voam-bolana politika

1. LazaDaddy ( 26/10/2006 00:55)
- Asa fa tsy kabary = Aza misy miteniteny
- Tano ny azo fa sarotra ny mila = Tsy ilaina ny fivoarana
- Izahay mba nahavita zavatra ihany = Mivandravandra be angaha hoe nangalatra izahay?
- Minoa fotsiny ihany = Ianareo dondrona
- Izahay efa manan-karena = Avelao ianareo hahantra fa tsy rarahanay
- Asondrotray ny karama = Ianareo adalam-bola
- Izahay hanome asa ny tanora = Tsy velona ny tanora raha tsy misy anay
- Fahamarinana = didin'ny be sandry sy fanjakan'i Baroa
- Foananay ny fahantrana = Vonoinay ireo mahantra
répondu par jentilisa le 27/10/2006 06:45
2. LazaDaddy ( 26/10/2006 01:00)
- Sarotra ny mitondra firenena = Ianareo no te hifidy anay
- Efa nahantra hatrizay isika = Avelao hihinana ny tsy fihinana daholo
...
3. Lejim ( 26/10/2006 03:17)
Marina sy ny hitsiny = Izay tianay ihany
reconciliation nationale = Zarazarao mba hanjakana
Fifidianana mangarahara = Mazava fa zahay no atao mandresy
Andriamanitra = Fitaovana fa tsy zavatra inoana na atahorana akory
Filaharam-be = Mikorontana ry vahoaka fa mila seza zahay
Fiaraha-miasa avy any ivelany = Raha esorinareo eto ange zahay dia tafihin'ny Amerikanina ny fanjakana ajoronareo eo e!
Fitandrovana ny filaminana = Tsy ekenay ny fanoherana ny fitondranay
Tsy rariny ny ataon'ny mpitondra = Toa tsy misy tombony ho anay akory izy izany!
Lalam-panorenana = Izay andikanay azy ihany io
HCC mahaleo tena = Nareo ve mino an'izany?


4. Fiffi ( 26/10/2006 05:16)
LazaDaddy: soahiany fa heritreritrao ireo an !
5. kitjo ( 26/10/2006 07:23)
fiffi> demokrasia marina e! hihihi
6. LazaDaddy ( 26/10/2006 07:29)
demon-cratie = saribakoly ianareo mpifidy fa quart de tour dia efa vita
7. Fiffi ( 26/10/2006 08:37)
LazaDaddy nga tsy mpifidy ?
8. jentilisa ( 26/10/2006 11:31)
Izy efa any andanitra ka tsy mifidy intsony ka! ny azy avelany ho baranahiny sady ny devoly no hanjaka eto antany fa tsy mahazo mitondra firenena ny kristiana aminy! mazava anie izany e!
9. rakaroka ( 26/10/2006 11:34)
Mitombina mihitsy ny voambolana voakarok'i Lazadaddy : be tokoa anie ny fiteny manana ny dikany manokana sy fihevitra mihitsy e! dia misaotra amin'ity diksionera vaovao ity e!hi!hi!hi:{:lol::P
10. papala ( 26/10/2006 11:54)
:@:@:@:@:@:@:@:@:@
11. fijo ( 26/10/2006 22:54)
mpanohitra = mila seza.
halabato=resy izahay fa tsy manaiky
HCC tsy ekenay=itokisana fotsiny(hanaterana dossiers filatsahana)
12. jentilisa ( 27/10/2006 06:45)
maloto ny politika fa mbola resahina ihany, mbola miditra amin'ny sehatra iadian-kevitra politika ihany.

vahoaka = izaho
vahoaka madinika = mpitsentsitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0609