Manao politika amin'ny fo no hitako lesoka amin-dRagasy

1. Rainivao ( 29/09/2006 05:52)
Tsapako hoe ny fo ny antsika Malagasy no entina manao politika fa tsy ny saina.
Ny an-tsika gasy hevitra politika tsy mitovy dia tsy mifandevi-maty ny mpirahalahy, tsy mifam-piditra an-trano ny mpihavana.
Tsy azoko mihitsy amin'ny mpanao politika gasy dia tsy mba misy hevitra hijoroana fa arakaraka ny zava-misy ny hiarahana na hisarahana.
répondu par Rainivao le 06/10/2006 05:42
2. apache ( 29/09/2006 12:02)
Tsy politika no misy eto Madagasikara fa bizna; iza amin'ireo manam-pahefana ireo moa no tsy manana orinasa ary e!!! bizna ary e!!! ka normal be raha ny fo no entina manao politika satria ny fihinànany no voakitikitika; disoy aho raha diso ny eritreritro an!!!
3. prime ( 29/09/2006 12:33)
apache> =D
4. Rainivao ( 29/09/2006 14:01)
Tena marina ny anao Apache! ny politika eto amintsika dia fitaovana entina hampanakarena haingana fa tsy hoe hampandrosoana izany. Ny tombontsoa manokana no mibaiko ny firehan-kevitra. Raha tsy eto Madagasikara tsy misy izany olona mamorona antoko politika izany dia milaza fa hoe ratsy io politika politika io fa ny antokony no tena tsy manao politika (????????)
5. vetsoko ( 29/09/2006 15:07)
tandremo fa ny politique koa anie ka carrière e!
6. lemenakely ( 29/09/2006 18:05)
Ny tena olana dia ny fialonana sy ny fitiavan-tena e! izay lasa ao @ fitondràna manadino ny akàma moa ny tsy nahazo seza koa very fihinanana .Sahala @ andiana liona nahazo haza ka raha misy andiana biby hafa toy ny hyénne na léopard na chacal dia MBAY TANY RY ANONA A!
Mbola ela vao ahita LIONNEL JOSPIN
7. fijo ( 29/09/2006 21:48)
isika tokoa aloha dia manao am po be e.aryzatra manao tatireraka.tsy manohana tsangan kevitra fa mitarazoka amin'olona izay hantenaina ahazoana potiny.
ka isika ihany no mamaha an'io e
8. Rainivao ( 02/10/2006 06:22)
Hevitra mba atsipy ihany ny ahy ity rizareo mapanao politika maty hanina a! Rehefa tonga eo amin'ny fanjakanareo ianareo dia mba ataovy izay hitambatambaran'ny antoko mitovitovy hevitra fa tsy toy izao be tsy handraofana izao. Sarotra heverina mihitsy tany aloha tany hoe ny UNDD izay nanongana ny AREMA (misy tsanga-kevitra tsy hitovizana izany tao) no lasa miara dia indray folo taona aty aoriana (nga nanjary nitovy indray ialy tsanga-kevitra ?)
Miara dia ara-kevitra no tiako lazaina fa ny mpanao politika tokony ho afaka miaraka sy mampiady hevitra foana. Mampitsiriritra tokoa anie araka ny filazanareo azy teo ny mahita ny hevitra hijoroan'ingahy Lionel Jospin e!!! sa hoe ho an'ny olo-mandroso ihany ireny toetra ireny fa ny antsika dia mbola gidragidra mirefarefa amin'ny tany ihany no sahaza antsika ?
Azo heverina koa angamba ny hanoloran'ny antoko politika dimy taona aty alohan'ny fifidianana (isa omemeko fotsiny io fa tsy misy fitombenany akory)izay endriky ny "projet de société" hatsangany hifampitsarana aminy (teny gasy tsy misy hifandraisana @ antoko politika io :=))rehefa tonga eo @ fitondrana izireo.
9. prime ( 02/10/2006 11:40)
rainivao:
Sarotra heverina mihitsy tany aloha tany hoe ny UNDD izay nanongana ny AREMA (misy tsanga-kevitra tsy hitovizana izany tao) no lasa miara dia indray folo taona aty aoriana (nga nanjary nitovy indray ialy tsanga-kevitra ?)
mody fanina v enao sa tsy kôpy mihitsy e... tsy mino aho hoe tsy kôpy enao... ny "cause côtière" no mi-primé ka na mifanipaka tanteraka aza ny tsangan-kevitra d mety miara-dalana kely vety2 pour la même cause...
10. Rainivao ( 02/10/2006 11:58)
Tsy mody fanina aho akory fa manantitra hoe tsy tsanga-kevitra ange izany cause cotière izany e! Ary io mihitsy aza no tokony ho alevina im-7 mandifitr'olona. Na mety misy aza izany dia tokony hazava ny tsanga-kevitr'izay mpamorona ny antoko hoe Gasikara ho an'ny mpanao cause cotière. Amin'izay dia manohana azy ny mitovy hevitra aminy. Sa dia mbola eo amin'ilay fenitra hoe Politika = famitaham-bahoaka no misy antsika kalongany ?
11. lapino ( 02/10/2006 12:01)
Rainivao:
ny politika eto amintsika dia fitaovana entina hampanakarena haingana fa tsy hoe hampandrosoana izany.
Rahoviana angaha no ho lalana mankany amin'ny fananan-karena ny fandrosoan'ny firenena? :roll:
12. Rainivao ( 02/10/2006 12:13)
Tsy ho haiko ny hamaly anao amin'izay. Tokony haka consultant Sinoa angamba isika amin'izay adihevitra izay satria rizareo no akaikikaiky an'io hevitra hatsidikao io.
13. lapino ( 02/10/2006 12:18)
Rainivao:
Tsy ho haiko ny hamaly anao amin'izay.
Tena marina ve? :wink:
14. prime ( 02/10/2006 12:28)
Rainivao> Mety ho tsangan-kevitra io kah... vohizina ankehitriny ny fampandrosoana ny faritra, niainga t@ hevitra federalista, dia mizohy mankany @ fitsinjovana manokana ny faritra taraiky... dia izay no mahatonga ny PIC mianga @ pôles 3 aloha ankehitriny... Fa ny sasany ny fihaviana sy volon-koditra ary tsangam-bolo no andraisany azy fa tsy fampandrosoana...
15. raygasy ( 02/10/2006 13:52)
Ny Gasy dia tsy azo lazaina hoe tena manao politoka zany fa ny politikany dia ny hinana mba ho velona ihany dia mitsinjo ny taranany rehetra. Samy te handroso avokoa anie ny olona rehetra e!tsy misy na irai ary hoe ataovy mahantra izahay na koa tsetsefo fa dinio tsara e!Ny azo lazaina azy dia hoe:ny Gasy dia olon'ny foa".....
16. fijo ( 05/10/2006 22:47)
za koa dia mahatsapa io voalzan'i ray gasy io.tsy pro ny mpanao politika any amintsika.fa olona tsy mahita atao sy ahitanavola nefa te hanana haingana
17. Rainivao ( 06/10/2006 05:42)
Antso avo izany ny ahy no mba ataoko aminareo mpanao politika gasy e! mino aho fa betsaka aminareo no manovo hevitra amin'ity sehatra serasera ity :
Mba asio fanitsiana ara-drafitra rangahy ny fanaovana politika any amintsika fa mahantra loatra ny vahoaka a! asa raha mba averina na hatsaraina ny fanabeazana olom-pirenena ? heverina ny hamatorana ny mpanao politika amin'izay hevitra avoakany fa tsy izao nofinofy rehetra izao dia lazaina fa ho tanterahina daholo dia mino tokoa ny Gasy satria mba te hiala amin'ny fahantrana misy azy amin'izao fotoana izao.
Mirary soa ho an'ny Gasy rehetra indrindra ny mpisera eto amin'ity sehatra ity.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0643