Naiditra am-ponja vonjy maika ry Kambana Metal .
1. Fiffi
(
14/02/2007 09:17)
Naiditra am-ponja vonjy maika omaly i R.H sy R. J noho ny resaka tsy fandoavana volan’olona. Tsy iza ireo fa izy roa lahy mpihira ao amin’ny Kambana Metal. Ny mpikarakara azy ireo (producteur) no nitory teny amin’ny fitsarana noho ny tsy fandoavan’izy ireo ny vola mitetina Ar 20.000.000 vidina kapila mangirana (audio, vcd).
RHD/Aina R.
Rehefa avy nandalo ny mpitsara mpanao famotorana izy roa lahy dia notazonina vonjy maika eny am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana. Mpanakanto vao herotrerony tokoa ary efa mba saika nanana ny toerany eo amin’ny sehatry ny mozika rock mavesatra izy roa lahy ireto, fa asa izay anton’ny tsy fahombiazana. Nisy fotoana aza mba efa niaka-tsehatra tao Antsahamanitra.
Efa maromaro ihany raha izay mpanakanto nanana raharaha teny amin’ny fitsarana sy naiditra am-ponja izay, raha tsy hiresaka afa-tsy ny raharaha nisamboran’ny mpitandro filaminana an-dRah-kiki tetsy Ampefiloha afak’omaly fotsiny isika. Fanindroany izao no nisamborana azy, ary mbola resaka fiarahana amina zaza tsy ampy taona ihany. Ny zavatra mahagaga amin’ny toe-javatra toy itony dia vao mainka be mpankafy ny mpanakanto iray rehefa avy mandalo ireny raharaha henjana ireny. Inoana sy antenaina izany fa hitombo koa ny mpankafy azy roa lahy naiditra am-ponja vonjy maika ireto rehefa afaka avy ao ry zareo. Mbola fitazonana vonjy maika rahateo ny azy roa lahy fa ny fitsarana irery ihany no tompon’ny teny farany.
Midi Madagascar
répondu par pimaso le 02/03/2007 12:26
2. mits
(
14/02/2007 12:30)
I rah kiki kou aza nahita ny maizina in 2 otrany tainomby kou!
loza amorona hira indray zao i rackicky
loza amorona hira indray zao i rackicky
5. booboo
(
14/02/2007 12:56)
rakiki aleo hihidy any fa kambana metal avoahy e !
Fiffi > tsy hilanja pancarte hiaraka amiko ve e ? hihihihihihihi

6. kitjo
(
14/02/2007 16:36)
ny an ra ckiki efa adalana kosa
sa hakana inspiration hamoronana hira ndray d andeha hitsofoka kely any ndray aloha?:{
14ans v lety e...

8. fijo
(
14/02/2007 22:59)
kitjo an,le sipa koa tara ko.hi hihii na mety be vatana kosa dia tsy hainy ko.izy ve mahalala ,fa rehefa mikoty anie tsy manontany hoe firy taona kay ndry????
za hitaky ny famoahana an dra kiky fa ity mpihira tiako.

9. Fiffi
(
15/02/2007 08:49)
Fanodinkodinana zaza tsy ampy taona
Nalefa eny Antanimora Rah-Ckicki
Nahita ny fonjan'Antanimora fanindroany indray i Rah-Ckicki. Mbola raharaha fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ihany no nidirany ny maizina.
Notanan'ny Fampanoavana i Rah-Ckicki, ka eny amin'ny fonjan'Antanimora indray. Toy ny teo aloha dia mbola raharaha fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ihany no nahavoa azy toy izao. Omaly ny lehilahy no natolotra ny Fampanoavana teo Anosy. Tony ary tsy taitra izy, na dia eo aza ny fijerin'ny olona sy ny manodidina azy.
Vao niainga teny amin'ny biraon'ny polisy misahana ny raharahan'ny zaza tsy ampy taona namotorana azy i Rah-Ckicki, dia nofatorana “menottes”. Eo aloha ny tànana. Ary dia an-tongotra koa no natao, narahin'ireo polisy maro avy ao amin'ity sampandraharaha ity, namonjena ny biraon'ny Fampanoavana.
Niherika daholo izay nahita azy, eny fa na ireo olona nanan-draharaha tao amin'ny Fampanoavana aza. “Ny tononkirany tamin'ilay raharaha nihazonana azy voalohany no tao an-tsaiko. Asa indray izay havoakany amin'ity manaraka ity”, hoy ny tenin'ity tovovavy nifanena taminy teny an-dalana, sady niherika nijery azy.
Voafitaka
“Ny fanenjehana ahy toy izao no vao mainka mampalaza ahy. Tsy mampiova na inona na inona eo amin'ny fankafizako mozika izany. Tsy kivy aho ary hijoro hatramin'ny farany”, hoy i Rah-Ckicki tsy rototra.
Raha ny fanazavan'ity mpanakanto ity dia fitaka no nahazo azy. “Tsy noeritreretiko mihitsy ny hiaraka amin'io tovovavy io. Izy rahateo niteny tamiko fa 19 taona. Ary raha ny haben'ny vatany no jerena dia tsy mampino hoe mbola zaza mihitsy izy”, hoy izy nanazava ny raharaha nahavoarohirohy azy.
Nosoritany fa raha miohatra tamin'ilay tovovavy nahavoa ahy tamin'ny voalohany dia lehibe vatana lavitra noho izy ity zazavavy ity. “Ary na iza na iza teo amin'ny toerako, voafitaka toy izany ihany koa. Vao teo aho ve no voa dia hanao izany sahady ? ”, hoy ihany izy nanampy.
Mbola notsindriany ihany fa toy ny fanaon'ireo mpanakanto rehetra miaraka maka sary amin'ireo mpankafy no antony nakàny sary niaraka tamin'ilay tovovavy. “Izy no nangataka an'io fa tsy izaho”, hoy i Rah-Ckicki.
"Resaka lainga avokoa izany”, hoy kosa ny navalin'ilay renin'ity zazavavy nampiakatra ny raharaha teny amin'ny manam-pahefana. “Nilaza fa saika haka vady an-janako mihitsy izy. Ary ny 16 desambra teo ny zanako no niteny fa ho avy hiseho aminay ao an-trano i Rah-Ckicki. Saingy noraràna ilay zaza, no tsy tonga rahateo ilay mpihira”, hoy izy. Nosoritany aza fa nampanantena zavatra betsaka tamin-janany i Rah-Ckicki.
Araka ny efa voalaza teto moa dia fampisehoana nataony tany Toamasina ny volana septambra 2006 no nifankahitan-dRah-Ckicki tamin'ity zazavavy ity ary nanomboka teo ny fifandraisana.
L'Express de Madagacsar

10. vakiniadiana
(
02/03/2007 10:19)
Tena nigadra ry Kambana Metal leaza. Tonga dia mampirevy rock foana izao ry zalahy ao am-pigadrana ao, tonga dia jailhouse rock
Fa ny mahagaga anie dia matetika rehefa avy gadra ohatra izao ny artista dia miha-malaza e

11. pimaso
(
02/03/2007 12:26)
hadalana ny an'lé manager producteur,
anjarany ny mandanjalanja ny investissement any,
fa tsy rehefa hoe perte ny spectacles roa tany @ province, sady tsy lafo ny CD kambana metal,
dia gadraina ny rocker,
tokony nanao sondage sy etude de marché izy avant,
contractuel anie izany zavatra izany e!
tribonaly o! aza mitanila o!
anosy anareo!