INONA NO ATAO HEO TANINDRAZANA? Fitiava-Tanindrazana ve?
1. ilanto
(
05/03/2007 15:37)
Maha lasa saina ihany indraindray ny zava-nisy iainatsika Malagasy hatramin'ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Be no milaza ho tia Tanindrazana, nefa na ny faritany na tany niaviana aza tsy heveriny akory ny hanasoa sy hanondrotra azy ambony. Koa sao dia mba ny tany na anjara tany nolovaina tamin'ny razana ihany no heverintsika hoe Tanindrazana.
Hatao hoe àry ve Firenena sy Fitiavam-Pirenena: Ireo olona be havana sy longo koa anefa no lazain'ny olona fa hoe: be firenena ry Ranona atsy na aroa...?
Koa tena mila miova mihitsy izany ny Toe-tsaina e!!!

répondu par fijo le 09/03/2007 06:13
2. Fiffi
(
05/03/2007 17:14)
ka sao de tsy fidiny ho azy kosa aza ny mahatonga azy tsy hanampy ? sa ve de raha tsy manao an'io lazainao io de hoe tsy tia tanindrazana ?
Ny zavatra mba fantatro aloha de hoe na aiza na aiza no misy an'olona iray.....tsy midika velively io hoe tsy tia ny tanindrazany izy......
Misy koa ny olona zay tsy fidiny azy no tsy maha-eny an-tanindrazany nefa na izany aza tsy midika velively zany hoe tsy tia izy...

3. ilanto
(
05/03/2007 20:43)
Betsaka anie ry Fiffi ireo mpanao politika na mpitondra fantantsika no managana trano be tsy misy asany na manao fasana mijoalajaoala tsy hihinana-kanina any ambanivohitra rehetra any, toa nataony hireharehana fotsiny izy ireny. Ny tenany ihany no hainy, na ny zana-kavany hianatra aza tsy tohanany fa sakanany; sns... Sao dia tsy mifankahazo ny resaka.
Ho ahy ny atao hoe tia Tanindrazana dia izay rehetra miezaka hanondrotra ny Malagasy namany hiala tao an-davaky ny fahasahiranana sy ny fahantrana ara-tsaina mangeja, fototry ny fahantrana hafa sisa rehetra. Tsy voatery hanam-bola ianao vao afaka hanao izany.

4. ronaldo09
(
07/03/2007 11:31)
Ny atao hoe tanindrazana sy ny hoe fitiavatanindrazana dia tsy mitovy!Tanindrazana dia ny tany nipoiranao ,ny olona rehetra amin'ny ankapobeny dia samy manana ny tanindrazany (misy ny tsy manana noho ny antony maro samihafa).Fa ny raha tianao ilay tanindrazanao toa ahy dia tia tanindrazana ianao!Ary misy ny olona tsy tia tanindrazana!
5. fijo
(
09/03/2007 06:13)
ny mpanapoaka tetezana ohatra dia olona tsy tia tanindrazana .
ny nandoro ny rova koa dia tsy tia tanindrazana.
ny mpanao barazy dia tsy fitiavana tanindrazana.
ny mpanohitra kosa tsy voatery ho tsy tia tanindrazana
ny nandoro ny rova koa dia tsy tia tanindrazana.
ny mpanao barazy dia tsy fitiavana tanindrazana.
ny mpanohitra kosa tsy voatery ho tsy tia tanindrazana