tantsaha(tambanivohitra)

1. rakotoline ( 06/03/2007 17:44)
:roll:salama daolo e,tonga indray ary ny fanontanina indrindra amin'ireo am-pita sy an-tanim-pandrosoana,moa vé hilaina ny tantsaha na ny tambanivohitra hoy ianareo sa dia tsara daolo ny vahoaka raha miroso amin'ny fiteny hoe"civilisation" misaotra:!:
répondu par soanja le 15/03/2007 01:15
2. xxx ( 06/03/2007 18:13)
hilaina ny tantsaha ka mba hamatsy ny tan-tanandehibeuu
3. kally ( 06/03/2007 18:23)
Avaho tsara aloha Rakotoline a!inona no tena tianao lazaina amin'ity civilisation-nao ity?Ny tantsaha mpamboly fa ny tambanivohitra tsy voatery ho mpamboly na dia mpamboly aza ny ankamaroany, ka iza no tianao ho foanana?Dia ataonao ahoana ny hanafoana azy?
4. mbaliana ( 06/03/2007 19:33)
misy ny tambanivohitra tsy tantsaha mpamboly manaraka civilisation an... any amin'ny tany mandroso...
ny tantsaha mpamboly ndray no tianao tenenina... dia efa maharaka civilisation koa ry zareo ka raha any @ tany mandroso ... :roll::roll:
5. niryna ( 07/03/2007 06:05)
mbaliana:

misy ny tambanivohitra tsy tantsaha mpamboly manaraka civilisation an... any amin'ny tany mandroso...
ny tantsaha mpamboly ndray no tianao tenenina... dia efa maharaka civilisation koa ry zareo ka raha any @ tany mandroso ... :roll::roll:

:lol:
6. rakotoline ( 07/03/2007 06:40)
kally:

Avaho tsara aloha Rakotoline a!inona no tena tianao lazaina amin'ity civilisation-nao ity?Ny tantsaha mpamboly fa ny tambanivohitra tsy voatery ho mpamboly na dia mpamboly aza ny ankamaroany, ka iza no tianao ho foanana?Dia ataonao ahoana ny hanafoana azy?

:Pny tiako ho lazaina amin'ny civilisation dia mazava hoe:hiala any ambanivohitra ireo mponina any ary dia hitady asa any an-drenivohitra sy hiaina amin'ny atao hoe"citadin de ville"sahilaina zareo amboly sy hiompy ary hamokatra ny salade,carotte,ovy etc,io no ataoko hoe:hilaina vé ry zareo sa aleo daolo hiroso amin'ny fiainan-ny tan-pandrosoana na tanan-dehibé daolo:idea:

7. kally ( 07/03/2007 09:12)
Dia valiako fanontaniana ihany Rakotoline fa azafady.
Dia aiza indray ianao no hahita ovy sy karaoty ho hanina?Dia aiza koa no hahita hena? Dia ny vary sy ny mangahazo ahoana?
8. tywa68 ( 07/03/2007 10:00)
Rakotoline : Tsy ny mpamboly sy ny mpiompy rehetra akory no hiakatra any an-drenivohitra, fa izay manantena asa mahavelona azy kokoa ! :lol:
9. mbaliana ( 07/03/2007 12:17)
asa na hihinana inn amin'ny farany amin'ity civilisation-n'i rakotoline ity raha izany...
Ny fomba fiainana an-tanan-dehibe dia efa mihitatra foana ... efa tonga any amin'ny tany lavitra any ny fandrosona rehetra (any amin'ny tany mandroso) ...ahitana industrie, cinema, ny mpivarotra lamody, ny supermarché, ny portable, ny tele ecc... ny antony hiakaran'ny olona any andrenivohitra sisa dia ny mijery ny monuments...
Tsy voatery mpiompy sy mpamboly zany no any ambanivohitra ...tsy voatery hoe aty andrenivohitra vao miaina citadin civil araky ny nolazain'i rakotoline
10. mbaliana ( 07/03/2007 12:20)
rakotoline afaka manao fianana ohatry ny aty antana-dehibe zany ny mpamboly sy ny mpiompy mipetraka lavitry ny ville .. citadin de ville kay moa le nosoratany :-D:-D
11. xxx ( 08/03/2007 07:43)
kally:

Dia valiako fanontaniana ihany Rakotoline fa azafady.
Dia aiza indray ianao no hahita ovy sy karaoty ho hanina?Dia aiza koa no hahita hena? Dia ny vary sy ny mangahazo ahoana?

:wink:tena marina izany sy ekekonny anaranao aza kaly =tsaky,sakafo,ka ra tsy eo ny tantsaha iza no hamokatra kaly ho antsika eo,hilain-tsika vahoaka ny tantsaha na mafy ady aza reo,satria tsy mihinana isika renivohitra ratsy misy an-zareo ré ka tsy tokony atao ts'inon-tsinona ireo na mafy ady aza e,mila fiderana manokana ireo sy fisaorana fa tsy mihinana salade etc isika ratsy misy an'ireo e:}

12. Fiffi ( 08/03/2007 10:09)
rakotoline:
:roll:salama daolo e,tonga indray ary ny fanontanina indrindra amin'ireo am-pita sy an-tanim-pandrosoana,moa vé hilaina ny tantsaha na ny tambanivohitra hoy ianareo sa dia tsara daolo ny vahoaka raha miroso amin'ny fiteny hoe"civilisation" misaotra:!:
anjekaky ooo :{:{:{ raha tsy misy an'zareo re ve de ahoana no hivelomana ?:roll:

13. linarako2 ( 09/03/2007 10:34)
Koa tsy ihinambary intsony raha izany?
14. soanja ( 11/03/2007 14:52)
rakotoline:

:roll:salama daolo e,tonga indray ary ny fanontanina indrindra amin'ireo am-pita sy an-tanim-pandrosoana,moa vé hilaina ny tantsaha na ny tambanivohitra hoy ianareo sa dia tsara daolo ny vahoaka raha miroso amin'ny fiteny hoe"civilisation" misaotra:!:

Saika gaga aho fa azoko ihany ny tianao lazaina ka.
Mifanohana/mifameno/mifandray daholo no tena ho izy ka (balance).
Ny ezaka aty ary izao ny dia ny hamerenana indray ilay fiainana very hatramin'izay izay tsy nisy naharatsy azy sady nahate ho tia tokoa dia ny fiainana miaina ara-boajanahary ary miodina amin'ny zavatra tsotra sy mahasalama ary maharitra.
Ny fiainana any ambanivohitra no hitako mitovitovy amin'io raha tsy miady hamboly amin'ny zezi-bazaha be loatra ny tantsaha ary hanome pravandy feno zavatra simika ny bibiny ny mpiompy.
Valiny dia hoe TSIA. Mijanona any ihany fa ho avy izahay ho any koa raha mbola misy ny toerana azonay hidirana/hivelarana/hilofosana any.

15. rakotoline ( 14/03/2007 14:01)
:arrow:ny nahatonga ho nanoratra an'io dia toa misy ny olona sasany rehefa mahita azy ireny dia manambany sy miseho mi-gesteneny,misy aza tena miseho tsy mahay miteny gasy anefa teraka tany dago,ka gaga aho sy variana hoe;ahoana ary zany ny tena izy,aiza ny toerana tokony hisy ireny olona ireny nefa dia mazava fa tena mila azy ireny tokoa isika raha tsy izany tsy mihinam-bary marina-ho ela velona ny firaisan-kina ny malagasy e.:wink:
16. soanja ( 15/03/2007 01:15)

Hay ve izay no tian'i Rakotoline resahina e. Izay vao mazava. Tokony tonga de io ambony io no hevitra nitondrana azy raha izay.

Asa re ry Rakotoline fa isika olombelona mantsy samy nataon'Andriamniatra tsy mitovy ary samy manana ny mahamatimaty azy tokoa amin'ity fiainana ity. Ny fifanajana sy ny fifankativana ary ny firaisan-kina no tokony hanjaka.
Raha misy miteny vazaha aminao nefa tsy azonao le izy na ny hafa dia teneno mora izy hoe mba azonao atao teny gasy ve le izy fa be ny tsy maharaka. Ny tokony ho izy dia hiala tsiny izy ary hiteny hoe zah tsy mahay teny gasy loatra (de manohy teny vaza). Izay tena misy tokoa io ary tsy hanomezana tsiny azy izany. Na hiala tsiny de hiteny hoe azafady fa io no fahazarako, dia miezaka manova. Fa raha tsy nanao ireo roa ireo izy dia minoa ahy ianao fa manambany tokoa izay le olona ary tsy misy azonao atao fa sarotra ny manova olona eo no ho eo fa ny fiainana no aoka hanova azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1145