Pety, manomana fanakorotanana sahady

1. Simpona ( 02/12/2006 09:37)
Nilaza hono i Pety tam faradoboka nataony tao am stade Fianarantsoa omaly fa hametraka barazy manomboka androany 02 desambra.
Notanterahiny tokoa ny teniny ka mamory olona eo alohan'ny stade izy izao. Milaza fa tsy manaiky ny valin'ny fifidianana izay vao hatao rapits.
Mbola tsy nisy nadatsa-bato akory dia hitady hanakorotanan sahady.
Izany ve ny olona mieritrerina ny ho filoham pirenena
:evil::evil::evil:
Ny ankamaroan'ny olona ao aloha izao dia jiolahimboto sy koaitra aby. Ny curieux manao tazan-davitra.
:twisted::twisted:
répondu par xxx le 06/12/2006 10:03
2. Rainikarabo ( 02/12/2006 10:12)
mbola tetika maizina noho io aza no tetehin'ileiry rahampitso
3. xxx ( 02/12/2006 10:17)
Tsy mbola mahilala sa mody tsy mahalala an Pety nareo zany. Efa mpitarika rotaka hatrizay izy, noho izany dia andry nilain'ny MFM. Ary d nankafizin-dRa8 koa rehefa niseho ny 2002.

D heverinareo fa hiova tampoka ve izy fa candidat? Tsy mahagaga ahy ny ataony. Ny fanontaniana mipetraka d hoe: sahy hiatrika azy sa tsia? Efa hatram teny Alarobia izy no tonga fofona (izay no tena nitsoahan'i Elia tao).

Toy izao ny fitantarana matavin'ny La Gazette anio:

Pety Rakotoniaina, " Hatao amin'ny fanaovana azy Ravalomanana "

Vahoaka sesehena no nanoina ny antson'ireo kandida miara-dia miaro ny ara-dalàna tao an-drenivohitr'i Fianarantsoa omaly zoma, izay notarihin'i Pety Rakotoniaina.

Raha ireo renivohi-paritany efatra nentanin'izy ireo izany, dia i Toamasina (talata) sy Mahajanga (alarobia) ary Toliara (alakamisy) sy Fianarantsoa (omaly zoma) dia ara-bakiteny ny hoe "samy hanao veloma an-dRavalomanana noho izy tsy te hanao fifidianana ao anatin'ny ara-dalàna".

Nifarana omaly tokoa ny fampielezan-kevitry ny fifidianana nefa ny tolakandro ihany dia efa nifanentana ny tao Fianarantsoa fa hanaisotra ny akanjon-dRavalomanana (tee shirt) avokoa. Hanomboka rahampitso (miantso ny anio) dia "hatao amin'ny fanaovana azy Ravalomanana", hoy i Pety Rakotoniaina. Ny dikan'izay, hoy izy, dia tsy hitsahatra intsony ny filaharana sy ny fidinana an-dalam-be satria nesorin-dRavalomanana aminay ny zonay tokony hifidy noho ny tsy nanoratana ny anaranay any anatin'ny lisi-pifidianana, ka tsy hanaiky handefitra amin'izany fanitsakitsahana ny zonay izany izahay.

Isan'ny nambaran'ireto kandida miara-dia amin'ny fiarovana ny ara-dalàna ireto koa, araka ny fitaterana nataon'i Pety Rakotoniaina, fa "raha te hanao fifidianana ny fitondrana Ravalomanana dia tsy maintsy manaja ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona mifamatotra amin'izany, saingy noho ry zareo efa ninia nanitsaka ny lalàna momba izany dia tsy azo avela hikarakara izany intsony".

Nohamafisin-dry Pety Rakotoniaina omaly tao Fianarantsoa fa "noho ny fitondrana Ravalomanana tsy manaja ny lalàmpanorenana amin'izao fifidianana kasainy hatao izao dia tsy azo ekena ny vokatr'izany, ary heverina ho toy ny tsy misy io fifidianana io".

Na tsy voatsidik'ireto kandida miara-dia miaro ny ara-dalàna ireto aza ny tany Antsiranana dia re avy amin'ireo komity isan-tokony mpanohana an'ireo kandida miara-dia fa "efa tapa-kevitra hanara-dia sy hanatevin-daharana ny hetsipanoherana ny fitondrana tsy manara-dalàna ny any".

Efa karazan'ny dingana ho amin'io fidinana an-dalam-be hanoherana ny fifidianana tsy ara-dalàna io koa moa ny famoriam-bahoaka nataon'ireto fiarahan-dia ireto teny amin'ny kianjan'i Malacam eny Antanimena ny alakamisy teo.

Ralay
4. Imahaka ( 02/12/2006 10:49)
loham-boto koa ry zalahy izany
5. jefra ( 02/12/2006 10:57)
Araky ny vaovao azoko avy any an-toerana d tsy mahazo olona ilay fihetsehana ataon'i Pety hatry ny omaly, notohizany androany. Resaka hatavizina izany ilay izy.
6. pissoa ( 02/12/2006 11:00)
enga anie mba marina ny vaovao azon'i jefra fa tsssss :roll:
7. jefra ( 02/12/2006 12:13)
Mifona am olona hono i Pety :-D:-D. Mifona fa nitarika azy ireo hanohana an-dRa8 tam 2002.

D betsaka ny olona no mihomehy fotsiny :-P:-P satria leo korontana.

Mety manao ratsy fijery be an'i Pety koa ny mpanohana an'i Herizo sy Ratsirahonana, manantena zavatra... Ary mety tsy ho raharahain-dRa8 ilay izy raha tsy efa dila ny 3 Dec (Raha nanohitohina ny tena... efa ho nampisehoany vangy). Polifika.

8. xxx ( 02/12/2006 13:41)
i ngetotra ve e zany izy hoe pete ko :-D:-D:-D ko raha tsy vendrana sy dahalo daholo ny olona koa nde ho taominla hanaraka ny lohandahalonla tssss manonofy atoandro , fa i nedala aloha de tsimaintsy hanakorotana e ! nisy vaovao henoko momba andrafidy koa androany fa mbola tsy sur aho
9. ainga ( 02/12/2006 13:53)
Ka raha ohatra moa ka mahazo vato marobe hono i pety @ 3 desambra io dia ho laviny ve ? Asa akory aza na nametraka bileta any @ kominina ihany ileio na tsia ! ahahahah lohamboto tsisy fotony:twisted:
10. vahatra22 ( 02/12/2006 14:07)
tsy hitako ze ilatsahany rehefa tsy manaiky le voka-pifidianana izy! jiolahimboto mihitsy iny! tsy mendrika hofidiana akory!
11. akama2006 ( 02/12/2006 14:13)
pety anie ka akamany ra8 be teo aloha e!tsy miteny afatsy pety fa avy eo lasa tsy manenjika afatsy i pety !ka raha lohamboto ihany nahona no nekena ilay lohamboto t@2001?????? tsy lozika anie izany!

izany hoe raha mahasoa ny tena dia tohanana fa raha tsia kosa dia henjehina?????

tsy misy etika nareo ry zalahy raha iznay!:roll::roll::roll::roll::roll:
12. bonazy ( 02/12/2006 14:31)
mahavariana ihany ireo mpanao politika gasy é!ary tena mampiomehy tokoa,satria ireo kandidà milaza fa tsy ara-dalàna io fifidianana 03 Déc io ary tsy arakan'ny lalam-panorenana hono,fa izy ireo vé jamba sa tsy mahay mamaky teny sa tsy takany loatra ireo lalàna mifehy io fifidianana io ?,"KANEFA IZY IREO MBOLA NIROTSAKA SY NANDOA NY VOLA ARY NANONTA BILETA ARY TENA MAHAGAGA KOA DIA NANAO PROPAGANDY"izany vé dia mba ho filoham-pirenena!!! sa kosa mba "TE HALAZA é NEFA TSY DIA MAHITA SEHATRA HAKALAZAINA TENA DIA MBA MANDANY VOLA é TSY RATSY ALOHA ILAY TETIKA AN! "te hampalaza tena fa tsy fanta-bahoaka tsy mahalala nefa efa hita fa mpanambaka sy efa namita bahoaka izao,na mba te halaza,ny sasany moa dia mazava fa te hanao loham-boto fotsiny,hanankorontana satria filana sotasota fotsiny no nirotsahany,ny tany aloha tsy ilaozana adala rey olona é!!!!!ka akory atao é!fa tokony alalahana ny eny TSIAFAHY SY NOSY LAVA ary ny eny amin'ny 18 amin'ny manaraka é!
13. besoiiin ( 02/12/2006 20:59)
akama>nisy paiso notangosana t@ 2002 nohanina ka tsara ery dia notehirizina ny ambiny, izao 2006 nojerena ilay paiso ka efa lo sy feno olitra b dia mbola ohanina iany v???:D:D


misy etika ianareo ry zalahy raha izany
14. akama2006 ( 03/12/2006 09:38)
ela no tena lo feno t...y mihotra ny hafa!misonenika nanao tsy omby vava tsy nahalala voky le sous h..ity!ka rehefa vita ny ady dia hoe mbay tany fa rasty fanahy! aza mba miala ao ihany anie, hitanla iznay hoe rtsssskssssss!:evil::evil:
15. besoiiin ( 03/12/2006 13:06)
akama>:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D fenoy tsara ilay mot fa tsy haiko e :-D:-D:-D:-D fa matahotra inona no tsy mamoaka ny ao ampo??? aza kanouss ny akama ôôô kalm iany sao sondrovaky ny paiso feno olitra e, burkkk....

in mou ilay sujet teo???
hatramizao alou dia milamina tsara i fianarantsoa, ho ita eo ny vary sy tsiparifary sy ny voankazo lou...
16. akama2006 ( 03/12/2006 14:00)
ary misy paiso misy olitra mamaly ato an,nefa tsy nolazaina an'arana dia mamaly !efa mahatsapa ho lo feno olitra angamba ka tonga dia mahalala hoe izy indray izao no resahina!tsara ,c'est bien!asiana ddt sy herbicide sisa dia vita ny aminy!:-D:-D:-D:-D:-D:-D
17. xxx ( 06/12/2006 10:03)
rehefa tsy mahita resahana intsony elà dia MANGINA!!! lesy ry akama2006 a na mijery ny ps là ary defa mampando, sady miteniteny foana tssss!! mbola aiza no hahazo anlà e!! hitanlà zany hilevimbelona izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0476