ny havako
1. viviane
(
07/01/2007 08:00)
Manao ahoana tompoko,
Mba mangataka ny dikan ny hira NY HAVAKO an'i VOAHANGY tompoko fa tsy bola misy ato amin ny site serasera(tonokira)
Misaotra betsaka tompoko
Mba mangataka ny dikan ny hira NY HAVAKO an'i VOAHANGY tompoko fa tsy bola misy ato amin ny site serasera(tonokira)
Misaotra betsaka tompoko
répondu par Belle le 08/01/2007 00:54
3. Belle
(
08/01/2007 00:54)
Viviane: anisan'ny hiran'i Voahangy ankafiziko koa izy io ka indro omeko anao ny tonony. Sady nihaino aho no nandika ka miala tsiny raha misy tsy marina ny fandraisako azy.
NY HAVAKO
Na tebahan'izy koa fosaina fa mavomavo
Na de tsy mah'lala fomba fa lazain'ho tanavo
Na tsy misy fotony aza f'olon-tsy ahoan-tsy ahoana
Mbola havako foana
Na mahantra an'io na zefa sady kikina kely
Tsy mampihena ny fitiavako azy koa velively
Na tsy manan-ko atokona fa olona ambany
Mbola havako ihany
Na mitrongy sy vao homan'io na tsizarizary
Na de ratsiratsy akanjo sady be malabary
Tsy atakaloko ny hafa f'isam-pianakaviako
Noho izany de tiako
Na 'koraina f'olon-dresy na koa hoe mpitsok'ovy
Tsy maninona f'ekena saingy izao no tsarovy
Adalako iny angamba tsy mba manan-tsahala
Ahy ka tafiko lamba
Fiv. Tano ny anareo manjamanja
Ny ahy lets'io bangabanga
Na de malotoloto ny ahy leretsy tsy foiko
Na de hoe fanaraby na de hoe badovavy
Na tsy be dipolOma
Ny havako havako foana
Havako foana
Na hanaovana ny farahehy sy fanalan'andro
Na lazaina fa tsy manan'ary koa rah'miakanjo
Fa tambanivohi-dahy no sady mafimafy ady
Havako izy azafady
Na de tsy olo-manan-daza tsy mahay taratasy
Kapa fingotra ny ananany sy mihinam-paraky
Tsy afa-miaingitr'amin'izay lamOdy fantatra farany
Havako izy no anarany
Valala mpiandry fasan'io no sady mpiandry tanAna
Tsy mba mana-petrabola na tambaza-karama
Zay vokatra nezah'ny mba zarainy aminay
Izy no havanay
Tsy izy anie mizaozao aminareo mahery
Sanatria tsy eboebo hisehoseho velively
Fa mitoka-monin'eny miondrik'izy f'ambany
Fa de havako ihany
Fiv.
VOAHANGY SY DELACRE