Madagascar/Cote d'ivoire:zakantsika ve?

1. ronaldo09 ( 25/12/2006 11:34)
Amin'io taona 2007 (marsa izy izay) no hihaona ao Mahamasina (Antananarivo )ny Elefantan'ny Cote d'ivoire sy ny Barea de Mada .
Hoy aho hoe :manana fanantenana ve isika Mpitia baolina fa handresy an'i Cote d'ivoire?
Raha resintsika manko ry zareo (enga anie) dia hahoraka eran-tany ny lazan-tsika satria nandresy ekipa anisan'ny sangany ao Afrika toy ny 0-0 nifanaovantsika t@ Nigeria teny Alarobia ny taona 2000 .
Raha sanatria ary ka resy dia mba ho firy no isa eny amin'ny solaitraben'i Mahamasina?
Dia mba ataovy hoe ny vinavina satria tamin'ny lala nifanaovantsika tamin'ity ekipa ity dia resy tao amintsika isika 3-1 ary tany Abidjan dia resy t@isa mavesatra 6-0.
Dia amin'ity ho zakan'ny Barea ve ny Elefanta?
Ny ahy aloha dia vitantsika 2-0 ny Ivoriana (moraly io an )ary alefaso hoe ny vinavinanareo?
répondu par nikita00007 le 24/03/2007 17:27
2. bazylou ( 25/12/2006 13:07)
tsy ho 22-0 indray ve io!!! iza ko ano hanohana an'ireo , ny federation aza ilaozay miady seza ao amin'ny ministera!!
3. jentilisa ( 26/12/2006 06:19)
Ilay izy aloha tsy misy mnzntena fandresena izany ny mpijery mahazatra fa mampirevy no atao e! mpijery eny aho manko! sady mba hijery mpilalao malaza e!
4. Achia ( 27/12/2006 09:39)
Ka raha manantena fandresena anie dia efa tokony izao dia efa manomana sy mifidy mpilalao e! aiza ve ko olona efa teo taloha foana no atao eo! mba tetezo i M/car angalana mpilalao e!
5. miarina ( 04/01/2007 14:11)
Izaho manantena fa farafaharatsiny match nul sinon mandresy isika.
Toa hitako mitady hiomana mafy ny ekipa gasy sy ny joueur gasy aty ampita (aza manantena ihany koa fa alefany Ci any daolo ny joueur mahay retra ... mety hi sous estimé ry zareo mantsy)
6. ikaretsaka ( 05/01/2007 05:38)
hisy sous estimation goavana aloha io e
7. newyork2007 ( 06/01/2007 13:20)
Za koa aloha mino fa tsy ho tonga ry Drogba amin'io!Enga anie !
8. xxx ( 07/01/2007 16:50)
Fa i drogba no inona e ? asio defansa miazakazaka tsara fotsiny mitana azy de zay , aza mba mora maty lolo izany hoa
9. ronaldo09 ( 09/01/2007 12:39)
Za leitsy manaiky an'la ry xxx a!Marina izany!
10. xxx ( 10/01/2007 17:48)
za letsy ronaldo mbola mikitrana hatramizao a! fa efa vetera e! fa ny hitako @ mpilalaontsika koa dia ohatry ny tsy vonona izany sady mora matilolo tsy ampy tanjaka tsy ampy soudure (firaisankina) io koa mbola lesoka ahitana io faharesena lava io
11. ronaldo09 ( 11/01/2007 12:24)
Ny olana ange dia izay lazainao izay e!Maty lolo,vao maheno anarana dia miforitra .Ohatra fotsiny M/car -Nigeria dia ry Kanu sy Ococha no eritreretina fa tsy fandresena nefa tamin'iny tena zakantsika tsara ny Nizerien!
12. Razouzou ( 13/01/2007 11:38)
laniny tsika reo ra ronaldo:D .firy taona izay no mba nakany gasy fahaleovantena azo ihany koa maika fa zay ivoirianina kely ery:-w na drogba na kalou na izy io tsy maintsy maresy sy tafa sika amin'ny CAN2008
13. xxx ( 14/01/2007 17:37)
de ampitao any @ ndry zalahy mpanazatra sy mpilalao ary zany môraly ambonintsika izany e!
14. Ysag ( 25/01/2007 09:59)
Salama ry gasy ôtra ahy

ny ahy tsotra e tsy mifanina intsony ny amateur sy professionnel e!! ka
1- Resy isika @lafiny ambony latabatra (pro sy amateur)
2- Mahaiza mankafy na resy aza satria ireo no antsika (par leurs moyens e)
3- Na bitika aza rehefa maianatra mandresy e ( Preuve Barça Iniesta, Giuly, Saviola, messi) ka aleo hatsahatra le hoe mitady glady tsy hamokatra e.
4- Aleo hiroborobo anie ny Akademy, Ajesaia sns mampiofana mampianatra boay kely misy foto-drafitr'asa de ho hita eo fa adino @zay ry Dezy monstre sy ry claude kely e

Manaja e
15. ronaldo09 ( 24/03/2007 12:39)
Rahampitso le lalao ry zareo a!Zao fotsiny vitantsika ireo .Drogba ve dia mba ho aiza sady Lampard tsy ho eo amin'io hanome pasy azy,Kolo Toure,i JS Park aza tsy lanin'ilery!
Madagascar 2-C-Ivoire 0
16. nikita00007 ( 24/03/2007 17:27)
marina zany ronaldo ah 2-0 Amen
allez barea, mandeha cote d'ivoire
:^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4482