Hatao Firenena Federaly ahitana Faritany 8 i Madagasikara

1. ronaldo09 ( 15/02/2007 11:35)
Raha ny hevitry ny depiote Zakahely Boniface izay hanolotra ny tolo-keviny eny amin’ny Komitin’ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana anio maraina amin’ny 10 ora, dia tokony hovàna ho Repoblika Federaly Demokratika hentin’ny Filoham-pirenena ny Repoblikan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ankoatra izany, mihevitra koa izy fa hotazonina ihany ny Faritany 6 saingy hampiana Faritany 2 hafa dia ny Faritanin’i Androna ( any Sofia, Mahajanga) sy ny « Grand Sud Est ». Ireo Faritany Federaly 8 ireo dia ho samy hahaleotena ara-bola sy ara-pitantanana.

Firafitra
Raha eo amin’ny rafi-pitantanan-draharaham-panjakana indray, ny Fokontany no ho fototra. Izy io no hitantana ny raharaha amin’ny fotony. Manaraka azy ny Kaominina izay efa misy ankehitriny. Eo ihany koa ny Distrika sy ny Boriborintany. Tazonina ihany ny Faritra amin’izao fotoana izao. Ny Faritany Mizaka Tena kosa ho soloina Faritany Federaly izay hentin’ny Lehiben’ny Faritany. Ankoatra izany, hisy ny Governemanta Foibe sy ny Filohan’ny Repoblika Federaly Demokratika izay hantsoina hoe Filohan’i Madagasikara.

Foanana ny HCC
Mbola amin’ity tolo-kevitr’Ing. Zakahely Boniface ity ihany, ho foanana ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana ka hosoloina hoe Fitsarana Mahaleotena Momba ny Lalàmpanorenana. Mbola hisy kosa ny Antenimiera roa tonta saingy hiova endrika. Ny “Sénat” avy amin’ny solontenan’ny Faritany Federaly - miasa 6 taona - hahitana ny Lehiben’ny Foko sy ny Lehiben’ny Andrim-panjakana teo aloha. Ny Antenimieram-pirenena - miasa 5 taona - kosa dia ho lasa Mariky ny Firaisam-pirenena ka any amin’ny Distrika tsirairay no hifidianana olona ho ao aminy.

Fidina
Ny Filohan’i Madagasikara no fidin’ny vahoaka mivantana. Toy izany koa ny Mariky ny Firaisam-pirenena na ny Antenimieram-pirenena sy ny Lehiben’ny Distrika ary ny Lehiben’ny Faritany Federaly. Ny solontenan’ny Faritany Federaly kosa, misy ny hofidina sy hotendrena. Raha akapoka iray ity tolo-kevitr’Ing. Zakahely Boniface ity, dia efa mizotra amin’ny Repoblika fahefatra isika. Asa anefa aloha fa tolo-kevitra ny azy iny.

Tsara le hevitra ry zakahely fa tsy zakantsika izany etat federal izany!Aleo hijanona unitaire ihany!!
répondu par jefra le 27/02/2007 23:30
2. bazylou ( 15/02/2007 12:05)
Tsra ilay hevitra nefa copie colle amin'dry zareo usa sy allemagne ilay izy !!!
Ny olana amin'io dia samy hanao ny didiny ny tsirairay ary ny lalana sy rafitra ao amin'ny province grand sud est dia tsy hitovy velively ao amin'ny diego!!
3. hery ( 15/02/2007 12:12)
Dia ho tafavoaka velona ve ny Etat Federal-n'Ambovombe ohatra? :-p
4. miarina ( 15/02/2007 14:48)
Tsy nisy resaka kosa teo hoe Etat Federal an'i Ambovombe ... Etat Federal 8 no noresahina
- Tananarivo
- Fianarantsoa
- Majunga
- Sofia
- Diego
- Tamatave
- Tulear
- Grand Sud ESt
5. salopard ( 15/02/2007 14:48)
-d'abord,voavidy io bandy io; mody ampanolorany sosokevitra raboniface dia misy hono ny demokrasia, dia any @ poubelle ny sosokevitry raboniface. tsisy hevitra ho raisiny eo, ravalo no mandidy

Là lazaina foana fa i zafy sy rakotovahiny no adala , fa marina ny nolazaindreo, momban'ny fandavana ny fifidianana,nijoro t@ heviny koa ireo contre ratsiraka en 1975, raha niaraniasa t@ izany i manadafy sy andriamajato

-rahery, tsisy resaka ambovombe eo, faritany 6 + 2 vaovao, ianareo no tena be kritika tsisy antony

6. lapino ( 15/02/2007 15:11)
Raha ny resak'i Ravalo tany Nice (Video tany @ Ralay) , dia hoe :
hisy referendum amin'ny Mars na Avril hanekena na handavana ny hoe: hatao regions 22 fa tsy resaka faritany izany intsony.
Asa na oviana ny sosokevitr'Ing. Boniface io ...

hery > raha misy tsy tafavoaka velona dia hovelomin'ny sasany indray izany. Izay tafavoaka mba hanome fanampiana
Sao dia mba aleony mifindra monina ? :-P

bazylou:
Ny olana amin'io dia samy hanao ny didiny ny tsirairay ary ny lalana sy rafitra ao amin'ny province grand sud est dia tsy hitovy velively ao amin'ny diego!!
Avantazy aza izany satria ny tsy fitoviana amin'ireo faritra tsirairay no ilana lalàna mifanaraka aminy avy. Izay tsy tafavoaka velona ohatra mety mila lalàna momba ny fanampiana atolotry ny sasany, ... :P
7. jefra ( 15/02/2007 21:58)
lapino:

Raha ny resak'i Ravalo tany Nice dia hoe :
hisy referendum amin'ny Mars na Avril hanekena na handavana ny hoe: hatao regions 22 fa tsy resaka faritany izany intsony.

Hay ve efa tapaka ny antony e! Asaina mandrebireby fotsiny izany ny komity najoro hamoaka texte?? Niasa maina 'nareo ry jentilisa nandefa sosokevitra.


8. fijo ( 16/02/2007 06:35)
hevitra tokoa le izy,fa tsy misy fandinihana.
raha teoria dia tsara kokoa hoantsika io.saingy araka io voalzan'i hery io,dia hisy etat federaly hofaty noana sy hofoana ny vahoaka ao aminy.
9. jefra ( 17/02/2007 00:24)
Tsy dia mitovy fijery am hery sy fijo aho momba ny mety hanjo an'Ambovombe raha atao ilay politika fikisiao.

Raha tena mahaleo tena izy, ka afaka mitantana ho azy ny vokatry ny taniny, ny droit d'installation na investisseurs avy any ivelany, ny fanampiana mety ho azony...sns, dia minoa fa tsy ho dezaka toy io mihoatra ny 5 taona izy.

Vola ange izay nitotona hoe hampiroboroboana ny ao atsimo izay. Fa aty Tana no miliba ny mpitantana. Dia mampiroborobo ny ekonomian'ny faritra Tana noho ny halatra ataon'ireo mpitantana tsy valahara ireo (retombEe ekonomika). Fa tsy maintsy ho any Ambovombe no hitontona ny rehetra raha tanteraka ilay fiction.

Ny lafiratsin'ilay fiction amiko dia ny hifampizarazarantsika, ary dia ho ny vahiny mpihavy no hampiroborobo izay tsy mahavita tena.
10. ronaldo09 ( 18/02/2007 15:18)
hery:

Dia ho tafavoaka velona ve ny Etat Federal-n'Ambovombe ohatra? :-p

Dia inona aloha ny tsy aritry i hery amin'ambovombe?Mba avadibadiho ny lela alohan'ny hiteny razokya!

11. ravatorano ( 19/02/2007 07:25)
io dia mbola sosokevitra hy an Ingahy zakahely Bonifave fa tsy hoe tena izay no izy fa gaga aho amin ilay hoe :"hatao firenena federaly ahitana faritany 8 i madagasikara" ?
Hatao ahoana efa lany angah ?
fa maninona no atao faritany valo fotsiny fa ny sasany ireo zany ahaoana ?
inona no maharatsy ny régions izay efa misy amin izao amiko dia ireo no apetraka tsara ny rafitra hifehy aza dia aleo foanana ny faritany fa efa lany andro ny nampiasana azy !
zay tokoa mahagaga fa ny tena miseho dia izao ny olona any amin 'ny faritra hafa raha manambola dia aleony manao zavatra aty andrenivohitra na eto antananarivo izany ny marimarina koakoa ari dia izay ilay retombée ekonomika lazain i jefra, izany hoe vola tokony ampiasaina eo antoerana lasa miakatra aty hany ka omaly tsy miova ilay toerana nahazahoana sy nisasasarana sy nikelezana aina !
Ka raha te handroso tokoa ny faritra tsirairay dia ny olona ao aminy aloha no tsara ho tonga saian mialoha fa na ry Ingahy zakahely Boniface aza milaza fa tsy mananara avaratra no fiteny fa mananara nord d nanao hehy valaka hafahfa ilay olona nanao interview azy tamin ny invité de zoma teo !
mazotoa daholo e !
:wink:
12. ravatorano ( 19/02/2007 10:59)
aza hadino fa mahamora ny resaka administration teritorriale ny fampiasana ny faritra 22 satria raha mila fikarakarana taratasy izay tsy maintsy haleha any ain ny faritany taloha dia vita eo anivon 'ny faritra raha foanana io faritany enina io.
Ny Olona any taolagnaro tsy mila makany toliary tsony , ny avy any manadona tsy hiakatra aty antananarivo fa eo antsirabe d mahavita ny tokony hatao,ry zareo avy any fandriana tsy hiakatra any fianarantsoa fa ho vita eo ambositra ny raharaha.
Izany defa ezaka lehibe mihitsy eo amin ny fanamorana ny taratrasy ara panjakana ary ho haingana kokoa ny fomba fiasa amizay
:wink:
13. xl ( 20/02/2007 14:29)
manaiky fotsiny laisany dia ampy e!
14. pimaso ( 21/02/2007 11:26)
IZAY NO MAHA ra8 azy!
mazava a!
15. fijo ( 24/02/2007 05:56)
tara aho fa efa voavalin'i ravato.
hisy faritra maty ao,satria ,vitsy olona.
faharoa,izay manana ny ampy any,miakatra ao tana manorina zavatra.
fahatelo,ny Etat federaly anie ka misy sehatra tsy raisin'ny firenena tsirairay,fa ny ETAT no mandray azy e.io resaka fifandraisana any ivelany io,tsy hoe etat federaly,de ambovombe hanao ny fifandraisany any ivelany manokana,,maevatanana hananan ny azy manokana,fa ny ETAT no misahana izay,dia avy eo iny mizarazara
ny tafika koa,toa izay.tafiky ny ETAT fa tsy hoe ambato boeny hanana tafika azy,de antsirabe hanana ny azy manokana koa
16. jefra ( 24/02/2007 11:59)
fijo> Izay no fijerinao azy, fa tsy voatery ho izay no fijerin'ny olona mitaky azy. Mbola tsy nisy dinika ny ao anaty vilany.

Manana izay fijery izay ianao satria mety efa any aminao ny ankamaroan'ilay bodofotsy. Ny lazainao fa faritra maty dia mijery ny fomba mety hahitany hafanana hoe, azo sintonina/zaraina ve ny bodofotsy sa hijery zava-hafa.

Na hahatsapa ilay efa mafana tsara hoe mila zaraina ny bodofotsy, na tsy hifanaraka. Raha manana zo araka ny lazainao ny etat federal, dia manana andraikitra/adidy koa, fa tsy hoe ielahy tsy mahazo miteny dia ny ato ampaosiko aza jerena.

Ilay tenin'i hery hoe hisy tsy ho tafavoaka no novaliako virtuellement hoe, misy fomba azo ampandrosoana ny rehetra foana rehefa tsy misy fitiavan-tana (na ho etat federal, na ho provinsy, na faritra), fa tsy tsotra toy izany ny valiny. Resaka sarotra/lalina io ka tsy tokony hifanabatiana. Ny fijeriko tsy hoe faritra maty mila itserana Ambovombe, fa no exploiter-na indirectement izy hatram izay dia mila tosika ankehitriny.

Ny zava-nisy/misy dia raha misy investisseur tonga (vahiny na tompontany), te hanao zavatra, dia mbola mpifaninana Ambovombe sy ny faritra hafa eo amin'ny safidin'ny fanjakana. Ny zones franches ohatra no azo natao tam toerana hafa (betsaka ny faritra sady misy port no misy aeroport, malalaka kokoa noho Tana, sns). Azo ampitomboina ny ohatra. Ny famokarana akora hoe i Madagasikara no tsena voalohany tetehina no tsara aty ampovoantany betsaka mponina kokoa. Kanefa raha TENA asiana fijery mivelatra ilay izy, ka anaovana zavatra koa Ambovombe, tsy hivangongo ao Tana daholo ny olona.
17. jefra ( 27/02/2007 23:30)
pimaso:

IZAY NO MAHA ra8 azy!mazava a!

Ny maha Ra8 voafadim-bahoaka azy no tokony hanampiana azy. Ny tao-trano hono tsy efan'ny irery. Ny fijerin'ny maro mahataka-davitra.
Tokony ho raisiny (izy Ra8 sy ny TIM) ho fitiavana/fanilo, ny fanitsiana izay mety hivilana na tsy mahitsy tsara am fijeriny.Ekeko fa ny tsikera tsy ary ho marina daholo. Fa sambatra ny olona mahazo safidy/fijery marobe alohan'ny hanapahana hevitra. Harena ny fahasamihana fijery fa tsy takaitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0703