Ny tena mpanankarena no tena mahihitra!

1. lemenakely ( 05/12/2006 09:45)
Asa ianareo raha mahatsikaritra fa matetika dia ireny mpanana ireny no tena mahihitra !asa qualité ve ilay izy sa défaut fa dia mahavariana ihany !
répondu par dadie le 01/03/2007 14:17
2. simplex ( 05/12/2006 10:49)
@ zavatra tsy ahazoany tombony (mahafapo) ihany izy no tena mahihitra ka.

qualite io @ resaka fitantanana, sans etat d'ame ozy, fa ra resaka mpinamana sy hoe fianakams mety hoe tsy dia tsara loatra (tsy mande ra :oops:). Satria tsy mahavita tena na dia manam-bola be tahaka ny in aza. Ra misy ny fahoriana, tsy maintsy hitotototo @ havana ihany anie e...
3. Fiffi ( 05/12/2006 10:52)
fa tena mahagaga fa marina io an ! mahafantatra olona zay zah fa tena manana izy an ! nefa de kahidy tsss ! tsy mba mandeha vakansy zany ! asa re atao inona aza le vola e ireo ?
4. sasa ( 05/12/2006 10:55)
tena marina mintsy io aloha e! ary marina io lazain'i simplex io, nefa tsy afaka hilevina hiaraka am vola anie
5. pissoa ( 05/12/2006 11:29)
Izaho mahita hoe tsy dia mahihitra zany ny mpanankarena ka ! Matetika dia ny tsy mpanankarena no manantena be loatra avy aminy, dia rehefa tsy mahazo an'iny dia hoe miteny kahihitra :) Tsy voatery hoe nangataka akory, fa ohatra fotsiny oe misy asa soa ireny dia ny olona hafa indray no mamaritra mialoha ny vola tokony arotsaky ny heveriny hoe "mpanankarena". 100Ar koa ve tsy ananan'iny fa kahihitra fotsiny ... Nefa nga efa nahita ny poketran'ilay olona sy ny zavatra kasainy atao amin'ny volany ? :lol:

Mazava ho azy, tsy maintsy misy ny "maningana" na amin'ny mpanankarena na amin'ny tsy mpanankarena.
6. booboo ( 05/12/2006 11:34)
@ zavatra tsy ahazoany tombony (mahafapo) ihany izy no tena mahihitra ka.


ie...
7. Imahaka ( 05/12/2006 12:25)
miombon-kevitra amin'i pissoa.

menakely> ahoana ny fisehoan'ilay hoe mahihitra?

Ny manodidina mazana refa mahita olona heveriny ho manana dia ny mindrana sy ny mangataka. Ka raha omena fahafaham-po jiaby ny olona io dia inona intsony no ohanina ao an-trano?

Fiffi> tsy hoe refa mpanankarena dia tsy maintsy mandeha manao vacance fa mba manana ny programa hampiasainy ny volany izy.Rehefa tena misy ny vola dia ny hanao investissement no tonga ao an-tsaina voalohany vao rendrarendra sy fahafinaretam-piainana izay manaraka ho azy.

sasa> omeo ohatra

vitsy ny mpanankarena manadino havana izany, fa ny fiaraha-monina mitsy antsika no mora mihataka raha misy olona heverina ho manana. Manao ory hava-manana. Dia ilay manana no lazainy fa tsy hitampitakosina aminy.

Samy mahita ny fijeriny ny fiainana e!
8. andry08 ( 05/12/2006 12:37)
mitovy @ teo aloha ny hevitro(Imahaka), ny antony dia ny manana dia manao investissement aloha (légitime io an!), ny manana no mandoha "impôts" be indrindra ka inona ny olana ? Manampy @ izay azo hatao nefa tsy maintsy koloina koa ny vola mba hiteraka ka hahafahana manampy ny havana na namana avy eo!
9. Samoana ( 05/12/2006 16:16)
-Ireo nikely aina vao nanankarena tsy kahihitra satria mba te hanampy sy hanome tosika ( coup de pouce) ny hafa . Tsy tiany anefa ny manome ireo mpangataka tsy te hisasatra

-Ireo nanankarena t@ fomba tsy mazava no anisan'ny tena kahihitra satria matahotra sao hanana eo koa ny hafa ka hatanjaka kokoa

- Ireo nanankarena t@ fanaovana loto indray tsy (mbola)haiko...fa tantaraiko anareo eny ihany rehefa mipoaka ny chiffre fanaoko:D
10. Fiffi ( 05/12/2006 16:24)
Ka zao ange no mahagaga ahy an ! mahafantatra olona zah tena manana mihintsy ry zareo ! de ny sakafo ohatra de tsy mba manao :
-extra

-tsy mba mivoaka (vakansy , soirée , lanonana sns..)

-ny télé efa hantitra hiany ary alohan'ny handefasana azy de tapehana aloha raha tsy zany de tsy mivoaka ny feo

-manao lisitra be ery rehefa manao commission ary tsy misy zavatra hafa vidiana afatr'zay voasoratra anaty lisitra

Fa hatao inona aza reo vola be ireo ? sady placéna le izy de misy zanany isam-bolana ....
11. mimich ( 06/12/2006 07:34)
miombon-kevitra amin'i samoana zaamin'iny lafiny iny
12. naughtyboy ( 07/12/2006 13:13)
reny kahidy reny nefa manakarena de tsy afaka mitatana ny fiainany fa tantanany vola ny fiainany nefa samy manana ny tiany io
13. kally ( 07/12/2006 17:44)
Nahoana ary ianareo no mandany andro mivaky loha amin'ny fiainan'ny olona e? Aleo ho azy ny hahihirany sy ny karazany...izay fomba hahampanankarena izao no tokony hiadian-kevitra :roll:
14. xxx ( 08/12/2006 09:40)
ohatra ny tsy tiako izany ity hevitra ity fa tsy haiko ny antony
15. Fiffi ( 08/12/2006 09:43)
angamba hoe mitsikera ny fiaina'olona ?
16. naughtyboy ( 12/12/2006 01:53)
zv misy zany fa tsy tsikera kory ry akama isany fa tsy hisy ilaza antsika e to na 1 zay mety mampanakarena satria mety anakarena tampoka eo daoly de tsy misy tsony ny mahantra.
17. dadie ( 01/03/2007 14:17)
tena marina mihintsy io ka ry zareo ze ampitombo ny volany iany no tadiaviny nefa koa ny mahantra d misy ireo zay tsy miezaka fa miandry atolotra fona koa anefa ,ao an tananarivo iarahamahalala ny ao fa ny itako sy ny mampalaelo d ny any Sainte marie ny tany lehib nefa ry zareo tena miankina b loatra am touristes ,ny hotely am ankapobeny any vaza na sinoa ny gasy manarato hoan'ireo hotely reo na asa madinika nefa ny tany betsaka ny toerana na efa lafo am vaza v zay no tsy fantatro...;ny mahafinaritra any drat d ny ankizy mpangatabola tsy vola no angatahiny fa bonbon .....

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3091