Nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato

1. rabaradaka ( 04/10/2006 14:18)
I Claudia vadin'ny Ponce Pilate no ilay vehivavy fahaefatra teo ampototry ny hajo fijaliana ankoatra an'ny Maria renin'i Jesoa, i Maria Magdalena, i Salomé. Tsy naharesy dohika an'i Pilato ny vadiny tamin'ny saika hanafahana an'ny Tompo.Nitady izay fomba rehetra izy mivady, hany ka navoaka ilay jiolahy Barabasy hosafidian'ny vahoaka. Fa voavonjy ve i Pilato satria nanasa tànana izy avy eo ?
répondu par prime le 12/10/2006 09:52
2. Robert ( 04/10/2006 14:35)
Inona tokoa ary re no nitranga raha navoakan'i Pilato i Jesoa fa tsy Barabasy?
Mety nasorina tsy ho-gouverneur intsony izy...
Fa momba ilay FAMONJENA (maty hamonjy antsika i Jesoa)....?

Mivavaha hofamonjena antsika...
3. jentilisa ( 04/10/2006 15:11)
izay no mahavoa ny mijery film be loatra!

Niala andrikitra i pilato hoe tsy izy aho an! nefa izay fialana andraikitra izay indrindra no amerimberenana ny anarany isan'alahady izao!
4. rainisalama ( 04/10/2006 15:13)
Robert:

Inona tokoa ary re no nitranga raha navoakan'i Pilato i Jesoa fa tsy Barabasy?
Mety nasorina tsy ho-gouverneur intsony izy...
Fa momba ilay FAMONJENA (maty hamonjy antsika i Jesoa)....?

Mivavaha hofamonjena antsika...
Io dia mampalahelo ny valiny satria mitarika fahavoazana lehibe eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fiainan'ny zanak'olombelona.

-Araka ny finoana kristianina dia tsy maintsy maty i Jesoa mba hamonjena ny mpanota.Noho izany dia tsy maintsy niroso teo amin'ny fahafatesana i Jesoa na navotan'i Pilato aza,na tsy namadika aza i Jodasy.Ingahy ra-petera moa dia voaompan'drajesosy mihitsy hoe "satana" satria saika hanakana ny fahafatesany sy ny fijaliany ka sao tsy ho tanteraka ny asam-panavotana.Ny fanazavana omena dia ny hoe ,izany no lahatra sy sitrapony koah!!!
Izany rahateo no nolazainy sy nataony faminaniana mialoha...

-Torak'izany koa ny amin'ny fiverenan'ny Jiosy any Palestina sy ny anohanan'ny amerikana (kristiana) ny état hebreux ka mahatonga ny ady tsy ho vita mihitsy hatramin'izao.Jeren'ny firenena "kristiana" fotsiny ary vaomaika ampiany trotraka aza,ny fahoriana mianjady amin'ny civil palestinianna,satria tsy maintsy tanteraka ny faminaniana ny amin'ny iverenan'ny Mpamonjy any Palestina,ary tsy maintsy resy ny fahavalon'ny Jiosy.Raha tsy nanohana ny Jiosy mantsy ny firenena kristiana dia ho sarotra amin'ny Jiosy ihany ny hambabo an'i Palestina.

Raha fehezina dia avelan'ny kristiana ho ringanin'ny jiosy any izay palestiniana tsy misy fotony eo anatrehan'i Jehova.

-Torak'izany ihany koa no tsy andraharahian'ny kristianna ireo tratran'ny SIDA.Avelany ho faty any izay ho faty satria tsara ho azy ireny izany fa vokatry ny fahotany.Iza no te hanao azy ireny hoe manaova samilahy (homosexuel)?Raran'ny vatican ohatra ny fampiasana preservatif satria tediaviny ho tanteraka amin'ny homosexuel sy ireo mpitady fahafinaretana "mamoafady" ny sazy eritreretiny fa avy amin'Atra.

NB:Ny Mpino amin'ny ankapobeny (indrindra fa ny katolika) dia mandà ny "plaisir".Raha vao plasir fotsiny no tediavina dia fahotana izany aminy;hany ka lasa fahotana hatramin'ny "gourmandise",lasa fahotana sy fahalotoana hatramin'ny fahafinaretan'ny nofo,lasa fahamboniana sy fahadiovana ny maha-relijiozy sy ny mahavirjiny.Izany antony izany koa no handavany ny fimailo satria plaisir ranoray no azo raha asiana fimailo.

Fehiny=toy ny hoe ,avela ho may izay ho may,rehefa tsy manaraka ny didin'ny andriamanitray.Inona fa tsy mitovy ihany amin'ny an'ny Silamo hoe ny anay no Allah allah akbar...(????)


5. ANARIM ( 05/10/2006 06:01)
tsy misy famonjena raha tsy misy fiaikenkeloka ka raha niaiky ny helony Pilato dia azo antoka fa voavonjy izy
6. belahasa ( 05/10/2006 09:27)
inona moa no d iraraiko an'i pilato any na voavonjy izy na tsia


izaho sy ny famonjena ahy no mi intéresser anà
7. prime ( 06/10/2006 13:43)
Ilaina tokoa ve ny mahafantatra hoe voavonjy Pilato sa tsia?...
Ny famonjena dia an\'ny tsi11 tokoa ka sarotra ny hiteny ny olona hafa ankoatra ny tena... ny finoana dia omena ho an\'ny tsi11... ny famonjena koa dia omena ho an\'ny tsi11...
8. rainisalama ( 10/10/2006 21:58)
prime:

Ilaina tokoa ve ny mahafantatra hoe voavonjy Pilato sa tsia?...
Ny famonjena dia an'ny tsi1-1 tokoa ka sarotra ny hiteny ny olona hafa ankoatra ny tena... ny finoana dia omena ho an'ny tsi1-1... ny famonjena koa dia omena ho an'ny tsi1-1...
Mba manontany tena tokoa aho hoe,inona ary no antony itoriana ny filazan-tsara fa rehefa fantatrao ny tenanao fa voavonjy dia ampy anao izay?Ho inonao tokoa moa i Pilato na voavonjy na tsia,torak'izany koa i Perrot jaovelively rarahian'ny maninao inona izy na lasa any amin'ny afobe aza,tokony ho personnelle ny finoana ary atao secret sao voatsaratsaran'ny olona foana ianao,sady mety hitsaratsara olona koa.Na ny zanakao na rahalahinao aza tsy tokony iresahanao fivavahana izany mihitsy.'Zay ny ahy no hevitro.


9. prime ( 12/10/2006 09:52)
Fa ilaina ihany kosa aloha ny fitoriana filazantsara satria Jesosy mihitsy no maniraka... ary fitiavana rahateo no mahatonga Azy manao izany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4839