Aza manome ahy alahelo na harena

1. zozefa ( 26/12/2006 14:26)
"Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy; Fandrao, raha voky aho, dia handa Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran'Andriamanitro." Ohabolana 30:8-9


"Ne m’envoie ni pauvreté ni richesse. Donne–moi seulement ce qu’il me faut pour vivre. 9 En effet, si je suis trop riche, je peux te trahir en disant : "Qui est le SEIGNEUR ?" Et si je suis trop pauvre, je peux devenir un voleur. Alors je ne respecterai plus le nom de Dieu." Proverbes 30:8-9

répondu par jentilisa le 02/01/2007 08:52
2. Achia ( 27/12/2006 09:32)
:-D nefa ne @ zao ry Zozefa maro ny olona mivavaka mba ahazoany harena e!
3. prime ( 27/12/2006 12:07)
Ny fahazoana harena ve no tena olana eto, sa ilay fandavana an'Andriamanitra?...:wink:

Toa sady tsy ilay harena no tsy ilay fahantràna fa ilay fandavana Azy sy ilay fandikàna ny sitrapony kanooo...
4. booboo ( 27/12/2006 12:43)
Ne m’envoie ni pauvreté ni richesse. Donne–moi seulement ce qu’il me faut pour vivre. 9 En effet, si je suis trop riche, je peux te trahir en disant : "Qui est le SEIGNEUR ?" Et si je suis trop pauvre, je peux devenir un voleur. Alors je ne respecterai plus le nom de Dieu." Proverbes 30:8-9



ahan...eka ouz !
5. kolo ( 27/12/2006 13:03)
Tsy azoko e .
6. prime ( 27/12/2006 13:40)
Ny fahazoana harena ve no tena olana eto, sa ilay fandavana an'Andriamanitra?...

Toa sady tsy ilay harena no tsy ilay fahantràna fa ilay fandavana Azy sy ilay fandikàna ny sitrapony kanooo...


Mirakitra fahendrena lalina ny boky tonon-kira toy itony Ohabolana itony ka mila fitandremana lalina tokoa ny fandraisana azy...
7. Ilo ( 27/12/2006 14:05)
Mitovy @ lay ao @ vavaka nampianarin'ny Tompo hoe "Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay"
8. prime ( 27/12/2006 14:17)
Ilo> mitovy hevitra tanteraka ny tenanay...
9. soleil ( 28/12/2006 06:49)


Andriamanitra de mahalala ny toetrantsika tsirairay avy noho izany Izy ihany ny mahafantatra ny toerana mety ho antsika satria raha manana isika hanadino Azy , mahantra manome tsiny Azy fa ankino Aminy mandrakariva foana ny fiainanao fa Izy mahalala ny mety aminao
10. xxx ( 28/12/2006 07:44)
marina ilay voalazan'ny soleil, fa ny mahalasa saina de hoe: raha miasa adiny 7 aho androany, mety ho ampy ahy tsara io androany (ampy andoavana ny ilaina rehetra androany), nefa nomena alalana aho hanao heures suplementaire, de mihoatra ny sahaza indray io, de inn zany ho hataoko, nefa rafakapitso koa aho mety harary???? ............de ahoana ny retraite-ko? de aiza le hoe mitsinjo vody andro merika, sa tsy philosophie kristiana ny mitsinjo vody andro merika??
11. prime ( 28/12/2006 09:11)
xxx> tsy resaka filôzôfia fa resaka finoana ny an'ny kristiana hoe Andriamanitra efa mahalala ny sahaza ho an'ny tsirairay dia izay no angatahana Aminy...
12. niryna ( 01/01/2007 21:51)
Aza manahy ny amin\'ny ampitso, fa aleo ny ampitso hanahy ny azy.Raha mahazo supplementaire ianao dia ataovy toy izay vola miditra ao aminao koa ny raki-pahasoavana omenao azy ary azadino ny misaotra sy midera an\'Atra.Ny anay ao am-piasana dia mivavaka mihitsy izahay rehefa mahazo vola amboniny ny mpiasa.Tsy amin\'io ihany anefa fa mba tiako ho fantatrao fontsiny fa mivavaka mihoatra izany izahay isan\'andro.Tsy mijery ianao hoe anaovan\'ny pasitera izao io izao,sns. Tsy mitsara izany fa manome am-pifaliana.Andramo anie fa misy fahasoavana hafa foana mitobaka ao aminao.Ny mitsinjo ny ampitso indray dia izay hanina hoanintsika sy ny fiainan-tsika satria io dia zavatra saro-pantarina.Izany akory tsy midika hoe aza manangona ny ho avinao.Ilay fitiavan-tena mihitsy izany no tena alana,mahaiza mianatra mahalala-tanana.Io raha tsy ny fo mihitsy no miova dia toa sarotra koa
13. ikaretsaka ( 02/01/2007 04:44)
ny ampitso ve no eritreretina nefa ny androany tsy vitanao tsara akory?
14. jentilisa ( 02/01/2007 08:52)
Malala-tanana no fanoratra azy ka! malalaka ny tanana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0483