Ny ray aman-dreny sy ny fitaizana ara-pilazantsara

1. niryna ( 21/01/2007 06:11)
Anjarantsika RAR no mitaiza sy mikolokolo ny ankizy ho voataiza ara-pivavahana,ka isika ihany koa no modely arahiny ao amin'ny fiainana amin'ny maha kristianina.Ny fiangonana ,ny fianarana soratra masina dia an'isany iray mety hanampy azy ireo fa isika no tena fototra ahafantaran'izy ireo an'Atra .
Inona no dingana tokony arahina ahalalan'ny ankizy an'i zany?::):)
répondu par prime le 22/01/2007 09:43
2. tywa68 ( 21/01/2007 09:49)
isika RAD aloha dia tena tokony hanaja ny toky nomena (teny @alitara) ka hanao izay mifanaraka @ fitaizàna kristianina ny ankizy, na d tsy mora aza izany, noho ny antony maro samihafa.
3. booboo ( 21/01/2007 19:51)
T@ natao batisa izy dia nanao fanekena ny rad teo anatrehan'ny fg sy Atra hoe hampiditra azy hanao sekoly alahady, donky...
4. jhouhlambout ( 21/01/2007 21:21)
5. Zina ( 21/01/2007 23:53)
oy i tywa68
isika RAD aloha dia tena tokony hanaja ny toky nomena (teny @alitara)

marina mihitsy izany. any @ marizay no fiandohany ny zavatra rehetra rehefa mande miaraka @ ny finoana ny mariazy (Faith -- belief in the judgment and authority of a higher power can have a powerful positive influence on the marital bond) ...pivady samy kristiana dia manoro ny zaza dieny mbola kely mihitsy izy no hapanfatarana an;Andriamanitra no sady hatao dedication ny zaza rehefa mbola kely-
io dia toy ireny hazo ambolena ireny kolokoloina hatramin'ny voalohany ary mahita ny vokan;ilay hazo rehefa mivelatra ny vonikazo sy ny vohankazo eo @ ilay hazo.
Tsy vita mora anefa io raha tsy manana relation etroite amin'Andriamanitra.
6. prime ( 22/01/2007 09:43)
Misaotra amin'ilay lohahevitra...
Misaotra amin'ny torohevitra arosonareo sahady...

Amiko ny dingana voalohany dia ny fandinihan-tenan'ireo Ray aman-dReny mikasika ny fifandraisany amin'Andriamanitra... manaiky tanteraka ny lazain'i Zina aho hoe mila manana "relation étroite" amin'Andriamanitra aloha ilay RaR...

Ny dingana manaraka dia ny fitondràna amam-bavaka an'ilay zaza (ankizy moa hoy ianareo eto)amin'ny fotoana rehetra (tsy ankitsahatra)...

Ny dingana fahatelo dia ny fampiharana avy hatrany tsy misy hatak'andro ny fanekena natao tamin'Andriamanitra t@ fotoana rehetra nanaovana izany (fanambadiana, batisa, fandraisana fanasàn'ny Tompo...) hoe hampahafantatra azy an'Andriamanitra, hampiditra azy katesizy na sekoly alahady, hanao izay hahaMpandray ny fanasàn'ny Tompo azy...

Ny dingana fahaefatra dia ny mampianatra, mananatra, mitari-dalana, miaro, mitaiza azy ara-tsoratra masina ka manao izany ho vain-dohan-draharaha fa tsy ambinambiny...

...hatreo aloha...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1795