Mailaka @namana.serasera.org = mailaka @serasera.org

1. hery ( 04/01/2007 10:06)
Vaovao mahafinaritra ho antsika izay efa mampiasa ny adiresy solonanarana@namana.serasera.org

Manomboka izao dia mety daholo ny solonanarana@namana.serasera.org sy ny solonanarana@serasera.org ka ny hafatra alefa amin'ireo dia voarainareo ao amin'ny boaty iray ihany. Ilay hita ao amin'ny http://mailaka.serasera.org

Raha efa manana adiresy solonanarana@namana.serasera.org izany ianao dia afaka mampiasa avy hatrany ny adiresy solonanarana@serasera.org

Raha toa ka tianao ny handefa hafatra amin'ny adiresy vaovao solonanarana@serasera.org dia misy zavatra ovaina kely ao amin'ny mailaka.serasera.org
http://www.google.com/support/a/bin/answer.py?answer=54656 ny fanaovana azy.

Ny momba ny fahazoana adiresy emailaka @namana.serasera.org na @serasera.org moa dia hohitanao ao amin'ny http://namana.serasera.org/?rub=pages/page&page_id=p44dd7c24b177e

Misaotra indray.
répondu par xxx le 06/01/2007 19:43
2. simplex ( 04/01/2007 10:56)
merci an ^:^

ary neveriko fa hoe forward na alias avy ao @ mail server le izy kanefa toa tsy mahazo ny internal :-w

lasa tsy afaka hoe ovaina an'ilay solonanarana@serasera.org ny adiresy ao @ mombamomba anao. Zany hoe alefany ihany ilay e-mail confirmation fa eritreretiny hoe internal le izy d mijanona ao @ queue fotsiny satria tsy mahita alias na username mifandraika @ solonanarana izy. Tsy haiko aloha e...

zany hoe azo ovaina tanana ihany ny any @ mombamomba aloha ra ohatra ka sa ahoana :P

misaotra mialoha,
3. hery ( 04/01/2007 11:05)
Izany hoe ny email solonanarana@serasera.org sy solonanarana@namana.serasera.org dia adiresy email hafa ara-dalàna mihitsy ary tsy mifandray @ serveur ato amin'ny serasera (mail server hafa).

Raha ny tokony ho izy dia azo ampiasaina n'aiza n'aiza (local sy remote) ilay adiresy. Mety resaka DNS propagation angamba satria vao halina io no natao.

4. simplex ( 04/01/2007 11:16)
ah oki,
d ny hery at serasera.org koa zany lasa mampiasa an'io ve :D

misaotra eeeeeeee
tsy maintsy hoe histyle ihany ;-):-D
5. kala ( 04/01/2007 12:01)
misaotra amin'ny fanazavana bedabe :-*
hoatrany ndaha hi style ihany aho fa hatrizay toa ni pause fotsiny:-D
6. hery ( 04/01/2007 14:05)
simplex> eny :-) toa io koa ny hery_at_serasera_dot_org
7. Bisou ( 06/01/2007 19:06)
;-)Mahafinaritra ny mandre "radio gasy "nefa dia tena mbola gasy mihitsy tokoa,ka tsy mety fa mbola manaonao foana ihany isika ? marina fa ny homanbary aza hono misy latsaka,kanefa ny zava tsy hay tsy azo hibitabitahana koa ?sa? Aza tezitra ianareo fa,arearehako tahakan'ny basy hatifik'havana ny ahy,ary hataoko hadivomangan'ikirijavola ,ka dia ny voamasony no potsiriko!Izany no ela ,fa izao e:
Hataovy tsaratsara kokoa ny"fanaraha-maso ny momban'ny teknika rehetra,fa manjary ratsy daholo ny ambiny rehetra e! dia misaotra mialoha anareo rehetra mahasa misanina ity "serasera "ity,fa goavana ange izy ity e!Ny manao ihany koa hono ange no mety diso e!Aza kivy ,fa mahereza e!Tsy nisy nahay tany an-kibon-dreniny akory na iza na iza ,fa hoy "LAFRANTSA RENIMALALANTSIKA HOE:c'est en forgeant qu'on devient forgeron"
RATSY BE MIHITSY MANTSY NY FEO ALEFANAREO @IZAO FOTOANA IZAO 06.01.07 ary dia ny eo ihany noho eo nefa toa misy eo @6000 eo no hisan'ny Hira malagasy misy eto madagasikara ?
8. xxx ( 06/01/2007 19:43)
Hery koa tssss, lasa mandeha zao le email nataoko ary amin'ny wiki-ko :x:-D

Vazivazy, fa mahafinaritra ny fiovana + fivoarana ! Tsy maintsy hitsyle ihany marina :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.08