Manadio tatatra ny firaisana faha-VI

1. rabaradaka ( 26/10/2006 13:11)
Dia efa tsy hita intsony ny asian'ny Patrick Ramiaramanana ny volan'ny CUA fa dia asa tsisy hilana azy mihitsy no hatao. Esory any rangahy io maire io fa tsy lasa, soloy an'ny iza mo ity Arema taloha nivadika Leader de avy eo lasa RPSD ary izao izy TIM
répondu par Fiffi le 30/10/2006 17:33
2. mimich ( 26/10/2006 13:45)
amin'ny fo tsy miangatra , tsy ijerevana loko politika, inn moa ny maharatsy ny fanadiovan-tatatra na andaniana vola aza (ka amin'ny tokony ho izy), moa tsy ilaina ve izany indrindra amin'izao fotoam-pahavaratra izao izay mampihanaka ny valan'aretina maro isan-karazany ???????
inona no ifandraisan'ny fanadiovan-tatatra sy ny fanalana ny maire eo amin'ny toerany?????????
tsy azoko loatra ilay fomba fibaradakao eto rabaradaka
3. Kamoufle ( 26/10/2006 13:53)
Aleo aloha ary diovina ny tatatra fa ho avy ny orana,dia atokona eo ambaravaran'i rabaradaka ny fako ahafantarany hoe loto ihany koa ireo...hisaina izy amin'izay!!!
4. lolabe ( 26/10/2006 13:59)
Ireny le karazan'olona t@ andron'ny Arema e, tsy mahalala izany fahadiovana izany, ka raha manao izany ny amin'izao fotoana izao de lazaina fa tatatra avy ve de andaniana andro, lery mihintsy angamba le mipetraka ary isotry sy andranomanalina ary izay tena mamofona fako ny tanàna
5. Fiffi ( 26/10/2006 15:42)
ay ! ay ! ay ! miainga any indray ra-Patrick !

mimich: satria nahoana hono no tokony hasorina ao izy ? satria hono tsy mety manadio ny tanana''i rabaradaka !! efa ela hiany manko i rabaradaka no mitaraina hoe ny ben'ny tanana hono tsy manadio ny tananany fa maloto @ fako !!!!
6. MTN ( 26/10/2006 21:31)
Amin'izay kosa rehefa mandry an-tatatra rabaradaka dia tsy maloto ko.
7. Fiffi ( 27/10/2006 07:53)
fa maninona no tsy izy no hanadio ny tananany fa hendrasana an'iza ?
8. sipagasy ( 27/10/2006 08:13)
hihihih any izany enao rabaradaka aloha annnn
9. Fiffi ( 27/10/2006 08:21)
10. rabaradaka ( 29/10/2006 08:35)
Zao ange, vita ny tatatra tamin'ny herinandro teo dia efa tototra izy izao. Dia inona no dikan'izany aminareo tsy fandaniam-bola ? Sa nareo kosa angamba anisan'ireo voazara vola ? Asa aloha e !
11. Fiffi ( 29/10/2006 08:54)
rabaradaka:
Zao ange, vita ny tatatra tamin'ny herinandro teo dia efa tototra izy izao. Dia inona no dikan'izany aminareo tsy fandaniam-bola ?
ka raha tototra izy zao ! inona no tokony hatao ? de mandray ny andraikiny ny tsirairay manadio eh ! fa tsy handrasana ny ben'tanana io !
Fa fandaniam-bola ahoana ? satria raha fandaniam-bola ny hanadiovana ny tatatra ! maninona nefa raha manadio ny olona eh !!! Matoa ny fanadioavna an'io tatatra io handaniana vola de noho ny olona tsy mandray ny adidiny ! zany loto zany ve de handrasana an'iza foana ny hanadiovana azy ?


12. Rainimaharavo ( 29/10/2006 23:01)
Ny fanankianana be loatra ny raharaha amin'ny mpitondra rehetra dia anisan'ilay atao hoe : toe-tsaina zatra tantànana (mentalité d'assistés)
raha ny fanadiovana ny toerana ipetrahana sy ny manodidina no hiandrasana mpitondra na vola milatsaka avy any amin'ny fanjakana dia feno aretina ny tanana. Tamin'ny andron'ny fanjanaha-tany dia nisy ilay natao hoe : mpisafo tanana madio. Raha vao haino fotsiny hoe handalo eo ny mpisafo tanana dia may daholo ny mpianakavy -na ankizy na olon-dehibe- nanadio ny nanodidina azy. Tamin'ny andron'ny fanjanahantany izany nefa vitsy ny olona narary tamin'izany teo amin'ny manodidina satria nahalala madio. Tsy filazana izany fa malahelo ny vazaha nanandevo ny Malagasy aho fa kosa milaza ny tokony ho ataon'ny tsirairay.
Io ihany no tsy maha ara-dalàna ny tananan'i Toamasina fa andrasan'ny mpitondra ao ny vola sy màna avy amin'ny foibem-pitondrana.
Tsotra amiko no dikan'izany fanadiovana ny tatatra na tanana izany : éducation de base, ary éducation civique.
13. Fiffi ( 30/10/2006 17:33)
Rainimaharavo:
Tsotra amiko no dikan'izany fanadiovana ny tatatra na tanana izany : éducation de base, ary éducation civique.
na izany aza de tsy tokony handrasana an'iza koa anefa ny hanadihovana ny tanana eh ? mihetsika fotsiny de manadio de zay !


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5632