managataka tononkira
1. randrialain
(
25/02/2007 19:28)
mba managataka tonokira an'i vola sy noro, anjavidy ,sy ilay hoe fantatro ianao fa malahelo mitady hitomany, misaotra indrindra e!!
répondu par Fiffi le 26/02/2007 07:44
2. pissoa
(
25/02/2007 19:33)
http://serasera.org/tononkira/index.php?rub=tononkira/hira&id=1900 ilay anjavidy ! Ilay iray io tsy haiko :oops:
3. hertix
(
25/02/2007 23:59)
ity angamba izany hira tadiavin'i randrialain.
FANTATRO IANAO
Fantatro ianao
Fa malahelo no mitady hitomany
Nefa hoy aho, hoy aho mangina
Sao tsy fantatrao
Fa kianjan’ny ankaso ity tany
Ka ialao ny hakiviana
Eny henoko ianao fa nofinitaka malala
Ô! Henoko!
Avelao izay tsy tia ireo te-hisintaka hiala
Fa ny fo ovay ho vy
‘Zay no mitia, ranomaria
Fantatro ianao
Fa nokaikerin’ny amboakely tiana
Hany ianao ka very fanahy
Nefa na izany aza
Aleo ny eritreritra no ariana
Ô! Mitrakà fa lehilahy
Efa nataonao izay rehetra azonao natao
Nefa indrisy
Ilay fitia ‘zay noheverina ho doria nankaiza izao
Rava tsy nisy
Nefa hoy aho mafy ianao
Ny saina atanjaho
Fantatro ianao
Fa malahelo no mitady hitomany
Nefa hoy aho, hoy aho mangina
Sao tsy fantatrao
Fa kianjan’ny ankaso ity tany
Ka ialao ny hakiviana
Tsy ianao irery koa ange
No mijaly toy izao
Maro ireo tra-pahoriam-be
Eny, mafy noho ny anao
Raha fitia no nandratràna anao
Ô! Fitia ihany koa
Ny ho avy fanafodinao
Dia ho adino ireo taloha
Fantatro ianao
Fa nokaikerin’ny amboakely tiana
Hany ianao ka very fanahy
Nefa na izany aza
Aleo ny eritreritra no ariana
Ô! Mitrakà fa lehilahy
Tonony sy feony: Paul Dason
Mpihira: Vola sy Noro
FANTATRO IANAO
Fantatro ianao
Fa malahelo no mitady hitomany
Nefa hoy aho, hoy aho mangina
Sao tsy fantatrao
Fa kianjan’ny ankaso ity tany
Ka ialao ny hakiviana
Eny henoko ianao fa nofinitaka malala
Ô! Henoko!
Avelao izay tsy tia ireo te-hisintaka hiala
Fa ny fo ovay ho vy
‘Zay no mitia, ranomaria
Fantatro ianao
Fa nokaikerin’ny amboakely tiana
Hany ianao ka very fanahy
Nefa na izany aza
Aleo ny eritreritra no ariana
Ô! Mitrakà fa lehilahy
Efa nataonao izay rehetra azonao natao
Nefa indrisy
Ilay fitia ‘zay noheverina ho doria nankaiza izao
Rava tsy nisy
Nefa hoy aho mafy ianao
Ny saina atanjaho
Fantatro ianao
Fa malahelo no mitady hitomany
Nefa hoy aho, hoy aho mangina
Sao tsy fantatrao
Fa kianjan’ny ankaso ity tany
Ka ialao ny hakiviana
Tsy ianao irery koa ange
No mijaly toy izao
Maro ireo tra-pahoriam-be
Eny, mafy noho ny anao
Raha fitia no nandratràna anao
Ô! Fitia ihany koa
Ny ho avy fanafodinao
Dia ho adino ireo taloha
Fantatro ianao
Fa nokaikerin’ny amboakely tiana
Hany ianao ka very fanahy
Nefa na izany aza
Aleo ny eritreritra no ariana
Ô! Mitrakà fa lehilahy
Tonony sy feony: Paul Dason
Mpihira: Vola sy Noro
4. ari.malala
(
26/02/2007 07:39)
Anjavidy miredareda
Ilay foko ela niandrasana
TOnga ianao mody tys niraika
Kanjo vainafo toa ahy koa dorehitra
tsy namidy toa entambarotra
Ilay fitia tao am-po kotrehina
dia tsy hako tsony fa efa ela b ko tsy nande tam radio tsony, azafady e, mba mameno izay mahay azafady :oops:
Ilay foko ela niandrasana
TOnga ianao mody tys niraika
Kanjo vainafo toa ahy koa dorehitra
tsy namidy toa entambarotra
Ilay fitia tao am-po kotrehina
dia tsy hako tsony fa efa ela b ko tsy nande tam radio tsony, azafady e, mba mameno izay mahay azafady :oops:
5. Fiffi
(
26/02/2007 07:44)
Anjavidy miredareda
Ilay foko ela niandrasana
Tonga ianao mody tsy miraika
Kanjo vainafo toa ahy koa dorehitra
Tsy namidy toa etam-barotra
Ilay fitia tao ampo kotrehinao oh oh oh
Tonga ianao zay vao hary elatra
Hiaraka hisidina hiray angotingoty aminao
Tena manga ve ny lanitra
Sa ny masoko izay mahita anao
No mandoko mafinaritra
Ny tazaniko rehetra tarafinao
Toa ny lavaka mahafanina
No nisainako ny ho aviko
Noho ianao ireny fa tsy fantatrao
Soa ihany tonga ianao
