Hividy zavatra lafo ve nefa ......

1. dolby ( 18/10/2006 09:29)
Inona ary no tsara hividy zavatra lafo dia mety hoe mateza (aman-taonany) kanefa mora lany daty sa hividy zavatra mora dia solosoloina matetitetika ?
répondu par Fiffi le 23/10/2006 20:31
2. Aino ( 18/10/2006 10:14)
izay tianao sy mety aminao!!
misy ny olona tia mividy ny lafo ary misy ny sasany tia mividy ny mora sy manakalokalo matetika!!
raha ny aminko dia izy roa mitambatra no hataoko.
3. booboo ( 18/10/2006 10:27)
Ahoana koa zany hoe mateza aman-taonany nefa mora lany daty ? he izany izy hoe mateza sady aman-taonany kouh ! hihihihihihihihi
4. simplex ( 18/10/2006 10:35)

sinoa Vs Japs ve :°)
in le izy ?

:-*:-*
5. andry08 ( 18/10/2006 12:09)
Miankina @ ilay zavatra
6. mimich ( 18/10/2006 12:12)
miankina amin'ilay zvtr vidina sy ny fampiasana azy sy ny fotoana ilana azy , ary miankibna aminao hampiasa azy.
7. ninih ( 18/10/2006 12:26)
raha tsy mora lany daty de aleo le lafo aloha e! mitovy ihany ny vidin' ny mora maro² sy ny lafo indray mande raha tsy hoe mihotra aza le mora bdb.
8. dolby ( 18/10/2006 12:36)
Bdb ny ohatra fa tsy misy hoe fiksa ka
Ohatra hoe : Nividy Radio k7 filipsa lafobe dia maharitra folo taona nefa efa tsy malaza intsony, sa nividy k7 sinoa (io mantsy no malaza mora) dia afaka mivoatra manaraka ny toetr'andro

Dia tahak'izay koa ny akanjo. Hividy lamba soga be paty delefan (fa maharitra kosa an) sa etsy @ sinoa etsy Behoririka (mbola mora koa mantsy eo)
9. ninih ( 18/10/2006 13:21)
izao hono e! ny tsara tsy mba mora! de anjaran\' ny tsirairay no mifidy.
10. lapino ( 18/10/2006 13:48)
Ohatra an'ilay nividy kiraro fripery ndremande zay zany : ratsy tarehy be ilay izy kanefa mafy be tsy mety simba mihitsy dia anaovana foana ihany :-D:-D
11. pissoa ( 18/10/2006 15:07)
lapino :-D:-D:-D

mety ve raha mividy zavatra mety haharitraritra amin'ny vidiny antonontonony ? :roll::-D:-D:-D
12. soanja ( 18/10/2006 15:52)
dolby:

Inona ary no tsara hividy zavatra lafo dia mety hoe mateza (aman-taonany) kanefa mora lany daty sa hividy zavatra mora dia solosoloina matetitetika ?


Raha vao zavatra mitady hampisy filana amiko matetitetika de aleoko tsy manana. Dia tsy mividy ny fanafodiny. Fa miandry izay hoe mateza elabe tsy mety lany daty raha tsy ianao no manimba azy.


13. kally ( 18/10/2006 16:06)
Io arakarak'ilay zavatra vidianao ihany io sy ny fitiavanao hanana azy ela. Ny ahy ohatra ny akanjo aleoko mividy mora dia soloiko foana, ny kiraro indray aleoko mividy izay azo itokisana na lafolafo kely aza indraindray (nefa tsy ny vidiny koa no mitondra azy) fa sao mamohehatra eny imasom-bahoaka : tapaka na miala ny vodiny:-D
Raha fitaovana ato an-trano dia aleoko mividy lafo dia maharitra sy tsy tontan'ny AEG sy B&O
14. kally ( 18/10/2006 16:08)
azafady fa latsaka "ny ela" tsy tontan'ny ela io ambony io:oops:
15. fijo ( 18/10/2006 19:31)
ny ahy izao ny gitara,dia le gitara mateza ireny no vidiako,satria tsy tiako le glita manahirana ireny.ny akanjo koa dia tsy mividy matetika aho,fa rehefa mividy dia izay mateza,ka solde vao mividy.ny kiraro koa za tsy manana firy,fa izay ato mateza be.ny sipa kosa,raha azoko atao dia solosoloiko,satria ny fitiavako betsaka ka mila zaraina.
16. Fiffi ( 18/10/2006 22:11)
fijo:
ny sipa kosa,raha azoko atao dia solosoloiko,satria ny fitiavako betsaka ka mila zaraina.
hummm zany an! fa nga hono misy manakana ? :wink::-D:-D


17. mandrindra ( 19/10/2006 11:04)
arakaraka ny enti-manana no mamaritra voalohany hoe hividy lafo sa hividy mora.
raha ny ho ahy dia aleoko izay zavatra maharitra ihany no vidina. tsy dia tiako loatra ny jetable, aleoko aza tsy manana mihitsy. raha lafo ny vidiny dia manangona aloha vao mividy fa tsy vitan'ny hoe te-hanana fotsiny dia mividy an'ilay tsy mateza.
18. ninih ( 19/10/2006 16:06)
mandrindra: izay mintsy le fanaovana na achat izay!
19. Fiffi ( 19/10/2006 18:27)
fa ity kosa aloha misy zavatra ! heu...asa aloha ra hoe coincidence le izy fa rehefa mividy ohatra hoe lave vaiselle zao de manontany le mpivarotra hoe hasiana an'le garantie d'extension ve ? de lasa 5 taona io ! de mamaly enao hoe tsia de mahagaga fa tsy maharitra io fa rehefa tapitra ny fotoana garantie de manomboka misy olana le masinina ! raha maka an'le garantie extension indray nefa de mateza le izy !
Lasa ny heritreritro hoe ireny masinina 5 taona garantie ireny ve tena natao manokana haharitra ?
20. dailynews ( 19/10/2006 19:19)
fa hanaovana inona anefa ilay izy? haingontrano? sa fitaovana ao andakozia sa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1132