Mangataka tonokira e

1. Geomer ( 09/12/2006 00:14)
Ny tonon'ity hira ity no mba angatahako amin'izay manana azy e.
Ny lohateniny : Volan'ny kamboty
Ny mpihira : Ny Railovy
Dia misaotra é !
répondu par tslem le 09/12/2006 11:40
2. tslem ( 09/12/2006 04:20)
Iny volana iny,tazanay manarangarana eo
fitambaram-betsovetson'hafaliana sy tomany
volana mitranga,eo am-baravarakelinay
tsy hitafàna fifaliana fa mamoha ny fahoriana
any ho any anefa, izao rehetra izao mahita anao e
volana ô ,lazao! lazao! fa ny eto mitalaho
rehefa ampy izay ,ilaozy ny varavaranay
avelao ho maizina eto ny torimasokelinay.

Ny Railovy

tsy haiko na ampy izy io na tsia fa mba ampio izay mahay raha sanatria tsy feno e!
3. Fiffi ( 09/12/2006 06:07)
ampy akia io an ! :)
4. Geomer ( 09/12/2006 09:18)
Tena misaotra an'i Tslem amin'ilay tonon'ny Volan'ny kamboty. Ataoko koa fa ampy tsara io.
5. tslem ( 09/12/2006 11:40)
fiffi:
ampy akia io an !

sûr njy an,:wink:
Tena misaotra an'i Tslem

tsisy sôrana e:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0342