Filoham-pirenena

1. ronaldo09 ( 25/12/2006 11:10)
Dia raikitra izany fa nandresy tamin'ny isam-bato 54,79% ny filoha am-perin'asa,amin'ny maha demokraty ny tenako dia manaiky iny fifidianana iny aho na dia azo iadiana hevitra tsara aza.
Faly ihany koa aloha ny tenako satria nitana laharana faharoa ny kandida notohanako,ny tiako ho tenenina dia izao:
Ho sambatra isika ary hiadana isika ,arahabaina fa lany indray ravalo.Vavaka tsotra anefa no andeha ho hiraina :hatontosa ny zava-drehetra nampanantenaina.
Manomboka izao dia hahalana ny fandraisako anjara eto am'ity sehatra politikan'ny sirasira ity fa any @fanatanjahantena no hiseho lany matetika!Fa raha vao misy azo anakianana fotsiny dia iny aho no tazana miaraka amin'ny angady sy ny harona.
DIA HANAN-KARENA DAHOLO IZAY REHETRA MAHANTRA FA LANY RAVALO ,ENGA ANIE.
Dia ho anareo mpanohana (hery,lagoon,fiffi,fijo....)dia mba tsarovy izahay raha vao lasa minisitra ianareo!!!!
répondu par xxx le 18/01/2007 12:20
2. hery ( 25/12/2006 23:09)
Raha lany teo ve Lahiniriko dia nanantena ho lasa minisitra i ronaldo?

Toa izany koa, tsy manantena ny ho lasa minisitra izany... kanefa hotsaroana foana i ronaldo kah.

Dia hoy koa aho hoe, aza miandry zavatra hokianina fotsiny. Tongava koa manome sosokevitra. Izany no ilaina. Aza faly ny hanakiana izay tsy mety fa mitadiava vahaolana hampety izay mitady tsy ho tsara.
3. bazylou ( 25/12/2006 23:14)
dia hoe manomeza sos kevitra dia milay fa izany no ilaina!! ts fa angaha moa hisy andray ny soso kevitra sy nyhevitrao eo?? tsy izay saim patany ihany ve no ataony e??!! tssssssss
Na hanome aza ianao tsy hisy hijery anao eo!! izay ianao vahoaka ery ve..
4. rabaradaka ( 26/12/2006 08:36)
Fa iza avy ny ho ministra e !
5. xhavier ( 26/12/2006 09:34)
Aza de marary fo ry Ronaldo09 aza ampiarahina ny fo sy politika fa mahafaty eeeeeeeeeee!Manaraka an'izany tsy hoe akory rehefa manohana olona iray dia hitady seza na fitadiavan-karena foana fa fanehoan-kevitra anie no atao.Fitiavan-tena izany ry Ronaldo09 a!Raha i Lahiniriko ve no lany teo na ny hafa dia azo hinoana ve ny hiovan'ny fiananao ry Ronaldo09.Aza mora adalain'ny mpanao politika re.
6. lagoon ( 26/12/2006 17:02)
:-D:-D
Izaho aloa dia tsy nanantena ho ministra e.Ary tsy mitady toerana na seza izany.
Sahaza ahy ny asa ataoko ary mahafinaritra ahy.
Izay aloa fa tsara ilay fair-play e.Dia mba hovay ny stratégie @ 2012 raha mba manantena ho ministr'i LahinIranien ianareo.
7. xxx ( 18/01/2007 12:20)
R:resy
O:olon'i
N:nenina
A:anana
L:lavaka
D:dnà
O:oainina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0589