Nisy nandoro ny “amphithéâtre” ao Ampefiloha.

1. Fiffi ( 03/01/2007 08:30)

May indray ny toerana fanaovam-pety eny Ampefiloha. Niniana nodorana ilay izy, raha ny fanazavan'ireo tompon'andraikitra tao.

Ny fandoroana trano indray izao no mitady hanjaka. Ny “amphithéatre” etsy Ampefiloha indray no nisy nandoro, omaly maraina. Avy teo amin'ny faritra anoloana ny fidirana mankao amin'ity trano fanaovam-pety ity no may tamin'izany.
Kilan'ny afo, lasa lavenona tao avokoa ny ankamaroan'ireo fitaovam-pianarana notehirizina tao toy ny boky sarobidy samihafa sy ny kahie an'ny vondrom-pikambanana antsoina hoe “solidarité laïque” izay napetraka tao.
Lasa toerana fitehirizan'entana ho an'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena mantsy ankehitriny ity trano fanaovam-pety ity. Ary noho ny fiarahamiasan'izany minisitera izany sy ity vondrom-pikambanana iray ity, izay nisy taratasy nifanaovana sonia mihitsy ny volana aogositra 2006 lasa teo, no nahatonga ny “solidarité laïque” ho nametraka entany tao. Entana izay fanomezana avy any amin'ireo fikambanana samihafa mpikambana ao aminy, avy any ivelany, ary natao hozaraina amin'ireo sekoly amin'ireny faritra saro-dalana sy mitoka-monina ireny ao anatin'ny faritra 22 eto Madagasikara.
Araka ny fanazavan'ny lehiben'ny sampandraharaha amin'ny fitantanana pedagojika sy ny fiainan-tsekoly, Raharinjanahary Basilisse, eo anivon'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, dia entana mahatratra hatrany amin'ny 30 taonina tany no indray nampidirina tao amin'io toerana io. Efa voazara tamin'ireo faritra natao hahazo izany ny 14 taonina ary ny ampahatelony sisa, izany hoe manodidina ny folo taonina eo no indray potika tao.
Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar
répondu par Fiffi le 13/01/2007 21:25
2. Fiffi ( 03/01/2007 08:31)
De inona zao no vokatsoa azo @ zao fanimban-zavatra zao ? :roll:
3. jentilisa ( 03/01/2007 09:16)
Ilay izy aloha hatraty ivelany tsy ahitana na inona na inoa may izany e! mety ho ny entana indray no nisy nitsiriritra dia mody nasiana afo avy eo.
4. Fiffi ( 03/01/2007 09:52)
mampalahelo be le toetsaina....:(
5. dongadonga ( 03/01/2007 20:30)
toetsaina lo morina eeh:lol:
6. Fiffi ( 09/01/2007 06:29)
de inona zao le tombontsoa azo t@ io ?
7. xxx ( 09/01/2007 17:00)
tombotsoa: Amin'izay tsy mahazo boky ny mpianatra any amin'ny saro-dalana. Ezaka amin'ny fitazonana ny zaza malagasy amin'ny fahabadoana.
8. Fiffi ( 13/01/2007 21:25)
de ho faly zany ry zareo ? mampalahelo le toe-tsaina.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0573