misy vidiny avokoa ny olona rehetra???

1. prime ( 15/09/2006 14:07)
Ny olona rehetra hono dia misy vidiny : misy amintsika dia mamadika ny fanapahan-kevitra sy ny fandresen-dahatra ao anaty rehefa tonga eo @ ilay summum... ny sasany quelques millions, d'efa na hanao vivery ny ainy aza dia lasa izao, ny sasany quelques milliards d na hahafaty ny mpiray tanindrazana aza dia lasa izao, ny sasany efa des mille de milliards d adino hatr@ teny nifampitokiana nandritry ny fotoana ela...
répondu par prime le 10/11/2006 15:17
2. Fiffi ( 15/09/2006 14:27)
prime:
[u]Ny olona rehetra hono dia misy vidiny :
hummmm ! soahiany fa hono kosa an! sur ve enao fa "ny olona rehetra " ?


3. dolby ( 15/09/2006 14:29)
prime:

Ny olona rehetra hono dia misy vidiny : misy amintsika dia mamadika ny fanapahan-kevitra sy ny fandresen-dahatra ao anaty rehefa tonga eo @ ilay summum... ny sasany quelques millions, d'efa na hanao vivery ny ainy aza dia lasa izao, ny sasany quelques milliards d na hahafaty ny mpiray tanindrazana aza dia lasa izao, ny sasany efa des mille de milliards d adino hatr@ teny nifampitokiana nandritry ny fotoana ela...



Tato ho ato dia manomboka miha tsy dia azo loatra ny tianareo ambara. Tahaka ilay rang binaire atsy ambadika atsy. :)

4. haridera ( 15/09/2006 14:29)
aleo hangalana mizana de lajaina de hita eo hoe ôtrinona zany ny kg e!
5. prime ( 15/09/2006 14:41)
dolby> hazavaiko kely ary e... isika (izaho sy ianao sy ny olombelona rehetra) hono dia misy vidiny avokoa hoy ny "psychologue américain" iray, izany hoe na inona faharesentsika lahatra, ohatra : izaho dia tsy hanary ny mahamalagasy ahy na sandaina ohatrinona na ohatrinona (nationalité io ohatra)... fa rehefa misy miteny aminao hoe ohatrinona fa, sady omeko vola ...$ ianao ohatra d omena an'izao sy izao, d ndao ovaina ny "nationalité'nao" atao amerikana... fa tsy vitsy no hiova hevitra... ohatra faran'izay tsotra io...
Ka ny rehetra hono na mafy loha toa inona aza voavidy avokoa... fa ny olona tsy mpahita milliards, raha hatao eo imasony eo izany d miova ny sainy... (mivadika aza indray2)...
haridera> :-D:-D ka rehefa fantatra ilay hoe mivadika ianao d azo refesina @ izay ny kg...:-D:-D
Fa misy amin'ny olona na 10 millions izany aza mbola tsy hitan'ny masony na notsapain'ny tanany na dia indray mandeha aza... ka raha izy no aseho 100 millions d mety tsy hay izay hiseho...
Firy2 moa ny olona efa noeritreretina tena itokiana dia atao "caissier" amina boîte financière goavam-be ireny... fa rehefa raisin'ny tanany izany hoe centaine de milliards izany, lasa ihany ny eritreriny hoe ahoana ity... raha zà no izao na mahazo an'ity an...
6. haridera ( 15/09/2006 15:00)
ampisehoy ary alo lé milliard de hitantsika hoe ôtrinonany kg-ko e :roll:
fa raha tsy alefa lvitra akory anie ny saina de mora ihany ny mahafantatra hoe ôtrinona ny olona ray e, raha zatra mahita 10000 isan'andro ilay olona dia ataovy miampy 0 ray fotsiny io fa tonga izy de mety manaiky avy hatrany satria aiza no ahita hoy ny fitenenana,
ny nahatonga ilay psychologue nilaza an'io angamba dia satria amin'izao fotoana izay tsy misy martiora tsony ka sahy maty fa tsy voavidy na ôtrinona na ôtrinona, na tsy hiova amin'ny heviny mihitsy,
7. prime ( 15/09/2006 15:05)
haridera> azonao tsara ny tian'ny mpanoratra ambara... fa izao fotsiny, "ny olona rehetra hoy izy...":wink:
8. Fiffi ( 16/09/2006 06:52)
prime:
Firy2 moa ny olona efa noeritreretina tena itokiana dia atao "caissier" amina boîte financière goavam-be ireny... fa rehefa raisin'ny tanany izany hoe centaine de milliards izany, lasa ihany ny eritreriny hoe ahoana ity... raha zà no izao na mahazo an'ity an...
io ve de azo raisina hoe vidin'ny olona 1 ?


9. pissoa ( 16/09/2006 15:12)
Fiffi, aza tonga dia raisina amin'ny hoe varotr'olona ny resaka, fa vakio tsara aloha ny lazain'i Prime :-*:-*:-*

Ny tenin'i Prime raha fintinina ny fahazahoako azy dia hoe ny olona rehetra dia mamadika na mivadika amin'ny tenany rehefa omena vola. Ka ny sandan'iny vola iny no ataony hoe vidin'ilay olona iray.

Prime: Raha hoe misy vidiny daholo ny olona rehetra, dia boooobaka be izany ny olona maty - tsy mba nahita sy tsy nahalala ny vola tokony ho vidiny akory :-D:-D:-D
10. Fiffi ( 16/09/2006 15:36)
pissoa: ok akia an! :):-*:-*:-*:-*
11. prime ( 18/09/2006 14:26)
pissoa> izay mihitsy no tiana ambara...
pissoa:
Raha hoe misy vidiny daholo ny olona rehetra, dia boooobaka be izany ny olona maty - tsy mba nahita sy tsy nahalala ny vola tokony ho vidiny akory
ie...:-D:-D
fiffi> azonao @ zay? dia lazao ary ny hevitrao e...:)
12. Fiffi ( 18/09/2006 18:11)
[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Hum.../U_THIN%7E1.GIF[/IMG]
13. pissoa ( 18/09/2006 19:45)
zah mba te hahalala ny vidiko :roll::-D:-D:-D
14. HESHA ( 19/09/2006 09:55)
de inona am zay le iadian kevitra e ?
efa mazava zany fa na ny ntaolo aza efa niteni fa ny maso jamban ny vola, ko.
za efa mpilaza an zay kou teto hoe na be na kely izi io de manova zavatra foana
15. prime ( 20/09/2006 09:23)
Eto @ tanàna anie ry zareo misy olona vintsa no any @ le olona hitan-dry zalahy fa vitainy ianao e... ny sasany portable tsy d le tena bômba no tazany d'efa vita ianao... ao ny irahina hanao versement'na 150.000fmg d'efa mivadika ny loha...
Ny olona jamban'ny vola tokoa ve?...
Fa misy olona efa io vola io no kirakirainy eo isanandro fa na milliards aza raisin'ny tanany mbola tsy mihontsona izy aloha...
16. ninih ( 20/09/2006 15:17)
ka le vola hono no hozatry ny fiainana ko!
17. mandrindra ( 21/09/2006 12:39)
ny vola no mifehy ny tontolo
18. lalab ( 21/09/2006 12:58)
non , ny vehivavy no mifehy ny tontolo
19. mandrindra ( 21/09/2006 13:45)
tsy ny tontolo no fehezin'ny vehivay fa izay kely tafiditra ao aminy
20. Fiffi ( 26/09/2006 21:41)
iza hiany na inona hiany no mifehy ny tontolo ary raha izany eh ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2445