hisaraka tsy ho ela izahay

1. xxx ( 02/01/2007 08:52)
Mafy tokoa efa tia kanefa ilay olona antenaina mampifilafila .
efa eo andalana hisarahana amin'ilay olona nantenaiko hotiaviko aho, tsapako izany satria mangatsiaka izy, ny olana dia tratrako fa misy olona miaraka aminy, efa imbetsaka no nisy zavatra tsy mazava ataony,tamin'ny 31 dec dia nifamaly izahay, nisy teny marary nataony ahy;tsy te hanisy olana aho dia nandamina na dia hita aza fa izy no diso fa satria faran'ny taona dia tsy te hanome olana aho, ankehitriny dia miezaka aho ny hanadino azy tsikelikely, satria dia tsapako, izy anefa tonga mihaona amiko foana ary mangatsiaka be izy ka zara izahay raha miresaka,samy tsy te hanapaka avy hatrany ve izahay fa mandevona miadana ny fitiavana ? izaho manko nanjary narary fo ary tsapany io .Tsy maintsy hisaraka anefa izahay .Tohano torohevitra aho afahako miatrika ilay fisarahana tsy ho ela fa malahelo be ny foko .
répondu par mbinina7 le 20/09/2007 09:10
2. Fiffi ( 02/01/2007 09:41)
ndryyyy......mampalahelo zany zavatra mahazo anao zany nefa mba vao2 ny taona....fa aza hatao mahakivy zany fa fiainana daholo...

Tsy aleo aza ve dien'zao de misaraka rehefa hita fa tsy mety le fiharahana toy zay haroso hiany ny raharaha ..na hoe tohizana nefa hita fa tsy mety ?

Mampahery anao aloha zah an ! de aza kivy fa mbola hisy ny masoandro hamiratra indray eo à fiainanao ...
3. fasaly ( 02/01/2007 10:06)
xxx::?:( hummmmmmm otran'ny mihàtra ahy koa lay olana misy amin'i xxx tena mahatohina be mitsy fa korazy e! hatrakao ny loha de miova ny taona de fiainana vaovao kou no hatrehina sa hoana, iray no lasa folo no miditra:wink::-*
4. fasaly ( 02/01/2007 10:08)
lasa baraiingo be koa lay sary kely fa tsy io no tiko hatao fa ity:cry: dia ity::?
5. xxx ( 02/01/2007 11:39)
misaotra fa ilay herintsaina entina hiatrika azy dia azoko tamin'ny fanohananareo ny ampahany betsaka an
6. fasaly ( 02/01/2007 11:45)
tsisy fisaorana e! izay no ilàna ny namana e!:wink::-*
7. degree ( 02/01/2007 22:28)
fa hono ho aho ra- xxx inao teo nilaza hoe "ny olana dia tratrako fa misy olona miaraka aminy " dia mazava ho azy fa tsy tia an-dra xxx intsony izy kanefa sao kosa au contraire i ra xxx no nisy niarahana voalohany ka nahatonga azy hiaraka ami,'olona koa satria faran'ny taona ka te hamarana ny fitiavany eo aminao koa izy fa mba hanova 207 fa leo ny 206(sahala ny mifidy fiara ihany io)?
2/Amiko dia tsy aleona ve miova tanteraka fa vao maika hampisy olana amina anie ao anatin'io voalohan'ny taona io ny handefitra @ izany satria efa hitanao fa misy olona miaraka aminy
3/ny eto antany ra xxx tsy lany manja a !
4/amboary ihany anefa ny fo sao............ka eo vao hidiran'angano eo an!
8. xxx ( 03/01/2007 07:03)
tena marina izany degree a fa tena mila fankaherezana aho ny olana dia tsy manana an'iza n'iza mba hanamboarana ny saiko aho , mbola marary be ny foko, alina izao izy dia niantso dia nilaza fa malahelo ahy hono dia izaho tsy niteny , efa miezaka manadino azy miandalana aho fa ilay tena sec be tena tahaka ny hanapaka ny aiko izany ange e , izy koa mahatsapa fa marary fo aho angamba dia mba nanaovany ilay hoe malahelo be anao aho nefa ny ataony efa an-dalana hisaraka amiko ., indray alina izy izao dia nifampiantso tamin'olona izy dia mifanao fotoana ry zareo dia nanontany aho hoe iza izany dia niavonavona be sy tsy firesahana amiko no ataony (menace io amiko)satria aho tsy mahatanty izay dia manjary mandefitra tsy sahy manadihady sao hiavonavonany , izaho anefa tsy mba manana olona ho antsoina na hanovana tahaka ny ataony dia ilay miezaka manadino miadana no ataoko sa inona torohevitra mety hoy ianareo ?
raxxx
9. Fiffi ( 03/01/2007 07:41)
korazy foana fa fiainana daholo zany....efa eto aloha enao zao de mba afaka mamoaka ny halahelonao de tohizo hatrany ...de aza miditra @ zany hoe hilazainy enao hoe malahelo anao izy de iny koa enao lasa malahelo sy marary fo.....rehefa tsy mety de aleo misaraka de hadinohy izy fa aza mampijaly tena .
Korazy foana an !
10. poupousa ( 03/01/2007 08:58)
raha ny fijeriko anao alo de mbola tena tia fa miezaka manadino fotsiny, fa ra izaho no eo @ toeranao de miala nenina alo fa sao de mbola mety hiova izy.Tsy haiko ra efa fantany fa fantatrao hoe manana sipa afa izy, fa ra za no eo @ toeranao de omeo safidy malalaka izy na enao na ilay iray.
Anontanio izy avy eo na mbola tia na tsy tia intsony, mba hafa ihany mantsy ny mahalala zay tena ao am-pony
11. xxx ( 03/01/2007 09:02)
xxx>misy tiako hanontaniana an'ny xxx aloha hoe :misy zaza ve ,de miray trano ianareo izao ?
12. xxx ( 03/01/2007 15:31)
tsy mbola misy zazah dia izahay tsy miray trano koa . fa izy no mandalo matetika ao amiko dia androany izy niantso ahy tamin'ny téléphone fa tsy novaliako mihitsy ,
efa tratrako izy fa manana sipa ary efa saika nisaraka izahay nefa dia nampiresaka ahy izy dia toa nanaiky hifandamina aho.
miezaka ny hanadino azy aho izao, natomboko tamin'ny tsy famaliana ny antsony dia manomboka mitady namana koa aho mba hanadinoako azy miandalana satria ilay sec be tsy ho zakako.
tohano hatrany aho ry namana fa mankahery ahy ny torohevitra avy aminareo
raxxxnamana@aol.com
13. degree ( 03/01/2007 19:26)
ra xxx a!ny hitadiavana namana anie mba hifanohanana e! ka raha hampiditra blem indray tsy namana fa fahavalo koa ny tiako ambara dia ity : tsy lany manja ny eto antany ka manova haingana ise mba hanarian'ise ny eritreritra any aminy satria amiko dia tsy fitiavana izany ny azy io fa misy tanjona hiriny ny ao amin'ise ka rehefa lany mamy ise dia tsipainy amin'izay koa ny an'ise no ataovy aloha .De ho hitan'ise @ izay ny hataony.
14. xxx ( 04/01/2007 09:07)
xxx:

Mafy tokoa efa tia kanefa ilay olona antenaina mampifilafila .
efa eo andalana hisarahana amin'ilay olona nantenaiko hotiaviko aho, tsapako izany satria mangatsiaka izy, ny olana dia tratrako fa misy olona miaraka aminy, efa imbetsaka no nisy zavatra tsy mazava ataony,tamin'ny 31 dec dia nifamaly izahay, nisy teny marary nataony ahy;tsy te hanisy olana aho dia nandamina na dia hita aza fa izy no diso fa satria faran'ny taona dia tsy te hanome olana aho, ankehitriny dia miezaka aho ny hanadino azy tsikelikely, satria dia tsapako, izy anefa tonga mihaona amiko foana ary mangatsiaka be izy ka zara izahay raha miresaka,samy tsy te hanapaka avy hatrany ve izahay fa mandevona miadana ny fitiavana ? izaho manko nanjary narary fo ary tsapany io .Tsy maintsy hisaraka anefa izahay .Tohano torohevitra aho afahako miatrika ilay fisarahana tsy ho ela fa malahelo be ny foko .


Mitovy toetra @nao iany aho fa aza atao mataitra fa mandalo iany zvtr reetra,marina fa malaeolo azy iany enao,fa ataovy otrany tsy misy!Mitadiava namana!
15. kala ( 04/01/2007 12:56)
xxx > misaotra anao nizara dia courage foana na dia izany aza no miseho ê!

fa ity, rehefa hisaraka satria hita fa mihamangatsiaka ilay fitiavana dia dieny izao aleo mamoy avy hatrany toy izay mandevona fitiavana tsikelikely eo nareo roa

Zvt mety hitranga ny hoe aty aminao izy mandevona ny fitiavany (azafady an! tsy ataoko hamendrofendro anao akory zany fa tantara efa fahita eny ampandehanana eny) fa ary ambadika mamelona sy mitsoka ilay afompitiavany izy.:twisted:

Mety hisy zany nefa aza mieritreritra an'izany loatra fa mahalasa adala tsy fidiny eo.

Andeha hatao hoe "tanala very sampy, ka ny manova no mety".:wink:

Tsy manamaivana ny olananao zà fa efa mbô ela niainana ê!
"Raha fitia
no hankahia
Aleveno
Tsy ho heno"

Mahereza ê! Nefa "raha indray mandeha no manta vary, AZA alevina ny sotrobe"

:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-* Mivavaha fa Andriamanitra dia afaka manafosafo ny fonao maratra sy malahelo

16. degree ( 04/01/2007 17:25)
aiza kosa no nafosafoan'Andriamanitra anao eo e!ny namanao izay manome courrage anao ihany no manafosafo sy manoro hevitra anao mba hiara hamaha ny olona
Tanala very sampy manova ny mety ho izy,nefa sarotra ny miala ny mahazatra
Tsy dia manome tsiny an- xxx loatra aho fa sarotra marina anie ny mamono io afo-pitiavana io e! tsy azo vonoina @ rano,tsy azo vonoina @ Extincteur eny fa na dia POMPIER aza tsy mahafaty io .Fa ny saina no amboary re de ela ny ela de ho maty ihany io e:-$
17. bilakarenjy ( 04/01/2007 20:49)
Tanala very sampy manova ny mety ho izy,izay no nosoratan'i degree dia ahitsiko kely indray hoe : "tanala very sampy ,ka ny manova no mety ",hoy izy .

Fa tsara kosa aloha ilay kilalao teny soratanao ry kala ,fa very mihitsy i degree .

kala>tohanako ny hevitrao fa tena misy ventiny
18. fiderana ( 05/01/2007 14:57)
aza mbola misaraka izany ho'aho fa izany ny hatao hoe tia sy fitiavana , tsy ary ho fiadanana sy fanantenana tsy hita noanoa foana no hita fa mety ho fijaliana kely koa, sady ilay mahatsiaro tia misy fijaliana kely izay anie ka mba fahafinaretana koa ê!, dikany aza mbola misaraka fa mbola tia ianao matoa mitaraina:lol:
19. xxx ( 06/01/2007 14:48)
Misaotra anareo nanohana aho fa tsapako fa ny valiteny betsaka eto dia ilay hoe aleo misaraka satria tena efa manana olona tiana any izy ary tamin'izahay niady dia noroahany nefa ny andro faran'ny taona !
tsy nandeha aho fa nialatsiny aloha , naleoko nifona na dia tsapako aza fa mafaitra be ny nataony satria hoa aiza irery amin'ity andro faran'ny taona moa aho izaho tsy nihomana ny handeha any amin'ny toerana hafa fa tany aminy no nandehanako mba hoe miaraka izahay..
ny tsy maintsy ataoko dia manadino azy, ny olana dia nisy volako betsaka tafiditra tamin'ny fanavotana azy sy ny fianakaviany nefa dia tsy haiko io na haveriny na tsia.
ny peratra nomeny ahy aza moa dia nalainy sy mody nataony hoe aiza hamboarina nefa izahay vao avy niady asa koa izay dikan'io fa dia nomeko azy ary tsy manantena ny hiverenan(io peratra io intsony aho.
raxxxnamana

20. booboo ( 06/01/2007 14:59)
ny olana dia nisy volako betsaka tafiditra tamin'ny fanavotana azy sy ny fianakaviany nefa dia tsy haiko io na haveriny na tsia


refa nomena dia nomena f'aza manome tsy foifoy zany. Na haveriny na tsy haveriny, aza atao olana f'efa nomenao hanasoavana ny hafa.

peratra nomeny ahy aza moa dia nalainy sy mody nataony hoe aiza hamboarina nefa izahay vao avy niady asa koa izay dikan'io fa dia nomeko azy ary tsy manantena ny hiverenan


Dia maninona anefa zay mety ho dikan'ny nangalany azy any ? tsy mihatra amin'aina na lasany aza donky aza ivakiana loha zay dikany any.

Vaovao ny taona, dia ovay vaovao araka zay koa ny tantara e !

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9597