MAP - Madagasikara Am-Perinasa
1. hery
(
22/02/2007 16:54)
Ho an'ireo izay mbola tsy nahita tany ho any dia misy an'io tahirinkevitry ny MAP io ihany koa azonao alaina ato. http://malagasy.it/?rub=pages/page&page_id=p45d7aa4a8ed5c
répondu par fijo le 24/02/2007 05:47
2. Fiffi
(
22/02/2007 17:37)
misaotra nizara Hery an ! hummmm....(hisy tezitra indray zao mahita an'io eto)
3. jefra
(
22/02/2007 18:36)
Misaotra anao betsaka Hery fa somary milona be ilay an prezidansa.
Ny fanamarihako voalohany namaky azy dia:
Dimy taona izany ny faharetan'ny MAP. Ka am 2012 izany isika dia:
1-Hanana fitondram-panjakana Tompon'Andraikitra (fa mbola tsy izay izany izao).
2-Ho firenena mifandray isika, satria hanana làlana manana kalitao avo, sy rafitra manerana ny firenena (iza no hanohitra an'izany).
3-Hanana lamim-pampianarana avo lenta (mampanonofy marina).
4-Ho tontosa ny fampandrosoana mavitrika ny tontolo ambanivohitra sy ny fanalefahana ny fahantrana (feno fanantenana ny kiambala).
5-Ho tontosa ny fahasalaman'ny vahoaka rehetra mba ahafahany mandray anjara amin?ny famokarana handrosoan'ny firenena sy hisian?ny fiainana mitera-bokatsoa (mbola misy fa aza rarak'ivy).
6-Fitomboana lehibe eo amin'ny toekarena (tsary hisy hijanona aty dilambato intsony ny gasy)
7-Ho lasa lohalaharana i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny fampandrosoana sy ny fampiharana ny fahaiza-manao mahomby momba ny fiarovana ny tontolo iainana.
8-Ho tontosa ny firaisam-pirenena.
Iza no olona ho sahy hanohitra an'ireo raha mbola malagasy ihany. Ny fanontaniako aza dia hoe "Inona no mifanohitra amin'ny lalam-panorenana amin'ireo?". Tsy aleo tonga dia tairina. Sa mbola miandry saosy... eny ary e! Ny firy taona aza niaretana ka izay 5 taona.
Koa raha tanteraka ireo amin'ny 2012 dia:
-Tena mahay ny gasy (ny tambanivohitra no resahiko, fa tsy dia hogaga amin'izany aho, mila tosika fotsiny ireo)
-Iza no ho sahy tsy hifidy an-dRa8 am 2012, mba marina moa. Na i Pierrot sy Lejamba (raha mbola velona) aza hifona aminy. Na hatao Mpanjaka aza izy, dia mba hanohana aho.
Fa sao mifamitaka fotsiny. Voasoratra izy ity ka mora ny hampahatsiahy azy.

4. lapino
(
23/02/2007 13:24)
Misaotra an'i Hery tokoa fa za aloha mba nitady koa e :)
> 1-Hanana fitondram-panjakana Tompon'Andraikitra (fa mbola tsy izay izany izao).
Raha faritana hatrany amin'ny ambaratongan'ny fitondram-panjakana rehetra, tena mbola tsy tompon'andraikitra isika
> 3-Hanana lamim-pampianarana avo lenta (mampanonofy marina).
Za mieritreritra fa raha hisy fiovana lehibe aza, tsy ho hita ny tena akony raha tsy efa misy generation-na mpianatra in-1 mihodina farafahakeliny, izany hoe 12 taona eo. Izany hoe aorian'ny 2012 dia any @ 2024 any ...
> 6-Fitomboana lehibe eo amin'ny toekarena (tsary hisy hijanona aty dilambato intsony ny gasy)
Io toa hoe hitombo avo roa heny ny PIB, ary hihoatra ny 10% ny croissance economique (rythme sinoa amin'izao). Izay no tanjona izany. Ka raha ohatra ka ampy hodian'ireo gasin'ny dilambato izay izay mbola miasa mampandroso firenen'ny mpanjanaka moa izay ...
> 7-Ho lasa lohalaharana i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny fampandrosoana sy ny fampiharana ny fahaiza-manao mahomby momba ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ity no toa mahaliana, satria raha ny amin'ny tany mandroso izao dia mifanohitra amin'ny tontolo iainana ny activités economique. Hatraiza no ho afaka hiray lalana ireo ho antsika gasy?
> Koa raha tanteraka ireo amin'ny 2012 dia:
-Iza no ho sahy tsy hifidy an-dRa8 am 2012.
Misy foana, na dia eto amin'ny forum ihany aza dia mety ahazoan'i jefra valiny :wink:
> Voasoratra izy ity ka mora ny hampahatsiahy azy.
:)
Ny ahy ny mba itanako an-drazoky koa dia ilay teniny tany Cannes tamin'ireo mpitondra afrikana hoe : hahazo internet isam-pokotany i Madagasikara.

5. salopard
(
23/02/2007 16:19)
Ny ahy ny mba itanako an-drazoky koa dia ilay teniny tany Cannes tamin'ireo mpitondra afrikana hoe : hahazo internet isam-pokotany i Madagasikara.
bien sûr, ny 4l isantrano tanterany, tsy hitako izay tsy hahavitany ny internet tsy mila electricité
hatramin'izao aloha ny tranokala sy ny tranmboalavo sy tranomparasy no be ao dago
ok , fa tsy ampy dôzy aloha e!