TONGA INDRAY VE NY FOTOAM-PIFIDIANANA RY MPANAO POLITIKA AH!

1. petsambava ( 19/10/2006 20:54)
Tonga ny fotoam-pifidianana dia hay ery ny maka ny fon'ny vahoaka .Firifiry aminareo ireo moa no tompona orin'asa raha mbà angatahana avance sahala @ ireny inona ireny vao azo ! nefa tonga ity ny fifidianana rien que ny caution efa 125.000.000 fmg.

Tonga indray ve ny fotoana hampanantenana ny olona izao zavatra rehetra izao nefa efa hita fa tsy ho vita akory.

Tonga indray ity fanerena ankolaka ny mpiasa hifidy an'izato na izaroa..

Tonga indray ny fotoana hisian'ireo candidats mody manamboatra làlana sy mody mitàna kifàfa nefa refa andavan'andro miavonavona ery!

Tonga indray ny fotoana handaniana dia refa lany eo honerana avy 10 heny ! ny vahoaka no mangasiasy avy eo.


EFA BE NY MAHARAKA NY FIKA VORETRA ry mpanao pôlitika gasy ah ! ovay ny film fa efa lany daty ...
répondu par rabaradaka le 24/10/2006 06:32
2. Fiffi ( 19/10/2006 21:30)
Tonga indray i sareraka

Tonga indray petsambava

Tonga indray victime
3. Fiffi ( 19/10/2006 21:32)
petsambava:

EFA BE NY MAHARAKA NY FIKA VORETRA ry mpanao pôlitika gasy ah ! ovay ny film fa efa lany daty ...
de mba diovy indray eh! :wink:


4. fijo ( 19/10/2006 22:12)
dia mifidiana hafa ry akama an
5. ravatorano ( 20/10/2006 08:46)
mahaiza mifidy maba tsy ho tratran ilay fika voretra e d lanio tsara sao indray ka hoe tsy handray anjara fa ho tavela eo amin ny sisiny eo kle
6. mandrindra ( 20/10/2006 09:29)
raha ny fahazoko ny hevitr'i petsambava dia ilay fotoampifidianana sy ny mpanao pôlitika no mampanavy azy. ka raha izay no izy dia mandehana tetezo i madagasikara dia reseho lahatra ny vahoaka hoe andao tsy hifidy, aza asiana fifidianana izany....dia anarchie ve izany no hiafarana???
7. papala ( 20/10/2006 10:29)
AZA MIFIDY AN'IREO BE FIKA VORETRA ISAKY NY FIFIDIANAN IREO re ry petsambava a ! za ko lo de tsy mba hifidy an'ireny mihintsy an ! jereo tsara de mahaiza mifidy !8O8O8O8O
8. akama2006 ( 20/10/2006 10:42)
le hoe aza mifidy aloha dia tsy dia mety loatra angamba satria tsy maintsy hisy ho lany ihany eo ka dia aleho maneho safidy!

fa ny tokony atao mba tsy ho tofoka ohatra ny namana nametraka ity araka ny fijeriko manokana dia ny hoe:jerena ny zavatra kasainy le mpitondra atao, dia atokana ny "moyen" na ny entimanana hano izany,izay volambahoaka !

dia izay sahy mametraka lamina mazava fa raha tsy vitany ny fanamby dia manome fanazavana sy miala tsy hilatsaka fanindroany intsony!fa raha mbola hifidy tavan'olona dia mety mbola ho raharaha no ahazo !
9. isrine ( 20/10/2006 16:45)
Lay hoe: " tonga indray ny fanerena ankolaka ny mpiasa hifidy an'izato na izaroa", fa angaha na lazaina aza fa ianona no fidina ( fomban'ny fampielezan-kevitra izany) fa iza no manery anao ao anatin'ny efitra kely ao ka hanarahanao ny tenin'ny olona mpanao fampielezan-kevitra? Iza no hahita izay nofidinao tao? Sa ve misy mitady aminao ny sisam-bato tsy nalatsaka rehefa tonga any ampiasana?
10. fijo ( 20/10/2006 22:26)
izay mihintsy,enao irery no ao,dia ataovy izay mahadiavolana e
11. rabaradaka ( 24/10/2006 06:32)
Na iza hilaza na iza hilaza marina kosa ny voalaza'ny petsambava; dia iza aminareo no sahy hiteny hoe tsy nampanantena ny mpikabary politika hatramin'izay. jereo amin'ny saina marina sy manara-baovao ny zava-misy e, aza faly hanohana be fahatany fotsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0468