Fifidianan sy ny vola be

1. Robert ( 26/09/2006 19:09)
Ireo nilaza fa ho-kandida @ fifidianana manaraka de hita fa hampiasa vola be daholo. Tena fitiavan-tanindrazana ve ny an-dry zareo sa investissement personnel. Rehefa mahazo seza hitomba zato heny ny lany, hombanga iany ny vola mpanjaka izany na izà na izà tonga eo????
Ankehitriny anefa de milaza daholo (Kandida) fa mahantra ny Gasy, nefa ry zareo ireo ihany no hampahatra antsika rehetra eto...

Antsika ny safidy...
répondu par prime le 02/10/2006 13:28
2. Fiffi ( 26/09/2006 20:11)
hampiasa vola be daholo ry zareo fa midika ve zany hoe ny volam-panjakana no ho lany @ io ?
3. salmo ( 26/09/2006 21:14)
Marina izany. Izay tonga eo amin'ny seza tao miatsaravelatsihy. ¿Aiza daholo ireny propangandy ireny? Ny tanora tokony hivoatra, tsy ampy fitiavana, tsy ampy arena, tsy ampy zava-kanto. ¿ahoana moa no hitiavana ny malagasy raha izany no toetra? Ny lehibe indrindra indray no miseo kely saina. Isika vahoaka ihany no afaka hijery ny ho aviny ireo ao ariana.
4. fijo ( 26/09/2006 22:25)
ka fidio izay tianao dia milamina io e
5. akbaraly ( 27/09/2006 09:21)
Amiko manokana le resaka vola be ts de rarahiako loatra, ts ny ahy alo no miala de ts maninona. Na ny an fanjakana atao hoe volam bahoaka aza ts de hitako loatra zay tena hankafizako azy amin fiainako andavanandro fa reska politika fotsiny. Ny ahy de aleoko ihany misy ny fifidianana fa ao antin ny filaminana de zay no zava dehibe amiko, zay lany eo lany!
6. vakiniadiana ( 27/09/2006 10:27)
aza asiana korontana izany intsony e, tsy efa leo gidra ve isika e ? Aleo handeha tsara ny fifidianana, ny sasany mantsy dia efa mampitandrina fa ho toy ny t@ 2001 indray hono io.
7. Robert ( 27/09/2006 16:11)
Irariana aloha hilamina ny fifidiana.
Ilay resaka fampanantena be loatra no tena tiako tsindrina, milaza izao sy izao daholo izy rehetra nefa ny famerenana ny volany lany @ propagande no ahamaika an-dry zareo voalohany..

i Madagasikara tsy hana-karena oa anaty mandat iray izany.
8. dadasy ( 27/09/2006 20:05)
ka mba omeo manda iray hafa ary izay lany eo hampanankarena ny malagasy e:)
9. fijo ( 27/09/2006 21:44)
robert ,ka varotra anie io e.ampanantenana aloha izay hafaka hino;avy eo lany ny tena dia mba ezahana hovita izay tratra.sura aloha fa tsy hotratra daholo izay nolazaina e.aza manofy isika fa tsy araka izany.
10. vakiniadiana ( 28/09/2006 05:58)
fijo >>> ka tandremo ary izay tsy mahalafo dia mitady hanakorontana, varotra tsy raikitra hono tsy maharatsy fihavanana :-D:-D
11. Robert ( 28/09/2006 12:47)
marina izany izay tsy mahalafo iany no mitady hanakorontana..
12. mandrindra ( 28/09/2006 13:42)
izay tsy mahalfo dia tokony ahatsapa tena hoe tsy nahay nivarotra izy. fa tsy ny mpividy indray no ho korontanina
13. fijo ( 28/09/2006 19:48)
ahhhhh marina daholo izany ry anaka isany,ka mahaiza mividy e.i madagasikara no entana eto ve??????kay
14. prime ( 29/09/2006 14:10)
fa ity misy fanontaniana... fahadisoana ve ny mandany volabe mba hampitombo izany avy eo?
15. fijo ( 29/09/2006 22:10)
izay koa aloha dia zavatra efa fanao eran tany e.fa toa mbola mahagaga ihany ilay izy amin'ny sasany.
16. prime ( 02/10/2006 13:28)
mahagaga tokoa ny sasany an...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0471