra fa vitsy amin'izy ireny no mba mandeha na amin'ny radio feon'ny merina aza tany Dago.
Inona no mba azoko hatao hahazoana tononkira na hira mihitsy aza fa kanto loatra ireo hira fahiny nefa lasa nanjavona fotsiny.
Misaotra mialoha ireo namana afaka mahavonjy na manome hevitra fotsiny aza.
Mandrapihaona o!:*
répondu par xxx le 29/03/2007 16:41
2. ari.malala ( 09/03/2007 12:07)
vangio ny site misy ny tononkira fa sao mba ao ireo tononkira tadiavinao e
3. Fiffi ( 09/03/2007 13:21)
http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&mpihiraid=492
4. MTN ( 09/03/2007 13:56)
Tena old mihitsy i Dine izany
5. Fiffi ( 09/03/2007 14:31)
fa tsara kosa aloha ny hirany an ! zah aloha tena anisan'ny tena tia eh !
6. oldine ( 09/03/2007 16:33)
Miarahaba antsika rehetra indray.
Raha misy manome zatra ho anao, kingaha miteny hoe ampivo tompoko o:wink:
Kanjo tsy hay ny tsy hisaotra an'iFiffi nanolotra ireo tononkira maro ireo.Tena ao amin'ny patsany mihitsy hoy ny fitenenana.Fa ny tena an'isany angatahako dia ilay hira noraisin'iBodo taty aoriana, ilay misy hoe "ambany rangolahy"ny tonony.
Ny tiako hahintsy dia ity:Ny hira tsy mety hoantitra fa ny fitia mandray azy no samy hafa. Ny finoako dia tsy mbola nisy nahasolo azy mihitsy hatramin'izao na tonony, izany hoe ny hafatra ambara, na ny vetso milanto na ny fihetsiky ny mpanakanto etsetra ny NY RAILOVY fahiny.Izany anefa no tokony halain'ny PAZAPA tahaka any Dago raha zava-kanto no masahana.Ny soa sy ny tsara no tokony hilofosana fa tsy faly hikikiaka sy hampiseho adalana eny an-tsehatra fotsiny, araka ny eritreritro.
Misaotra ny namana rehetra.:*
7. MTN ( 09/03/2007 17:55)
8. Fiffi ( 09/03/2007 18:36)
humm....
9. xxx ( 09/03/2007 21:51)
10. Fiffi ( 10/03/2007 08:40)
11. mignone ( 10/03/2007 11:25)
dia mieritreritra ve i oldine fa tokony otrany fihetsiky ny RAILOVY ny PAZZAPA ?:-D:-D:-D aminizao 2007 izao :-D:-D
12. oldine ( 10/03/2007 11:47)
rehefa eo an-tsehatra dia miangaly ny zava-kanto ireo manan-telenta.Babo ny fon'ireo mpijery amin'izany ary afa-po tanteraka rehefa mivoaka ny trano.Mihaiky ny hatsaran'ny feon-kira,ny toniny,ny fihetsik'ireo mpihira...
Izany amiko no tanjona tokony hiezahan'ny pazzapa tratrarina fa tsy tsotsorina amin'ny fomba fandihizana indraindray mamoha fady.I Vola sy Noro raha nampihaingo ny feon'Jerome dia nanao fihetsika tena maotina nefa nambabo tanteraka ireo mpankafihy.Satria tena mivoaka ny fandrindran'ny hira amin'ny ankapobeny dia tsy mila sarotsaronana fihetsika hafa. Masiaka be aho angamba saingy hanatsara ny kanto no mahatonga ahy miteny.
13. oldine ( 10/03/2007 17:26)
mignone:

dia mieritreritra ve i oldine fa tokony otrany fihetsiky ny RAILOVY ny PAZZAPA ?:-D:-D:-D aminizao 2007 izao :-D:-D

Raha mahavita ny nataon'ny NY RAILOVY taloha ny pazzapa dia tsara.Mihoatra moa dia vaomainka tsara. Fa ny resaka 2007 akory tsy midika hoe ny fihetsika any amin'ny tany mahantra no arahana alaina tahaka fa tokony kosa hanatsara hatrany ny haitao tena malagasy ireo mpanankanto vao misondrotra.Raisiko ohatra: taloha dihy soroka no tena nalaza tao amin'ny tanana saingy amin'izao fotoana sarotra diavin'ny tanindrazana izao dia nidina ambanimbanin'ny soroka indray no ahely.Lasa mirefarefa amin'ny tany ny hasina maha kanto azy.lasa danse erotique fa tsy chant de charme!Dia lasa mivarilavo toa izay koa ilay kolon-tsaina dia tsy mahagaga raha ratsy taiza ireo tanora maro an'isa indrindra fa tsy misy intsony ny education maro toa ny education civique any amin'ny tanana.
Ny zava-kanto anefa dia tena mandray anjara betsaka tokoa eo amin'ny fitaizana ny sarambaben'vahoaka.

14. siks ( 11/03/2007 06:02)
Marina ny anao! manana ny culture tsika isika dia tokony mba hanaja izany
15. sherillalove ( 15/03/2007 14:28)
Tena normale i Dine ra makafy Jérome Randria f sady be sermone no be sentiment....ts maninn ka!!saingy ef nivoatra be zao ny zava -misy rhtr.za tsy miteny oe ratsy ny kalon'ny fahiny a!;-)f mba ef zavatra hafa e!ohatra oe Hey sexy lady!!!!:-D tandremo so marary fo @ jérome randria eo ary e!8O
16. oldine ( 17/03/2007 11:48)
Eo indrindra mantsy isika izao.Ireny olona be resaka sy be filaza ireny matetika no tsy dia mankaiza rehefa amin'ny fotoana ilana azy.Lasa resaka fotsiny indrindra fa izany Hey sexy lady izany.
Manana tendance hanarakefa ny tany efa tsy manana sentiment intsony isika.Ny tena fitiavana teo amin'ny malagasy izany no mihamanjavona raha tsy mitandrina isika.Nous n'aurons plus notre identité propre à nous.Very ny hasina maha isika antsika.
Aleo manangana zavatra tsara ilay serasera fa tsy hatao resaka be tsy mamokatra .
Isika gasy ange eran'izao tontolo izao, n'aiza n'aiza aleha dia misongadina foana na intellectuellent izany na physiquement izany ary mahari-pery tsy be fitarainana.Maro ny qualité positif ananantsika izay tokony cultivena fa tsy avela potehin'ny rendrarendra tsy mankaiza.
Diniho tsara amin'ny saina tony ange fa marina izany e.
Na io tanindrazantsika io aza, lazaiko marina fa hafa ary tsara lavitra noho ny hafa.Na ny maha nosy azy fotsiny aza.Eritrereto ange e!
17. mignone ( 19/03/2007 15:24)
sao dia tokony hanao jurry ny pazzapa i oldine , hita eo raha lasa be ny pazzapa :°):{
18. booboo ( 19/03/2007 15:30)
saingy ef nivoatra be zao ny zava -misy rhtr.za tsy miteny oe ratsy ny kalon'ny fahiny a!f mba ef zavatra hafa e!ohatra oe Hey sexy lady!!!!


- ié, nivoatra be tokoa satria miha-maro ny tanora mihira (manavao ?) ireny kalon'ny fahiny ireny...raha nosokajiana ho hiran'antitra izy taloha kely teo.

- "Hey sexy lady" sy "bakobako roa" ve no ampitahaina ohatra. Na ny gadona,na lé bà-kira aza tsy mitovy mihitsy ......atsimo sy avaratra :roll:
19. xxx ( 29/03/2007 16:41)
raha izaho no ampisafidiana izao hoe iza no tiako: Romy hirain'i Jerome Randria sa Njakatiana dia tsy misalasala mihitsy aho milaza fa ny nihirain'i Jerome Randria no tiako satria tena ao ilay vetso miampita.
Aleoko mihitsy ny railovy taloha toa izay ny railovy ankehitriny ohatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1203