video tsara jerena fivavahana ao dago

1. kitjo ( 20/11/2006 12:24)

Mba asio maso ange ty fa mampieritreritra ihany!

le tapany voalohany

http://www.youtube.com/watch?v=ickwMlicjks
répondu par prime le 28/11/2006 12:55
2. Fiffi ( 20/11/2006 12:37)
heu...raha raisina matotra le izy de ....zany kosa ve no andeha hatao raha andeha ho any am-piangonana sy hivavaka ? ohatran'hoe tsy misy fanajazana zany ny fahitako azy ......saingy soahiany fa hatsikana sy hehy ...
3. dailynews ( 20/11/2006 14:30)
ilay famaritana ilay hoe sekta aloha raha amiko manokana dia fiangoanana manao fampianarandiso.( resaka lava be iny ary efa nandalo teto tsy hiverenako fa ny fandraisako azy io) Amiko izany tsy azo atao anaty fototeny be fotsiny fa ny fiangoana raha manao haleloia sy tsy mitovy amin ny fombafomba ny fiangonana traditionnelle dia sekta.

faharoa: fombafomba mpivavahana io, izany hoe ivelambelany fotsiny ihany. Raha manao ny fomba traditionnellle izy ka ilay mangina be sns... dia tsy hitako izay maharatsy izany raha tena ataony ho an ny Tompo, samihafa ny olona. Raha manao ny fomba evanjelika izy, ilay misy mozika sy ny haleloia sns rehetra ireny ..rehefa ho an Ny Tompo dia ekeko izany ihany koa. Ny fo manao azy no jeren ny Tompo fa tsy ny fombafomba ivelany.

Tsy midika anefa izany fa atao tsy misy fanajana araka ny nolazian i fiffi..eny e, araka ny nolazainy..hatsikana io. ary any amin ireny fiangonana evanjelika ireny ny fandraisana dia anaty fahanginana tanteraka ihany koa.

4. kitjo ( 20/11/2006 16:06)
tena mitovy hevitra tanteraka @ dailynews mihitsy aho!

asa mety tsy any dago ianao io, ary inoako koa fa mety @ pays anglophone ngamba! asa!

Izaho dia taty koa vao nihiratra ny masoko fa h@zay tao dago rehefa tsy FFKM manko dia lazaina fa sekta..

Fa amiko kosa anefa rehefa mijery spektakle isika ka faly d mitehaka sy mikikika..raha izay ve ny emotion anananao te hidera an'Andriamanitra an-kafaliana inona moa no maharatsy azy?

Izaho dia Loterana hiringiriny an..aty aho no mandeha fiangonana evanjelika saingy tsy miova @maha Loterana ahy kosa fa saingy rehefa any dago aho dia malahelo mahita ireo olona toa fahazarana fts ary tsisy feeling akory mankany am-piangonana.
Tsy miova finoana aho fa miezaka kosa mba mandray ny zvatara tsara zay hitako aty ka hitako tena tokony hovaina ao Dago.

Ny olana angamba dia efa antitra dol koa ankamaroan'ireo mpitarika @ Fiangonana ka ao le "resistance to change"..dia pempoina ny lohan'ny olona fa rehefa manao hira mihetsiketsika dia lazaina fa sekta sns...miala tsiny e! zay ny zava-misy!

fa raha tena sainina io lazain'i Fou hehy io dia tena misy fahamarinany amiko!
5. cutie ( 20/11/2006 16:17)
miombon-kevitra @ kitjo sy dailynews:lol:
6. dailynews ( 20/11/2006 16:21)
ekena
7. Achia ( 20/11/2006 16:40)
io nge hatsikana e ! fa ny tanjon'ny olona anakiray mpanao atsikana na hira dia misy zavatra tiany hampitaina ao ka anjarantqika mijery ihany .
8. dailynews ( 20/11/2006 17:02)
lazao ary izay eritreritry achia indray fa mety hanampy.
9. Fiffi ( 21/11/2006 17:07)
marina fa misy hevitra tiana hampitaina tokoa ! tena mazava be kosa aloha zany an!
10. prime ( 22/11/2006 14:14)
hay v fou hehy e... sshhhhhhhh:°)
11. Fiffi ( 22/11/2006 21:28)
prime: nga akia tsy nisy zavatra azo noraisina tao ?
12. ikaretsaka ( 23/11/2006 17:42)
kitjo:

tena mitovy hevitra tanteraka @ dailynews mihitsy aho!

asa mety tsy any dago ianao io, ary inoako koa fa mety @ pays anglophone ngamba! asa!

Izaho dia taty koa vao nihiratra ny masoko fa h@zay tao dago rehefa tsy FFKM manko dia lazaina fa sekta..

Fa amiko kosa anefa rehefa mijery spektakle isika ka faly d mitehaka sy mikikika..raha izay ve ny emotion anananao te hidera an'Andriamanitra an-kafaliana inona moa no maharatsy azy?

Izaho dia Loterana hiringiriny an..aty aho no mandeha fiangonana evanjelika saingy tsy miova @maha Loterana ahy kosa fa saingy rehefa any dago aho dia malahelo mahita ireo olona toa fahazarana fts ary tsisy feeling akory mankany am-piangonana.
Tsy miova finoana aho fa miezaka kosa mba mandray ny zvatara tsara zay hitako aty ka hitako tena tokony hovaina ao Dago.

Ny olana angamba dia efa antitra dol koa ankamaroan'ireo mpitarika @ Fiangonana ka ao le "resistance to change"..dia pempoina ny lohan'ny olona fa rehefa manao hira mihetsiketsika dia lazaina fa sekta sns...miala tsiny e! zay ny zava-misy!

fa raha tena sainina io lazain'i Fou hehy io dia tena misy fahamarinany amiko!

Misy fahamarinany tokoa io ... fa efa betsaka ny miova na @ ilay fiangonana lazaina ilay FFKM an... fa io koa arakarak'ilay fiangonana na samy katolika na samy loterana aza raha ny fahitako azy..

za zao katolika hiringiriny an.. ary afa mba hitakitako daholo ny ataon'ny katolika erak izao tontolo izao fa samy manana ny fombany..
eny na ao antananarivo fotsiny aza dia samy hafa tanteraka ny fihetsika sy ny fomba satria .... raha any @ mompera pedro any @ akamasoa, sy ao @ katedraly andohalo sy analamahitsy ohatra.. ny litorjia mitovy ihany an.. fa ny ambiance tena oooay..
any @ pedro tena ohatran'ny mijery spectacle mihitsy ..misy vakodrazana sns..miara mihosona @ katrami....moa ny any andohalo ohatran'ny traditionelle be izany, ny ao analamahitsy sy faravohitra mandraindray an'izy 2 mitambatra...

torak'izany koa ny aty USA fa ny any @ catholic ministry any @ university dia samihafa tanteraka @ ny any @ le paroasy de village ireny no samihafa tanteraka @ black miinistry any Harlem ohatra. arakaraka ilay typen'olona mivavaka ao io: ny any @ university saika tanora aby dia ohatran'ny rock rock izany, ny any @ le paroasy ireny saika antitra de le mitaroooozaka be ohatran'ny any dago ireny sady tsy bebe hira, ny any harlem le mandihindihy be...sns

fa io samy manana ny tiany an.. ny ahy afandiasiko samy handehanako aby.. arakaraka izay feeling tadiaviko...
ZA sy ny fanahiko io fa tsy misy hoe satria ary de tsy maintsy any
13. prime ( 24/11/2006 09:08)
fiffi> Ny fou hehy anie ka tarika mpanao hatsikana ho an'ny besinimaro aty dago e... ka ny olana @ toy itony dia ilay fomba no atao zavadehibe sy tsaraina atao fihomehezana fa ilay antony sy ny aina ao anatin'ny filazantsara no tsara raha dinihina lalina kokoa raha ny amiko...
14. kitjo ( 25/11/2006 15:07)
ikaretsaka>
tsy misy manda an'izany fa mijery ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny no resahina

sy manome ny heviny oe inona no tokony amboarina na mba ovaina. fa na manome hevitra aza raha tsy ovaina aza ilay izy tsy olana fa mba miteny fts.
15. Fiffi ( 25/11/2006 15:59)
prime:
ilay antony sy ny aina ao anatin'ny filazantsara no tsara raha dinihina lalina kokoa raha ny amiko...
prime: marina ny anao . Zah aloha raha nijery an'io vidéo io (satria ananako le izy) de misy zavatra tena marina ny voalaza ao , eny na de hoe natao fimehezana aza .

16. kitjo ( 25/11/2006 16:46)
Izay ilay izy tsy hoe ratsy dol akory ze tsy mifanarak amin'io fa hoe inona kosa no mba azo alain-tahaka sy azo raisina @lazainy!
17. ikaretsaka ( 26/11/2006 00:19)
kitjo:

fa mijery ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny no resahina
sy manome ny heviny oe inona no tokony amboarina na mba ovaina. fa na manome hevitra aza raha tsy ovaina aza ilay izy tsy olana fa mba miteny fts.

fa maninona tokoa moa raha ovana? fa mba eritreritra ny ahy hoe raha ireny fiangonana traditionelle be ireny moa no ity miala any tampoka i mompera na i pasitera dia miova fenitra mihitsy hoe rythmena androany na ovaina ny filatron'ny toriteny sns misy ankitehaka sy ankandihy ... tsy voatery mihaingo be rehefa fandraisana sns.. fa dia ohatran'ny aty .....dia ahoana tokoa ny mety ho effets ny?

18. cutie ( 26/11/2006 02:39)

de lasa mazoto miangona daholo ny oul :-D:-D:-D
19. prime ( 27/11/2006 12:45)
:-D:-D:-D
20. ikaretsaka ( 27/11/2006 15:52)
mety ho be ny fanahy voavonjy @ zany zao an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3059