Tsara ampifantarina ny zava-misy ve ny zaza?

1. niryna ( 09/02/2007 20:58)
Misy tantara roa marina ireto:namonontena ity rangahy noho ny eloka vitany ka namela ny vadiny sy ny zanany enim-bolana ary dimy taona.Tsy sahy nilaza ny zanany mihitsy ity maty vady na dia fantany aza fa nitifitra ny tenany tamin'ny basy ity vadiny.
Ny faharoa dia vokatry ny fahazazana izay tsy nisy fitiavana tao an-trano dia namoy ny tenenany ity reny,tsy niteny ny zanany ity rangahy ny antony,nijaly sy nangirifiry ireo zanany efatra,tsy nahantanty izany ireto zanany roa lahy kambana ka dia samy nanarakan-dreniny saika efa roa taona nijaliana noho ny poizina vao maty.Nanaraka indray koa rangahy vadiny.Toy ny lefona manindrona ato am-poko hoy ilay lahy sisa tavela ny mieritreritra ny vono eran'ny trano satria tsy vao ela dia tsy nahatanty ity anabaviny ary namela zaza lahy kely irery ho andraikitr'ity akanga sy tavela.
Ny fanontaniana,ny haina tsy mifametra,ny loza tonga tsy am-poizina,raha misy toa ireo moa tsara ho an'ny ankizy ny mahalala ny marina sa dia hiandrasana ho lehibe izy vao lazaina? Raha ilay zaza no mahalala ny marina mialohan'ny hitenenenao azy moa misy fiantraikany izany?
Antsika rehetra ary ny hadi-hevitra.
répondu par tolona le 06/04/2007 00:37
2. pitoussy ( 09/02/2007 23:05)
eny satria tot ou tard tsy maintsy ho fantany fona ny marina
fa miankina @ ilay zava-misy indray io oe efa fotoana tokony hampahafantarana azy v sa miandry aloha,
d miankina ihany koa @ le zaza oe refa manomboka matsilo saina izy , manomboka bb fanontaniana oe fa manin kay sy ny oe inon kay ......

tsy tokony handrasana oe efa tena lehibe mitsy anefa izy vao hilazana ilay izy sao dia ny ol ivelany no hahenony ilay "zava nisy " toy izay le ol proche responsable tokony hampahafantatra le izy fa manjary choc b ho azy ary mety lasa very ny confiance-ny @ famille

3. caprio ( 09/02/2007 23:51)
Hafahafa be koa ny fitantaranao azy ka tsy mazava tsara
4. patrick2002 ( 10/02/2007 01:14)
eny tokony ampahafantarina ny zava-misy ny zaza. Fa ampahafantarina azy @ maha-zaza azy .Ohatra manontany anao ny zanakao "Fa maninona ny olona no bevoka ?",:roll: dia valianao hoe rehefa vita mariazy ka miara matory dia bevoka. :lol:
5. niryna ( 10/02/2007 04:04)
caprio:

Hafahafa be koa ny fitantaranao azy ka tsy mazava tsara

Misy fianakaviana roa samy hafa,ary mety hitranga ny olona hafa koa ny toy izao.Samy namono tena ny olona tao an-trano noho ny tsy fahazakan'ny onjam-piainana angamba no azo lazaina azy.Samy manana zanaka avy izy ireo.Ny fanontaniana dia hoe tsara sa ratsy raha ampifantarina an'ireo ankizy ireo ny zavatra nitranga tao amin'ilay fianakaviana.Rahoviana,resahina mialoha ve no tsara sa tsy mety izany?
6. tisera ( 14/02/2007 20:25)
tsy misy tsara ohatry ny "transparence" ka aleo resahina fa ny fomba itondrana ny resaka angamba no mila eritreretina tsara mba tsy handratra , mba ho tena voampita izay tiana hampahafantarina .
7. niryna ( 15/02/2007 06:23)
tisera:

tsy misy tsara ohatry ny "transparence" ka aleo resahina fa ny fomba itondrana ny resaka angamba no mila eritreretina tsara mba tsy handratra , mba ho tena voampita izay tiana hampahafantarina .

Sady raha any an-kafa no maheno ny ankizy mety tsy hatoky ny reniny intsony izy na ny lehibe

8. linarako2 ( 02/03/2007 23:08)
Tsara raha mahafantatra ny zaza rehefa mahay manavaka ny mety sy ny tsy mety izy.Ny hilazana azy mialoha dia hanampy ny fiarahanareo aminy betsaka
9. mirana5 ( 04/03/2007 11:42)
Raha ny hevitro dia tsara ny hafantaran'ny ankizy ny marina satria miankina @ io ny toetran'ny rehefa lehibe, na mino ny lehibe izy na tsy manaiky mino n'inoninona intsony fa ny fomba hitondrana ny tantara no sarotra @ teny tokony ampiasaina mba azahoan'ilay zaza ny resaka, ka noh 'zany dia tsy maintsy mahay miteny sy mampiasa teny tsotra mba azoan'ny ankizy ny tena votoati'ny tantara, sy makaoatra @ manodidina zay feno dia feno tantara hafahafa tokoa:cry::cry:
10. tolona ( 06/04/2007 00:37)
sao de tsy zakany izany,satria mety hamono tena koa izy avy eo ary hilaza fa ny rar ny aza namono tena donc ny conscience-ny mandry raha maty izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3916