ory miaraka aminao ny tenako!!

1. Aino ( 14/10/2006 12:11)
ho any ninimalala:miara ory aminao ny foko ary malahelo @ izao nandaozany dada malalanao anao izao!!
eny efa lasa izy iny ka dia ho mandry ampihadanana.

tsy iza fa i zandry Fanja.
répondu par helitiana le 17/10/2006 19:04
2. robot ( 14/10/2006 13:38)
i aino oh fa misy in kay ,?
sa nisy fahoriana nandalo ve
iza kay le ninimalala raha tsy mahadiso!
mampahonena ahy manko le zvtr nosoratanao io
de aleo akia ho antsika jiaby ny fampiononana azy raha izany an!:-*
3. Aino ( 14/10/2006 15:49)
oui nisy fahoriana nadalo. i ninimalala namana to @tsika.
4. robot ( 15/10/2006 11:06)
ay ve ,de ny voalohanteny zany dia miara ory aminao zahay ry ninimalala an ,ary mampahery anao koa
tsarovy fa tsy manadino anao zahay namana rehetra eto
fa ny saika hanontaniana fotsiny hoe eto mada ve no mipetsaka ianao sa any ivelany
raha eto mada manko tsy tsara ve mba tokony hifanantona ny namana mba hijery izay zvtr tokony atao @ zany ,eny fa raha toa ka any ivelany moa de ny any koa mba manao izay mety eh!
soso-kevitra ny ahy io an
aleo mba manomana zvtr ho azy isika ry reto an
de mazotoa daholo ary eh:-*
5. Angie ( 15/10/2006 21:32)

Dia tena mampalahelo izany vaovao izany fa dia miarary fiononana feno an'i Ninimalala izahay rehetra eto @ namana serasera.

Andriamanitra anie hanampy anareo mianakavy ary hanome hery anareo entina manatrika hatrany ampitiavan ny fiainana.

Mahereza indrindra
:-*
6. ninih ( 16/10/2006 07:31)
Mahereza foana ho an' i Ninimalala fa izay le fiainana eo an-tany ary e! aza kivy fa eto daolo ny namana.
:-*
7. soleil ( 16/10/2006 11:26)
Nini ,

Tsy hitako izay ambara satria somary tampoka tamiko ihany le vaovao

tsy mahita teny ambara firy ho anao fa dia mirary fionona feno ho anao sy ny fianakavianao ,

Andriamanitra mahalala ny mahasoa ka dia misaora Azy amin'ny fotoana rehetra eny e na dia ao anatin'ny fahoriana ary

Mahereza

8. ninimalala ( 16/10/2006 13:11)
Tsy de mahay miteny lotra za fa ny any teniko de misaotra betsaka amin'ny teny mamy sy ny fampiononana fa sitraka enti-matory, valina ra mahatsiahy, de tsy ny ratsy intsony no hiaonantsika fa ny soa indray. Efa nisy ihany namana avy eto an-toerana sy avy any ivelany nanome teny fampiononana tamin'ny razana mbola teo ambohitra de efa nataon-jareo t@ anaran'ny serasera le izy de zava-dehibe zay amiko fa de mbola mamerina ny fisaorana be dia be fa tena manana NAMANA tokoa.
Dia mirary soa indray ary ho an'ny rehetra
Ninimalala (Iangotiko)
9. sarobidy ( 17/10/2006 07:23)
De miara-ory @ ninimalala ko zany a de mahereza fa fiainana tsy maintsy lalovana izany raha mbola miloloha lanitra.Mahereza de misaotra an'i Aino(mpanao gazetin'ny serasera) nampahafantatra antsika an'zany.
10. robot ( 17/10/2006 10:55)
mahereza akia fa fiainana zany ka tsy maintsy handalovan-tsika rehetra ah
zay no lalana tsy maintsy hizorana
de mahereza ary mazotoa fa ny namana sera2 tsy mba hanadino anao mihintsy ,fa faly mandray anao fona

de misaotra an'i aino nampahalala ny vao2 teto:-*=D
11. ninih ( 17/10/2006 13:27)
Ninimalala: :-*
12. helitiana ( 17/10/2006 19:04)
Mamangy ny fahoriana Ninimalala,dia mahereza ary aza misosoka alahelo intsony.Mirary anao hatanja-tsaina sy hahery lalandava noho izao toe-javatra ankehitriny izao.Mirarisoa dia aza kivy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9144