Zandary mitifitr'olona any Boeny

1. Solitikabe ( 22/02/2007 07:03)
Sendra mba nijery Express aho nahita an'io. Tsy dia hita moa hoe iza no marina na diso, fa ireto kosa mba nisy zavatra hitako.
Tany Mahasolon'i Tsiroanomandidy ny volana Jiona 1990, taona nialoha ny fifidianana 1991. Nisy hetsika nataon'ny Zandary fampandriana ny tany noho ny asan-dahalo. Nisy ny voasambotra, ary nentina tamin'ireny kamio efa droadroakan'ny miaramila tamin'izany ireny. Rehefa nandeha ny kamio, efa feno ny olona nosamborina. Dia mpitandro ny filaminana efatra no nipetraka tao afara, ary samy teny amin'ny farany sisiny tamin'ny kamio ireo. Vao dify ny tanana kelikely anefa ny kamio dia nisy poa-basy. Gaga ny olona ary nirongatra nijery. Inona? iray tamin'ireo efa voasambotra no nitsitra teo an'ivon'ny arabe. Ny kamio lasa tsy niandry.
Nisy nahita anefa ny fitofirana. Raha ny mpiarakandro dia nahita fa "nijanona ny kamio ary nidina ity ranamana ity, dia voatifitra".
Ny voafonja indray, izay inoako fa mbola manefa ny sazy any Tsiroanomandidy sy eny Tsiafahy, dia nitantara: "latsaka ny satroky ny sefo, dia najanony ny fiara, ary nasainy naka ny satroka ilay ranamana, kay notifiriny nony avy eo...saingy izahay tsy sahy miteny sao voatifitra koa". Teo iny tantara iny
Ny nitantarako an'io dia mba tokony jerena ihany tokoa ny ataon'ireny mpitandro ny filaminana ireny fa dia misy manao ny mihoatra ny loha mihintsy matetika. Toa ny fanerena ny olona hamono akoho na omby mihintsy aza moa indraindray rehefa mandalo ka manao fisafoana ny sefo. Mibetroka mihintsy, ary Kalaky somary atondro kely: "Aiza ny fikarakarana ny sefo"
Aleo iny eo fa amin'ny manaraka indray ry zareo an
répondu par xl le 28/02/2007 12:25
2. xl ( 28/02/2007 12:25)
T@] 1990 kosa anie izany e!
Amiral rouge anie no nitondra t@ izany e!
izao kosa efa mba vaovao e!
ny bandits indray izao no sahirana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3985