MBA MISY AFAKA MANAZAVA HO AHY NY TESTAMETA VAOVAO sy taloha

1. ann ( 02/11/2006 10:43)
Mandeha tokoa ny eritreritra ary lasa koa ny fijery fa toa tsy azo ary tsy tsapako mihintsy hoe: inona ny maha samihafa ny testameta vao2 sy taloha ,efa niezaka aho nanotany olona ny mikasika an'io fa mbola tsy nahitako valiny mahafapo izany, ka arosoko ato ilay izy mba hanotanina anareo izay mahalala bebekokoe ,
répondu par prime le 10/11/2006 13:38
2. barry ( 02/11/2006 12:49)
Ny test tAloha dia histoire avant J.C .Ary ny test vao2 dia histoie après J.C
3. prime ( 02/11/2006 12:57)
ann> Tsy ary ho voazava indray mandeha izany fa mila dinihina tsikelikely satria mila mianatra ny baiboly iray manontolo ary inoana fa tsy ho ampy ho @ izany rahateo etoana...
fa ny azo azo ambara kely kosa aloha dia ireto :
Testamenta=fanekena: manambara ny fanekena nataon'Andriamanitra amin'ny zanak'olombelona sy ny zava-boahary rehetra noforoniny... ka noho izany nisy ny fanekena taloha nataon'Andriamanitra ho an'ny olom-boafidy manokana... ary nisy ny fanekena vaovao izay nataony ho an'ny olona rehetra...
Samy nanana ny vanim-potoana sy ny tantara ary ny faminaniana mahaizy azy avy ireo...
Na ny taloha nefa na ny vaovao dia tokana no fototra ambara ao, dia ny fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao ao amin'i Jesosy Kristy...
Hatreo aloha...
4. caprio ( 02/11/2006 13:04)
Ny testameta taloha dia ahitana ny tantaran'ireo mpaminany na ireo panjaka talohan'ny niavian'i jesosy teto an-tany ary ny t-vaovao kosa dia mazava ho azy fa ahitana ny tantaran'i jesosy sy ireo niara niaina taminy ary koa fahatanterahan'ireo faminaniana tao @t-taloaha satria t@ andron'ny testameta taloha dia efa naminany ireo mpaminany fa ho avy ilay mesia ary tanteraka izany dia nosoratana tao @t-vaovao.Nasiana koa ny t-vaova satria nisy ireo zavatra mavesatra izay tsy zakantsika tao @t-taloha ka nahitsin'jesosy zany tao @t-vaovao,ohatra tao @t-taloha Andriamanitra dia nilaza fa mamaly ny heloky ny Ray @ zanaka kanefa hita fa mavesatra io dia tsy izay intsony no mitsanga rehefa nisy ny t-vao2 fa izay meloka hiany no mizaka ny saziny ary vakio tsara fa mbola misy ireo sasatsasany nahitsin'i jesosy tao @t-taloha kanefa tena mifandray tsara koa ireo boky roa ireo rehefa mandinika sy mamaky tsara hianao.Dia izay no mba zavatra kely fantatro aloha fa miandry ny namana hafa indray hitondra fanazavana dia angataho koa ny fanahy masina fa izy no afaka anazavanao misi2 kokoa
5. prime ( 02/11/2006 13:47)
alohan\'ny handalinana ny mahasamihafa ny TT sy ny TV dia tsara ihany ny mandalina fotsiny aloha hoe inona ny TT dia inona ny TV? fa maninona no antsoina ho baiboly ireo?...
6. xxx ( 02/11/2006 17:24)
ann:

Mandeha tokoa ny eritreritra ary lasa koa ny fijery fa toa tsy azo ary tsy tsapako mihintsy hoe: inona ny maha samihafa ny testameta vao2 sy taloha ,efa niezaka aho nanotany olona ny mikasika an'io fa mbola tsy nahitako valiny mahafapo izany, ka arosoko ato ilay izy mba hanotanina anareo izay mahalala bebekokoe ,



Raha mahalàla olona mivavvaka @ ireny secte ireny ianao dia aza misalasala fa hainy tsianjery raha ny momba io baiboly io!
7. belaza ( 02/11/2006 18:25)
ka ny secte anie ry xxx ka manao tsianjery be fotsiny e izany hoe tsy fantany akory ny heviny fa ara-bakiteny no andraisany azy. fa ireny olona nianatra sy nandalina ny téôlôgi ireny antonina dia ho afampo ianao
8. diamondra27 ( 02/11/2006 23:13)
Ny TV aloha de zao no ahaizako azy :

Mamalijaa
Rokokogalefiko
Testestimtim
Filhejape
Pejajajajodapo

Dia @izay haingana ianao rehefa hijery hanokatra ilay SM lazain'olona hovakiana

MAmalijaa= matio marka lioka Jaona Asan'ny apostoly
etc...

Ny TT indray de io voalazan'i Prime(sy ny namana) io sy mbola hoazavainy fa lavabe
9. prime ( 03/11/2006 08:50)
diams> =D...
10. diamondra27 ( 03/11/2006 10:50)
jereo aloha hoe: misy firy ny boky hita ao @ TT
de firy ny ao @ TV

Inona no voalaza ao @ TT
_____idem___________@ TV

de mazotoa mamaky baiboly fa voasoratra ao daholo ny tantaran'ny zanak'olombelona na ny mbola ho avy aza.

Dia mila mandalina tsara fa tsy mamaky toy ny famakiana roman

tantara lava be tokoa ny @io fa tsaratsara kokoa ianao raha manantona fikambanana momba izany

11. xxx ( 04/11/2006 01:07)
Ny testameta taloha dia nanao sorona tamin\'ny biby tsy misy kilemaina ny olona ary ny mpitondra fivavahana no manao izany ary isan-taona no atao izy io, ka ny jiosy dia mbola manaraka io fomba io hatramin\'izao satria mbola miandry ny mesia,manasa tanana izy ary manao fanatitra ny fahotana izay vitany nandritra ny taona iray izy sy ny fianakaviany, ny mpiangona koa dia mitondra fanatitra rehefa avy nanao fanatitra nalatsa-dra ny mpitandrina. Testameta taloha milaza ny fiandohan\'izao tontolo izao ary ny mpaminany milaza ny fahatongavan\'ny mesia Jesosy kristia.
Ny testameta vaovao indray dia jesosy Kristsy maty teo ambonin\'ny hazo fijaliana nisolo ny fahotantsika rehetra ary hoy ny soratra masina fa toy izao no notiavan\'Atra izao tontolo izao,nomeny ny Zanani-lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fianana mandrakizay. Vita hatreo izany ny fanaovana ny sorona fanatitra ala-tsa-dra satria Jesosy kristy no nandatsaka ny ra-ny ho antsika.Ny testamenta vaovao koa dia ny fiafarana ary ny fampielezana ny filazantsara erak\'izao tontolo izao
\" mandehana mitory ny filazan-tsara,ataovy mpianatro
izao tontolo izao hoy jesosy
12. robyh ( 05/11/2006 13:33)
Ny testameta taloha fanambarana ny fiavian°I Jesosy ,ny testameta vaovao dia fanambarana Jesosy efa toga teto an-tany.
13. LazaDaddy ( 06/11/2006 04:59)
Hebreo 9
14. prime ( 06/11/2006 07:33)
15. raval ( 06/11/2006 08:15)
Ny TT dia fanambarana sy fanomanana ny fihavian'i Jesosy Kristy; ny TV kosa dia milaza ny fisiany sy ny asa nataony.
16. prime ( 06/11/2006 10:12)
ann> tsy efa mba azonao aloha v ny momba azy ankapobeny araka ireo lazain'ny namana ireo?
17. xxx ( 10/11/2006 09:24)
tenasy mbola mava ara k!!
18. prime ( 10/11/2006 13:38)
:roll::wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1243