mangataka tonokira

1. randrialain ( 25/02/2007 18:04)
mangataka ny hiran'i vola sy noro, ny lohateny DINA
répondu par Fiffi le 25/02/2007 18:24
2. Fiffi ( 25/02/2007 18:24)
Manirery malahelo, lasa vetsovetso
Manimanina havan-tiana ka misento
Voady ho doria, fo mifankatia tsaroana
Tafasaraka, tsy mety very dia, manoina é

(refrain)

Tsy manadino n'aiza n'aiza, tsy mba manadino
Tsy miova ny fitia nekena ho doria
Ampy ho ahy mangina, fanantenako mandrakizay
Ireo dinantsika, ireo fitiavana hatrizay

(modulation 1/2 ton)

Vavaka atao raha toa malahelo ianao
Ny vatako ihany anie no lavitra anao
Ho fahatsiarovana, ity ny hirako kaloina
Ny eritreritro, ny fitiavako manoina é

(refrain) Tsy manadino .......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 2.7454