Maro ny zavatra tsy ara-dalàna eto @ tanàna nefa dia EKENA!.

1. lechiffre ( 25/11/2006 00:19)
Raha ny fandinihako ny zava-misy eto @ tanàna eto dia MITSAMBIKI-MIKIPY ny ankabeazan'ny olona àry dia minia manaiky fotsiny izay ataon'ny mpitondra na hita izao aza fa tsy mety!

1- lasa vola baoritra ny ariary aiza koa 50.000fmg na 1.0000ar lasa TOKANA
2-tonga izany atao hoe DELESTAGE izay t@ ity fitondràna ity vao nisy an'izany

3-sady filoham-pirenena(ara-pôlitika) no filohan'ny FJKM(ara-pivavahana) no lehiben'orin'asa.

4-zara raha mandoa hetra ny TIKO @ fanjakàna ary bodoin'ny TIKO sy ny MAGRO ny PPN ...miantoka ireo grossiste majinika..

5-raràna sy tapenam-bava ny gazety

6-etsy andaniny sasatry ny mandany volam-panjakàna ny mpitondra vidiana aéroplane ( boeing 737 air force 1 ,ATR 42..) vidiana 4*4 sy volkswagen bora sy passat efa an-jatony maro! izao koa mbola laniana @ propagande....

efa tena itsakitsahina an-tampon-doha mihintsy izany ny vahoaka e!fa dia manaiky ihany

MAHAGAGA !
répondu par rainy le 26/11/2006 00:52
2. bazylou ( 25/11/2006 02:25)
asakasaky ry zareo ao amin'ny tim io e!!!
3. Fiffi ( 25/11/2006 07:36)
lechiffre:
5-raràna sy tapenam-bava ny gazety

MAHAGAGA !
tsy mahagaga zany kah ! be loatra ny zavatra tsy marina avokany ! sady manakorontana fotsiny ireny !

4. sipagasy ( 25/11/2006 07:54)
Fiffi:

lechiffre:
5-raràna sy tapenam-bava ny gazety

MAHAGAGA !
tsy mahagaga zany kah ! be loatra ny zavatra tsy marina avokany ! sady manakorontana fotsiny ireny !

mmhhhhh izany ve kosa akia ry fiffi dia mba ho rariny?????, dia any amintsika aloha iznay dia ny gazety izay mikambana @ fanjakana na ny mpitondra fanjakana ihany no hanjaka e!!!!!! tsy hisy hahazo haneho ny heviny mihintsy tssssss sao dia hanao "Poutine 2" aza ilery kleeeee dia hanapoizina sy hamono mpanao gazety koa rehefa avy eo, mmhhh mampalahelo fa tsy mahagaga kosa e!!!!
5. Fiffi ( 25/11/2006 08:11)
sipagasy: ka tena misy kosa akia zavatra havokan'ny gazety tena tsy mitombona mihintsy ange eh ! Tsy ny gazety rehetra no ahitana an'zany fa tena misy mihintsy kosa aloha an !
Jereo fotsiny ange le hoe misy hotakotaka hono tany Toamasina eh ? nefa taiza koa no nisy an'zany ?
6. papounette ( 25/11/2006 08:46)
Ary t@ andron'i Ratsiraka nanao aôna?
7. xxx ( 25/11/2006 09:36)
fa nga reo sahy niteny t@ izany fa niforitra ohtra ny voalavo eo anatrehan'ny saka :-D:-D:-D
8. belaza ( 25/11/2006 09:54)
lechiffre a 50000fmg tokana ve tokana ve de ahagaga anlà? any andafy aza misy ny 500eur tokana, nefa efa efa ho 6000000fmg ngamba zany e?
ary taiza indray ny volapanjakana hanaovana propagandy eo? samy mamoaka vola ampaosy ny tsirairay, ary tsy adala ny malagasy maro anisa, mbola hifidy andra8, fa nenareo efa zavatra hafa mihitsy
9. Fiffi ( 25/11/2006 11:01)
papounette:
Ary t@ andron'i Ratsiraka nanao aôna?
hummmm.....zay indrindra manko!

10. rainy ( 25/11/2006 11:49)
Elaela ihany no nanarahako ny resak'i lechiffre teto amin'ny serasera; izao dia hamaly anao aho ra-lechiffre :
rehefa hitanao fa tena tsy mandeha daholo izay ataon'ny olona rehetra hatramin'ny repoblika voalohany ka mandrak'androany dia tsotra fotsiny no avaliko anao :
---ampiasao ny fahaizanao hitondra ny firenena dia ho hitantsika eo izay ho vitanao---
tsy i ravalo na ratsiraka na vatokely na zafy na ireo kandidà rehetra nisoratra anarana hofidiana ireo na iza no tokony hitondra izany fa ianao satria ianao no tena mahita ny zavatra tsy mety eto amin'ny tanana. Raha any ivelan'ny tanana ianao dia miverena mitondra ny fahaizanao, raha eto amin'ny tanana ianao dia mandehana miresaka amin'ny filazam-baovao rehetra ho ren-tany, ren-danitra fa ianao no manana vahaolana amin'izao fandehan'ny raharahampirenena izao.
11. lechiffre ( 25/11/2006 12:03)
rainy:

fa angha moa ny olona rainy tongo-bolo ka tapenam-bava ah! misy tsy mety ny ataon'ny mpitondra mata izahay mitsikera!
MIROTSAHA koa ianao ho jerena rah izany e!
12. rainy ( 25/11/2006 13:32)
Ny tsy fahaizako mihitsy no tsy hirotsahako ary tsy itsikerako izay olona nanao hatramin'izay. Tsy mba matin'izay hilaza sy hitantara ny zavatra tsy vitan'ny sasany foana no ataoko fa ny fanarahana izay zava-miseho ka arakarak'izay no itondrako ny fiainako; raha mahay hoatranao aho efa nilatsaka ho nifidina hatramin'izay.
Ianao mimenomenona lava izao hoe tsy mety itsy, tsy mety izaroa, ndeha milatsaka fa hifidy anao aho araky ny programa hoentinao manatsara ny fiainan'ny vahoaka. Ho hita eo raha mahavita noho izay teo hatramin'ny repoblika voalohany ianao.
13. Fiffi ( 25/11/2006 13:46)
:-D:-D:-D de hatramin'ny immatriculation'ny fiara koh ve de ho tsikeraina klé ! de inona indray ny manaraka ? ny kiraro mangirana be sa ....? :-D:-D:-D:-D
14. bazylou ( 25/11/2006 14:17)
ianareo izany rainy ilay mpanara drenirano fotsiny! eh beeeeeeennn
15. xxx ( 25/11/2006 20:43)
Rabazy ve tsy zokin'i zôzô kambana e ! ohatra ny olona fantatro izany nareo an ! ary nareo tena lasa mpanao pôlitika be mihitsy an !
16. rainy ( 26/11/2006 00:52)
mpanaradrenirano amin'ny inona moa no tian'i bazylou ho resahana momba ahy?
azavao tsara mba hahafahako mamaly anao amin'ny ara-dalàna.
misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0993