Miha very tsikelikely ny maha malagasy .....

1. xxx ( 10/11/2006 20:21)
Tano izay azo fa sarotra ny mila àry Andrianiko ny taniko .....Hatramin'i POOPY moa dia milàza @ hirany fa TSY MAHAMENATRA NY MAHA MALAGASY hoy izy..NEFA raha mijery ny zava-misy ankehitriny dia mampanahy ihany maro ireo fahendrena malagasy izay azo lazaina fa dia voadikantsika mihintsy noho ny fandrosoana ve sa asa loatra na ny hamafisan'ny fiainana koa.

Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana , tain'omby mivadika aza tsy nisy sahy naka fahiny ary aza ny lohasaha mangina no jerena fa A/tra an-tampon'ny loha..Lasa ny mifanohitra @ io indrisy ankehitriny no zava-misy àry miha tia tena hatrany ny olona!

Mety 25.000 fmg dia ampy anendahan'olona anao ary mety hiafàra @ fahafatesana mihintsy!

Ara-pitondran-tena moa dia tsy tenenina intsony firifiry ny mpangalambadin'olona , firifiry ny manao fitafy tsy maontina , firifiry ny lehilahy miaraka @ lehilahy na vehivavy mitady firaisana @ vehivavy..arakaraka ny fisian'ny aretina efa fantatra fa mahafaty no vao maika miha roboka @ fitondran-tena tsy mety ny olona.

Jereo tsara anefa ohatra ny japonnais isan'ny firenena efa lasa lavitra sy isan'ny atao hoe g7 KANEFA dia mbola manàja fatratra ny fomban-drazana na fanambadiana na fanatanjahantena na fomba fiakanjo eny na ny sakafo aza ...na eo aza ny fihazakazaky ny fandrosoana dia mbola mandàla fatratra ny MAHA JAPONNAIS ny japonnais.

Hevitra moa samy manana ny azy fa dia asa izay hevitry ny sasany e! :?::?:
répondu par Tsingatsa le 16/11/2006 09:48
2. Fiffi ( 10/11/2006 21:09)
na de eo aza ny fandrosoana , tsy midika akory zany hoe very ny maha-malagasy antsika ! Ny Malagasy de tena mbola feno fahendrena !
3. Lejim ( 10/11/2006 21:46)
Fiffi:
na de eo aza ny fandrosoana , tsy midika akory zany hoe very ny maha-malagasy antsika ! Ny Malagasy de tena mbola feno fahendrena !


Zah tsy mino an'ilay hoe "Ny Malagasy de tena mbola feno fahendrena." Tsy hitako intsony hoe karazan'olona iza amin'ny Malagasy no feno fahendrena. Ny vahaoaka Malagasy tsy vaky volo ve? Sa ny mpitondra fivavahana, na ny mpitondra fanjakana? Sa ireo mpanao politika, sa ireo mpampianatra? sns...
Raha mandinika aho dia efa vitsy izany Malagasy feno fahendrena izany! Zah aloha efa tsy ao anatiny e! lol

4. kolokanto ( 11/11/2006 09:37)
Miarahaba indray e!
Inona moa le tena malaza ho fahendrena Malagasy??
Tsy ny FIHAVANANA ve???
Mbola maro ve ireo malagasy mitahiry izany fihavanana izany??
Ny ankabeazan'ny olona any ambanivohitra dia ny olona azo isaina amin'ny ratsan-tanana aty an-drenivohitra ihany no mbola ahitana io fomba io.
Ny vazaha mpanjanaka no nanomboka nanampotika io fomba Malagasy io! Avy eo dia tonga ny fandrosoana nitarika fitiavam-bola sy harena ary voninahitra izay niafara amin'ny fitiavan-tena!!!
Veloma teo amin'izay ny fihavanana izay fahendrena anisan'ny nampiavaka antsika Malagasy, fa samy manao izay hihinanany ny tsirairay!
5. booboo ( 11/11/2006 10:17)
fa inona lé maha-malagasy moa ? lé "fahendrena" io fotsiny ve ?

zà miombon-kevitra @ Lejim
6. andry08 ( 11/11/2006 11:50)
Samy petaka daholo ny orona ary io dia hita eny foana fa tsy very izany e!
Ilay fahendrena anie tsy hoe hendry be hoe manao ahoanana fa misy ny zavatra hataon'ny hafa fa tsy hataon-tsika e! Amiko dia ilay fiheritreretana alohan'ny manao zavatra iny no fahendrena .Na dia ny fihavanana aza dia mbola zava-dehibe, oh: ny serasera fotsiny. Matoa mbola eto daholo dia mbola mankamamy fihavanana na dia tsy mpiray tampo sy mpifanolo vodirindrina.:)
7. booboo ( 11/11/2006 12:28)
zany a ?
8. andry08 ( 11/11/2006 12:52)
eka ouz!
9. sonwin ( 11/11/2006 17:00)
sarotra ny fandidiana
10. fasaly ( 11/11/2006 17:15)
ny maha malagsy amiko ary mbola tsy afaka hatramzao de ny fanaovana fotoangasy:-P:wink:
11. sonwin ( 11/11/2006 17:25)
12. booboo ( 11/11/2006 18:31)
:-D:-D
13. xxx ( 11/11/2006 20:36)
ny zavatra tsy fantatrao amin ny japoney dia ny lehilahy japoney hono no anisan ny lehilahy mpijery porno sy mpandray anjara amin ireny phone sex ireny indrindra erantany( Marie Claire, page 46, volana Martsa 2006). mahafinaritra ny mijery azy mahay mitandrina ny maha izy azy saingy tsy azo lazaina fa tsy maha olona "masina" be azy izany.

ny olana dia izao rehetra izao mihitsy no miharatsy e...
14. fasaly ( 11/11/2006 20:51)
:roll::roll::roll: fa ny maha -japoney ve no resahina eto sa ny maha -malagasy e!:roll::roll::roll:
15. Fiffi ( 11/11/2006 21:07)
Lejim:
Zah tsy mino an'ilay hoe "Ny Malagasy de tena mbola feno fahendrena." Tsy hitako intsony hoe karazan'olona iza amin'ny Malagasy no feno fahendrena.
Lejim: heu...ataovy kely ange ny comparaison @ firenen-kafa ny Malagasy eh ! de ho hitanao fa tena mbola feno fehendrena lavitra kosa ny Malagasy mihoatran'ireo firenana hafa eh ! Zah aloha tsy miteny hoe ny Malagasy rehetra an ! fa @ akapobehiny ! tsy marina ve zany ?


16. soanja ( 11/11/2006 22:18)
xxx:

Tano izay azo fa sarotra ny mila àry Andrianiko ny taniko .....Hatramin'i POOPY moa dia milàza @ hirany fa TSY MAHAMENATRA NY MAHA MALAGASY hoy izy..NEFA raha mijery ny zava-misy ankehitriny dia mampanahy ihany maro ireo fahendrena malagasy izay azo lazaina fa dia voadikantsika mihintsy noho ny fandrosoana ve sa asa loatra na ny hamafisan'ny fiainana koa.

Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana , tain'omby mivadika aza tsy nisy sahy naka fahiny ary aza ny lohasaha mangina no jerena fa A/tra an-tampon'ny loha..Lasa ny mifanohitra @ io indrisy ankehitriny no zava-misy àry miha tia tena hatrany ny olona!

Mety 25.000 fmg dia ampy anendahan'olona anao ary mety hiafàra @ fahafatesana mihintsy!

Ara-pitondran-tena moa dia tsy tenenina intsony firifiry ny mpangalambadin'olona , firifiry ny manao fitafy tsy maontina , firifiry ny lehilahy miaraka @ lehilahy na vehivavy mitady firaisana @ vehivavy..arakaraka ny fisian'ny aretina efa fantatra fa mahafaty no vao maika miha roboka @ fitondran-tena tsy mety ny olona.

Jereo tsara anefa ohatra ny japonnais isan'ny firenena efa lasa lavitra sy isan'ny atao hoe g7 KANEFA dia mbola manàja fatratra ny fomban-drazana na fanambadiana na fanatanjahantena na fomba fiakanjo eny na ny sakafo aza ...na eo aza ny fihazakazaky ny fandrosoana dia mbola mandàla fatratra ny MAHA JAPONNAIS ny japonnais.

Hevitra moa samy manana ny azy fa dia asa izay hevitry ny sasany e! :?::?:


Raha ireo olana mipetraka ireo ny fahitako azy zany ny fangalaram-badinolona sy ny fitondran-tena sns dia tsy ireo no nampiala ny maha Malagasy antsika. Ny Malagasy taloha indrindra ny tao anaty rova indrindra indrindra dia tena nanao ny natoany tokoa main'ny fakana vady efa misy ho firy ary matetika ilay efa eny an-tananan'olona no lasany. Ny akanjo indry dia nihanjaka isika Malagasy talohan'ny nahatongavan'ny vazaha, tao ny nisalaka fotsiny ary tao ny nanao sikina kely. Ny tantaran'Izy Mirahavavy hatramin'izo dia mbola manontany tena hoe nnifankatia ve izy ro aireo sa mpinamana fotsiny ary indrindra moa ny Menamaso tao anaty Rova. Ireo no natao hoe lahy niaraka tamin'ny lahy.

Ahoana tokoa moa no hanazavana izany hoe famitahana olona hakana andevo hamidy aondrana any anindrana tamin'izany fotoana izany? sarotra be na ny hitanisa azy eto aza fa fitaka tsy roa aman-tany.

Koa raha ny fahitako azy dia tsy ny mahaMalagsy no very fa isika no mirona mandray ny lalana nentin'ny Kristianina izay hitantsiam fa mety sy mahasoa.

Ny toetsaina no zavadehibe. Tsy olan'ny Malagasy irery io resahinao fa olan'izao tontolo izao. Tsy misy intsony ny atao hoe "valeur morale". Mihena dia mihena io farany io vokatry ny fandrosoana.

Soa fa mbola eo anivontsika ilay tenin'ny Ntaolo hoe : "Voan-kazo an'ala ka izay mamy atelina ary ny mangindy aloa."


17. mandrindra ( 14/11/2006 11:13)
tsara angamba raha faritana hoe inona ilay antsoina hoe maha-malagasy. dia avy eo raha mahatsapa ny fahaverezany dia manao hetsika na mandroso hevitra entina manohitra an'izany.
18. Zina ( 15/11/2006 20:28)
Tsy itako mihitsy izay olana
raha mahatsapa ny tenanao fa gasy ianao dia tsy very mihitsy ny maha malagasy anao...ka mieritrereta tsara aloha. anontanio ny tenanao, ny tsirairay avy
19. Tsingatsa ( 16/11/2006 09:48)
:D
Misaotra indrindra zalahy aby ê

Manaitra sy mahaliana ny lohahevitra!

"Misaotra indrindra" hono no tena fiteny fa tsy "misaotra betsaka".

(l)Anisan'ny Mahamalagasy ihany koa ny fikajiana ny tenin-dreny!

:arrow:Ny fahalalana ny fiteny tanora ihany koa moa dia manisy sira ny laoka. Mazotoa homana daholo fa efa 12:37 izao

:D

(l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.485