Porofoy fa mamim-bahoaka ny filoha

1. newyork2007 ( 28/12/2006 10:17)
Raha ny fifidianana teo no jerena dia toa matahotra ihany ny tenako ny hilaza fa mamim-bahoaka ny filoha Ravalo satria tsy manerana ny nosy izy no nibata ny fandresena,ohatra fotsiny hoe ny fahareseny tao Toliara manoloana an'i Lahiniriko!
Faharoa dia toa nivoaka sempotra ihany izy na dia 1er tour aza satria Candidat na ny marimarina kokoa dia olom-baovao eo amin'ny sehatra politika no nilatsaka ary mpifanandrina natahorana toa an'i Rolland Ratsiraka sy i Lahiniriko izay nitana ny laharana faharoa sy fahatelo .
Raha nilatsaka teo moa i Pierrot dia mino aho fa nitsapa ny kihony i Ravalo.
Mba tia resaka politika ihany ny tenanay ka mba lazao amiko hoe tena may hoditra amin'ny vahoaka malagasy ve io rangahy io ary inona no fampanantenana azon-tsika andrasana amin'ny 5 taona hitondrany manaraka .Mety ho lasa lavitra ve i Madagasikara.Za aloha manahy fa mety ho sens contraire ny zavatra hiseho!
répondu par bonazy le 30/12/2006 21:17
2. Fiffi ( 28/12/2006 11:50)
Matoa izy no lany teo de midika ange zany hoe tian'ny vahoaka izy eh !
Heritrereto aza ohatra hoe i Lahiniriko na olon-kafa no lany teo fa tsy Ravalomanana ! de midika koa zany fa tian'ny olona izy !
RAVALOMANANA Marc 2 430 489 54,80

LAHINIRIKO Jean 518 084 11,68

de mba jereo kosa ange ny elanelan'ny % eh ! Ary fa nga kosa de hoe raha hoe resy izy tany Tuléar de midika inona zany ? ny valiny farany no jerena fa tsy hoe kely vato izy tao an....de hoe raisina hoe tsy tian'ny olona na mamim-bahoaka ? :roll:
3. Bocassa ( 28/12/2006 13:04)
Marina mitsy ny voalazan' i newyork2007. Tsy hisy fampandrosoana vanona eto satria fanenjehana sy famotehana olona no tena manjaka. Voavidy vola fotsiny ny ankamaroan'ireo tambanivohitra tamin'iny fifidianana iny. Maro ireo fanerena ny mpiasam-panjakana hanaiky ny fitondrana. Tsy mamy hoditra amin'ny vahoaka mihitsy raha iny filoha iny no jerena. Aleo mangina fa raha mitabataba eo mantsy dia hosamborina ndray. Tsy misy demokrasia eto Dago hatrizay nitondran'io président de la rue publique io. Ho hita eo ny tohiny re olona fa aleo hanao a! Mbola ho avy ny anjarany.
Marihiko tsara fa tsy mpanohatra aho fa mpitsikera. Misaotra anareo namaky ary manantena aho fa ataonareo am-pahendrena koa ny valin-teninareo.
4. agoago ( 28/12/2006 13:20)
Tsy nisy miteny andra8 mamimbahoaka izany, Filoha Kim il sung no nahazo izany anarana izany.
Koa izay no lalàna koa, izay mahazo ny salan'isa mahery ny antsasaman'ila no maharesy, na iza na iza ta@ izy 14 mianadahy.Tanatin'ny 14 ianao no tafavoaka naha dépasse ny 50%! tena tsara vintana izy ny fijeriko azy.
Sonnerie ho azy kosa anefa ny hoe efa kely sisa tsy ho antsasaky ny vahoaka tsy nifidy azy, ka tokony hitandrina sy hanitsy ny fitondrany sy lalany izy.
Koa izy ary no efa lanin'ny vahoaka izao, inona no azoanao atao eo.
5. simplex ( 28/12/2006 13:24)
mamim-bahoaka:
Ny tena marina aloha dia izy no lany e. Tsy haiko na mamim-bahoaka zany na tsia 8) zany hoe ra oharina @ olona ambiny dia izy no mamim-bahoaka indrindrindra satria izy no nahazo vato be indrindra ary mbola nahazo mihoatra an'ny atsasa-manilan'ny vaton'ireo izay nifidy.

Mamim-bahoaka noho izy ve i Lahiniriko ozy nareo satria resin'i Lahiniriko izy tany Toliara? asa tsy haiko, zay tsy any Toliara zany tsy vahoaka ? iza tsara moa no tena niteny hoe mpanavakavaka :-w

Pierrot Vs Ra8:
Scenario tsara be saingy tsy nitranga ilay film. Izy kou fetsy kou hahaha.

5 taona manaraka:
refa tsy manao kitoatoa izy,
refa mandray ny andraikiny (sy manana hazon-damosina) ny minisitra isany, ny tompon'andraikitra isanisany,
refa miara-miasa sy miray hina ny vahoaka sy ny mpitondra,
refa tsy manangana instabilite ny mpanohitra,
refa manao control tsara ny mpanohitra,

dia misy ny antenaina. Tsy hisy miracle eo aloha fa na izany aza, mandroso tsikelikely tonga ihany ny farany :-*

6. xxx ( 28/12/2006 13:26)
Tsy vintana fa safidim-bahoaka e. Na iza na iza anie mitondra eo tsy hisy ny lavorary e. Fa dia hajaina ny safidim-bahoaka ary mfiaraha-misalahy amin'ny fanohizana ny lalana izao imasoana. Manana ny anjarany ny filoha fa manana ny anjarany koa ny vahoaka. Hanjaka hatrany anie ny fahamarinana.
7. Fiffi ( 28/12/2006 13:34)
safidim-bahoaka....
8. bonazy ( 28/12/2006 18:50)
matoa izy voafidy dia izay no safidin'ny vahoaka ,izay naneho heviny sy ny safidiny tamin'ny alalan'ny fifidianana,izay fotsiny dia efa ampy anomezana porofo fa mamim-bahoaka ny filoha Ravalomanana.Fa ny mifanohitra amin'izay amiko dia resabe fandanian'andro sy fandrebirebena saina fotsiny, satria resakin'ny mpandalina sy ny mpanatsikera nefa olona tsy mandray andraikitra fa mpanao resaka ambony latabra tsy miteraka vokatra ho an'ny firenena fa fandotoan-doha fotsiny.
9. Fiffi ( 28/12/2006 18:59)
bonazy:
matoa izy voafidy dia izay no safidin'ny vahoaka ,izay naneho heviny sy ny safidiny tamin'ny alalan'ny fifidianana,izay fotsiny dia efa ampy anomezana porofo fa mamim-bahoaka ny filoha Ravalomanana.
zah mba gaga ! raha tsy voafidy sy lanim-bahoaka ve izy tsy ho mamim-bahoaka ?


10. xxx ( 28/12/2006 19:35)
Ny fifidianana filoham-panjakana dia manahirana hatrany na firenena aiza na aiza.
Tany etazonia izao raha tsy diso ny tadidiko dia am-bividra ihany no nahalany an'i bush.
Ny an'i bocassa tao centrafrique t@ fitondrany moa dia tsy lazaina intsony satria tsy nisy fifidianana fa didi-jadona.
Tsy nahasakana an'izao tontolo izao "nanaiky" azy ireo anefa.( Misy aza ny mbola mitondra ny anarany na resaka pseudo fotsiny aza :D )
Tsy misy ny mamim-bahoaka raha resaka politika no lazaina fa resaka safidy tsotra ihany . Izay olona tsapa fa mety hitondra fanantenana hanatsarana ny fari-piainana no lanin'ny maro na dia tsy mamihoditra aza .
Momba an'i pierrot tsy misy afaka milaza na nahatoraka an-dra8 izy na tsia. Raha tsy nilatsaka koa i herizo dia mety nanofy nahazo vato betsaka an'eritreritra ny mpomba azy. Fantasme hoy ny vazaha
I ra8 aloha izao no hitondra ny fanantenam-bahoaka mandritry ny 5 taona indray ka samy tokony hanao ezaka hitsikera mitondra vaha-olana fa tsy manao alahelom-pifidianana intsony
11. xxx ( 29/12/2006 13:17)
Valin-kafatra ho an'i bonazy sy fiffi:
Aza miseho milay ry zandry a! Miseho ho ravalomananistes fotsiny lisany. Tsy eto mitsy akory no hanaparana ny maha-adala an'ny lisany a! Fantatro tsara anie nareo reo e! Ataovy ihany raha te hahita angano. Samy màzana zao. Hevitry ny tsy mpanara-baovao ny an'ny lisany. Ajanony any fa mahakamo. Ny candidat tohanan'ny lisany tsy mahay ninoninona akory. Dibera no mba hainy. Président mpanidy fiangonana! Hatramin'ny oviana no nisy an'izany teto?? Sa rehefa hidiny koa ny fiangonana sy ny lava-tranon'ny lisany vao hanohitra?? Mba misaina ry zandry vao mitabataba ty vava a! Sao hahita loza eto. Aza miteniteny foana eto fa mpampihorohoro daholo anie ny aty e! Miforeta amzay!!!
12. lapino ( 30/12/2006 10:51)

xxx:
Aza miseho milay ry zandry a! Miseho ho ravalomananistes fotsiny lisany.
Izany hoe:

ravalomananistes = milay :wink:8)
13. xxx ( 30/12/2006 10:54)
xxx:
Aza miteniteny foana eto fa mpampihorohoro daholo anie ny aty e!
ny aiza io? :b
14. bonazy ( 30/12/2006 21:17)
Miala tsiny aho r'ilay xxx fa mbola tsy nanambany na nanao tsinontsinona ny hevitr'ialaha ary nareo izany koa ange ry xxx tena olona miseho mafy be sy mampihorohoro é! fa mba iza hono nareo zany ? no dia tena miseho manindry sy be taim-bava ,nefa izahay mba milaza tsotra ny hevitray!!,tsy ampianarinao ny hainay atao koa izahay ry sakaiza xxx,ka mba ahitsio kely ny soratra atao ry zandry!!! fa na inona na inona tadiavinao vonona koa ny aty fa aza mba izaho no ampitahorinao MERCI
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0718