Misaotra anao zahay

1. booboo ( 11/11/2006 19:11)
Mitady ny tonon'ity hira ity zà azafady ô. " Misaotra anao zahay " an'i Ndriana Ramamonjy.

Misy hoe : inona ary no havaliko, noho ireo soa zay ...???? :°)

Efa nitady tao @ tononkira kounkou fa tsisy tao :°)

Misaotra mialoha ô.
répondu par booboo le 12/11/2006 19:04
2. Fiffi ( 11/11/2006 21:18)
booboo: tena io ve akia ny titra ? sao de hafa manko ! nahita hirany hiany aloha zah fa toa tsy hitako io an!
3. dailynews ( 11/11/2006 22:29)
Ity ve??

Misaotra anao izahay
Ry Tompo tianay
Fa mbola nomenao
Tombonandro hahay midera Anao
Ny zavatra ataonay
Ankinina Aminao
Fa lehibe tokoa ny fitiavanao
Ny mpanomponao
Hery lehibe tokoa ho anay
Ny mivavaka Aminao
Koa ampio ny olonao
Izay mangataka aAminao
Ny fahasoavanao
4. vale ( 11/11/2006 22:58)
booboo: tena tsy mahay aky e!;-)
5. malalatinasoa ( 11/11/2006 23:11)
Ito o...

Misaotra anao zahay ry Ray,
Noho ny fitiavanao
Ny aizin-kitroka nisy ahy
Indro fa nidiranao
He hazavana lehibe
No indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo
Izay midera Anao.

Ref:
Inona ary no avaliko Anao
Noho ireo soa efa narotsakao
He hazavana lehibe
No indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo
Izay midera Anao


Na dia tsy mendrika ry Ray
Ireto te-hidera Anao
Dia notoloranao tokoa
Ny fanavotan-dehibe
Na dia mahantra aza re
Dia novidian'ny zanakao
Tamin'ny rano izay madio
Mba ho isan'ny Anao

Ref

He menatra tokoa ry Ray
Ny hifanatrika aminao
Kanefa noho ny zanakao
Dia indro fa manantona aho
Manery ahy izany foko
Resin'ny fitiavanao
Ilay fo maniry mafy Anao
Ka indro anjakao.

Ref
6. booboo ( 12/11/2006 07:07)
Fiffi > misaotra na izany aza ô:-*
Dailynews > aaa, tsy lé io kah, fa misaotra ihany :-*
Vale > hihihi tsy manahy kah :-*
Malalatinasoa > misaotra indrindra fa io mihitsy lé izy :D:-*
7. Fiffi ( 12/11/2006 07:38)
:)malalatinasoa: de ampidiro ao @ tononkalo akia an ! :):-*
booboo: :):-*:-*
8. dailynews ( 12/11/2006 18:50)
ka inona ihany ilay titre raha izany mba tsy handiso intsony amin ny manaraka ?
misaotra anao zahay ry Ray ?
9. booboo ( 12/11/2006 19:04)
Dailynews > " misaotra anao zahay " fa tsy zany " misaotra anao zahay ry Ray " zany kah ! tôko efa nosoratako mazava io ambony io ange miaraka @ mpamorona lé hira mihitsy hihihihihi !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0616