Mivadika mavo ny lokon'ny vatany ?
1. niryna
(
20/01/2007 01:34)
Ny zaza gasy izay teraka any ivelany dia saika mivadika mavo ny lokony ka tsy alefan'ny any amin'ny hopitaly mody fa mbola tsaboana ary saiky voan'io daholo ny zaza matetika.Mba fantatrareo ve ny antony ary misy an'io aretina io ve aty amintsika aty dago?
répondu par 2gasy le 07/03/2007 16:28
7. kally
(
21/01/2007 04:23)
Betsaka ny zaza gasy indrindra ny any ambanivohitra no tratran'io aretina io. "Angorongosy" no fiantsoan-dry zareo azy!
8. niryna
(
21/01/2007 05:38)
booboo:
Niryna > any ivelan'inona kay ?
Ny ankizy teraka any ivelany dago kay hono misy voa ihany ny ankizy ary angorongosy izany hono no anarany.
10. niryna
(
23/01/2007 06:42)
Zina:
mila manao vaccine hepatite A, B sy C zany
Misy dokotera tsy manome an'io vaccine io ho an'ny reniny,sa ny zaza no tian'i zina ho tenenina?Raha ny zaza dia tonga dia tazominy herinandro ary tsy avoakany raha vao teraka ny reniny.
11. fijo
(
23/01/2007 23:27)
zavatar mora tsaboina io,fa tsy olana.ve manao vakisiny fa ny aty izany no misy mila fikarakarana kely
12. Zina
(
26/01/2007 14:48)
Misy dokotera tsy manome an'io vaccine io ho an'ny reniny,sa ny zaza no tian'i zina ho tenenina?Raha ny zaza dia tonga dia tazominy herinandro ary tsy avoakany raha vao teraka ny reniny.
na ny reny na ny zanaka manao vakisiny doly ka...
Fijo a,
ilaina wa ireo vakisiny ireo... ndana anie jereo ao internet ireo hepatite ireo ... io ndray no aretina tena betsaka surtout any @ pays developpe.
13. niryna
(
26/01/2007 15:37)

Misaotra betsaka Zina a :):)
15. hantakely
(
31/01/2007 20:57)
jaunisse io fa any dago koa misy an'io ,ny zanako tratrany koa fa masoandro ihany dia vita ho azy fa any france tsy de be masoandro mantsy
16. niryna
(
02/02/2007 16:30)
hantakely:
jaunisse io fa any dago koa misy an'io ,ny zanako tratrany koa fa masoandro ihany dia vita ho azy fa any france tsy de be masoandro mantsy
ka inona no tena antony,tsy misy fiantraikany amin'ny fiainana intsony ve rehefa lehibe ilay zaza?
17. lamie
(
03/02/2007 18:40)
dia tsy mahagaga io raha aty andafy, aza taitaitra isika fa tsy fantatry zareo ny tena lokon'ny hoditry ny malagsy vao teraka ,beige isika dia heveriny fa mavo, aleo ataony an'io machine io fa miaro koa io refa miha-lehibe e!fa any dago tena misy io ictere io fa tsy @ zay teraka rehetra tsy akory e!
18. niryna
(
07/02/2007 06:17)
lamie:
dia tsy mahagaga io raha aty andafy, aza taitaitra isika fa tsy fantatry zareo ny tena lokon'ny hoditry ny malagsy vao teraka ,beige isika dia heveriny fa mavo, aleo ataony an'io machine io fa miaro koa io refa miha-lehibe e!fa any dago tena misy io ictere io fa tsy @ zay teraka rehetra tsy akory e!
misaotra betsaka:D
20. 2gasy
(
07/03/2007 16:28)
Io nolazai'i hantakely io tokoa no fanafodiny. Ho an'ny zaza vao teraka dia tapeno lamba ny masony mba tsy ho azon'ny masoandro.