Sary mihetsika

1. TMalefaka ( 23/01/2007 04:21)
Efa betsaka ihany ny sary mihetsika vita malagasy. Fa ny mba eritreritro izany dia izao é:

Mba atao sary mihetsika ilay boky nosoratan'i Andry Andraina hoe " Mitaraina ny tany". Nianarana tany an-tsekoly mantsy izy io ka nampiseho ny fitiavan-tanidranzana nisy tamin'ireo zoky sy ray amandreny mba hananantsika izao firenena mahaleo-tena izao.

Ny faharoa dia ilay tantara an'i " Bina sy Kemba", mba ho tantaram-pitiavana.
répondu par sitlo le 28/01/2007 06:28
2. fiderana ( 23/01/2007 09:46)
afaka manao producteur ngaha ianao?, fa mino aho fa raha hiresaka @ ilay tompon'ny sangan'asa ianao dia hanaiky izy ka!, resaka fahafahana ara-bola sy fitaovana mantsy no tena mba olana eto @ tanana, raha voavaha ireo dia mandeha ny film:lol:
3. andry08 ( 23/01/2007 10:22)
Tena tadidiko i "Bina sy Kemba " ary nandany fotoana maro namerimberina namaky an'io mihintsy aho t@ mbola kely.
Hevitra tsara .:D
4. kelly13 ( 23/01/2007 13:11)
TMalefaka>fantatro enao! hihihi!! taty amiko i tratra t@ 29 sa 30 decembre teo!! iza ary za o? hihihi!!! za ry se tsy nety nahay io "mitaraina ny tany" io fa tena otran'ny nampatory ahy tany ampenarana a! hihihi
5. bazylou ( 23/01/2007 23:20)
resaka saosy marina io !! raha vonona ny hisponsoro ianao dia mety
6. sitlo ( 24/01/2007 04:13)
Tsy resaka saosy izany io fa fahaizana sy fahazotoana.

Ny vazaha aza taloha tsy nanana ordi nahavita filma koa.
7. pissoa ( 24/01/2007 05:55)
Marina ny tenin'i sitlo. :lol:
8. sitlo ( 24/01/2007 16:27)
reveko mihitsy izany compliment kely izany
9. pissoa ( 24/01/2007 21:03)
mbola ampiana ? :-D:-D:-D
10. sitlo ( 24/01/2007 21:15)
ze revenao io fa tsy azo an-tery. :wink:
11. cutie ( 25/01/2007 02:36)
le 'Mitaraina ny tany" zao tena tsara mitsy raha mivoaka film :lol:
12. TMalefaka ( 25/01/2007 02:37)
Tena tsy producteur izaho koa. Manimpy hevitra fotsiny dia hita eo izay afaka atao rehefa avy eo. Ilay izy koa ange ny olana misy vahaolana foana é.

Raha tadidinareo ange ny tantaran'i Bina sy Kemba, nandeha nianatra alavitra ileiry dia nisy ny fanamboarana (montage photo) ny sarin'i Madama. Tena tsara iny ka.

Fa ahoana aloha ny fanaovana ny sary mihetsika?
13. cutie ( 25/01/2007 02:39)
anontanio i lenaivofilm :lol:
14. sitlo ( 28/01/2007 06:28)
Zay vao tadidiko ny tiako jerena raha avadika filma.
"Tao manjaka doria"
hmmmmmmmm
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5021