Hita mibaribary ny bontolon-Ravalomanana

1. rabaradaka ( 27/02/2007 13:18)
Mibaribary rey olona ny bontolon-dRavalomanana : ambaraky ny efa difotry ny rano sady miakatra ny vidim-bary dia ny 4 avril havaovana referandôma ihany. Manahy aho fa tsy hisy hifidy ny vahoaka, fa ny loza dia izay tonga mifidy na 500000 aza ka mahazo 255000 ny eny dia mandresy ny Eny. Hanahirana ity ry dadatoa fa mila mitandrina isika
répondu par rabaradaka le 06/03/2007 14:29
2. salmo1 ( 27/02/2007 13:25)
ereto ao leisy fa safidim-bahoaka i ra8.
3. Robert ( 27/02/2007 14:52)
Nefa ve hialana @ orana sy ny cyclone no nanaovana ny fifidianana t@ 3 Dec..
Tokony atao fantatry ny vahoaka ny zavatra ovaina vao
ferana ny daty hanaovana azy...

4. melody ( 27/02/2007 22:33)
salmo1:=D

rabaradaka: tsy matinao loulou mihintsy i R8 an:!:
5. jefra ( 27/02/2007 23:18)
Izaho toa mahatsapa fa tonga fofona tampoka ny mpanohitra nahita ny hevitry ny eveka (mody hoe tsy manao politika).Politika daholo io e! Ny adala ihany no tsy azo anarina, ary ny lafatra tsy eto an-tany.

Firenena maty ny firenena tsy manana tanora afaka mitsikera. Ny tsikera no andry andrasana sy antenaina am tanora, manome toky ny ray aman-dreny amperin'asa fa manana fijery mivelatra kokoa noho izy ny zanany :lol::lol::lol: Ka alao hery rankizy, nareo afaka mahita internet tokony ho be feo kokoa :}:}
6. fijo ( 27/02/2007 23:34)
mahereza fa ezaka daholo no ilaina e
7. Lalah ( 28/02/2007 04:38)
jefra:

Izaho toa mahatsapa fa tonga fofona tampoka ny mpanohitra nahita ny hevitry ny eveka (mody hoe tsy manao politika).Politika daholo io e! Ny adala ihany no tsy azo anarina, ary ny lafatra tsy eto an-tany.

Firenena maty ny firenena tsy manana tanora afaka mitsikera. Ny tsikera no andry andrasana sy antenaina am tanora, manome toky ny ray aman-dreny amperin'asa fa manana fijery mivelatra kokoa noho izy ny zanany :lol::lol::lol: Ka alao hery rankizy, nareo afaka mahita internet tokony ho be feo kokoa :}:}


Ka ny olana anie ry jefra, raha miteny dia lazaina ho mpanohitra tsy maty voalavo ankibo, na mody henoin-dry zareo ihany fa andrasany @ kobay rehefa avy miteny eo! Ka aiza ny tany hiainana @ zany.
Nisy olona zay niteny tamiko hoe ny tsy mampandroso an i Madagascar dia ity fanapenam-bava lava ity, nefa eritrereto raha hilaza ny tsy mety amin ny ambangovangony angamba tsy asa!!!!!, ny mpanohana mahafatrapo ato @ serasera ihany ohatra dia efa minana hoatran inona maika fa ny fanjakana. Ka aleo ihany mangina mba tsy hidiran' angano.


8. xl ( 28/02/2007 07:41)
Mandroso maty Raibe, mihemotra maty Renibe Ra8 @ izao,
ny mety dia ny "Mampahafantatra ny olona ny tena votoantin'ny constitution ihany aloa"
dia ahemotra ny référendum na @ herintaona aza,
ny Vahoaka no Andriamanjaka tsinona,
tsotra be!
9. salopard ( 28/02/2007 16:38)
fotoanany cyclone sy kere no ananovana azy satria, mila sorona ny referendum, sy ingahy ravalomanana:

mila sorona hovonoina
hanamasina azy hono
sy ho lafikin'ny lapa
hisandratany ambony


ry fijo, jefra, fiffy, havana minisitra sy mpiasan'ny ambasady, manaova sorona keli koa eto @ serasera ,

fijo, sy jefra omeo ahy ny numero portable ny sipanareo , izay no anjara soronao sao voaroaka e ny dadatoa minisitra

omoe ahy ny molotr'i fiffy sy kitjo, sy felana, sy diamondra27, sy xxx, manaova sorona kely sao very seza

tsy ampy dôzy aloha zoky robert a!
sniff, sniff...

10. fijo ( 28/02/2007 23:30)
izany hono ry sipako an,homeo azy ny tel fa mba mila N° ny salop e
11. rabaradaka ( 06/03/2007 14:29)
Misy ahitsiko kely, tsy ho tsy matiko lolo i Ra8, tena diso izay fa ny fampandrosoana rey olona hilana fiaraha-mientana a ! Dia tonga amin'ilay hoe tian-kano tsy tian-kano ange ny vahoaka e ! Mbola diso koa ny mpanohitra satria tsy manan-kambara fa mijapy hevitr'olona fotsiny. Dia hifidy indray izany ka !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5619