Fiarahamonina: Zary fomba ny manary zaza .
1. Fiffi
(
12/09/2006 08:07)
Saro-pady ny ain'olombelona
Efa tsy tahotra tsy henatra intsony ny ray aman-dreny sasany ankehitriny, fa dia ny menaky ny ainy mihitsy no zary sahiny ariana etsy sy eroa. Tao anatin'ny hateloana fotsiny dia tranga telo no nampivarahontsana ny rehetra.
Ny tetsy Ankadimbahoaka, zaza iray volana natao anaty harona plastika dia nariana teny antsisin-dalana. Ny tetsy Ankorondrano izay tsy misy valaka tamin'io, ary ny farany ny omaly maraina tokony ho tamin'ny 8 ora teny Nanisana Ankerana. Zaza efa tena hari-fomba mihitsy raha ny fahitana azy, satria efa voatapaka ny tadim-poitrany no nisy nanary teny amin'ny faritry ny fefiloha Nanisana. Raha ny voalazan'ireo tompon’andraikitra izay filoham-paritra Rakotoarisoa Jean Bosco tamin'ny mpanao gazety dia mbola nitem-po sy nisy aina ity zaza ity. Efa tonga teny an-toerana moa ry zareo eo anivon'ny Bmh sy ny mpitandro ny filaminana izay nizaha ity zaza nisy narary sy tsy nisy aina ity intsony.
Ny tarehin-javatra tahaka itony no nahatonga ny maro hilaza fa tokony hampitomboina ny fampianarana ny rehetra fa saro-pady ny ain'olombelona, ary loza mitatao eo ambony loha mandrakariva ny fanarian-janaka, na velona io na maty, na zaza niriana io na tsia.
répondu par prime le 20/09/2006 11:12
2. miantra
(
12/09/2006 08:55)
Tena mampalahelo ary mampametram-panontaniana!!!
Fa maninona no tonga amin'izany isika malagasy? Angaha tsy misy intsony ny programan'ny "fianakaviana sambatra taloha sns....."???????
Amiko mantsy ny tokony atao mba hisorohana ny zava-misy toy izao dia tsy misy afatsy ny fitaizana ny olona amin'ny fanabeazana aizana , sy ny fitaizana ny tanora amin'ny resaka fananahana.
asa aloha fa mba eritreritra iny ny ahy

3. Fiffi
(
12/09/2006 09:51)
ny zaza tsy manan-tsiny no tena mampalahelo nohon'ny adalan'ny olona.:(
5. Fiffi
(
12/09/2006 15:54)
adino ahoana ny maha-malagasy ? fandrosoana koh ve no azo lazaina an'zao ?:roll:
6. dailynews
(
12/09/2006 19:38)
rasoul:
mampalahelo e!
izany no vokatry ny fandrosoana e!
adino ny maha malagasy sy ny soa toavina
idiran ny maha malagasy tokoa ve izany sa ny maha olombelona tsotra izao?
7. HESHA
(
13/09/2006 14:06)
Tena mampahonena, fa dia nahoana loatra re ?
Nefa efa misy ny fomba rehetra hisorohana ny zaza tsy niriana toy ny kapaoty, ny pilule, . . . ny IVG raha sanatria, tsy azoko mihitsy hoe maninona no efa entina 9 volana, ateraka, hita vatana, vao ariana ?
Za kou de tena offusquee (tsy haiko ny ilazana an io am teny gasy fa azafady) am fihetsika toy izao. Mba farafaharatsiny nomeny ol na naterini tani am zaza kamboty angamba mba ataoko hoe azo noleferina fa tsy any am fako ary tsy vonoina, satria vono ol tsotra izao ireo

8. Fiffi
(
13/09/2006 15:46)
HESHA:tena tsy azoko koa an! niharitra nitondra an'io zaza io nandritrin'ny 9 volana de sahy hariana sy vonohina tahak'izao ?
tsy azoko mihitsy hoe maninona no efa entina 9 volana, ateraka, hita vatana, vao ariana ?
9. miangalyandria
(
14/09/2006 10:09)
Ny fahantrana, ny fahatahorana ny vavam-bahoaka koa etsy andaniny, ny fahafaham-baraka sy ny sisa, ny tahotra ny ray aman-dreny, tsy hay intsony e. Ny tsy fahampian'ny fanabeazana dieny mbola zaza miala sakana moa manginy fotsiny.
10. Fiffi
(
14/09/2006 10:32)
HESHA:tena tsy mahita lazaina intsony aloha zah fa :(:(:(:(:(
Nefa efa misy ny fomba rehetra hisorohana ny zaza tsy niriana toy ny kapaoty, ny pilule, . . . ny IVG raha sanatria, tsy azoko mihitsy hoe maninona no efa entina 9 volana, ateraka, hita vatana, vao ariana ?
11. rasoul
(
14/09/2006 12:00)
fiffi
Tena fandrosoana tokoa moa zany ; zany no vokatry ny fanarahana tsy am-piheverana ny fandrosoana, tsara nge ny fandrosoana raha arahana araka ny tokony ho izy e, nefa tena mampahonena ny vokany refa tsy hay ny manaraka azy

12. Fiffi
(
14/09/2006 14:48)
:roll: zany ve ? nefa ny hoa fandrosoahana dia ireo kapoty , pilina sns hiharovana indrindra @ ireo .
13. prime
(
15/09/2006 15:06)
Nefa koa any ho any misy olona maniry zaza mafy ka raha mba nifanojo taminy izao izany dia lafatra ny fiainany, moa ilay ramatoa renin-jaza tsy afabaraka... :wink:
15. HESHA
(
19/09/2006 10:03)
Mpandefa : miangalyandria
Ny fahantrana, ny fahatahorana ny vavam-bahoaka koa etsy andaniny, ny fahafaham-baraka sy ny sisa, ny tahotra ny ray aman-dreny, tsy hay intsony e. Ny tsy fahampian'ny fanabeazana dieny mbola zaza miala sakana moa manginy fotsiny.
kanefa anie efa nentina 9 volana e, zany hoe tsy maintsy efa nisy nahatsikaritra zany le izy, ka nahoana le kibo nibontsina tsy nahatsiarovan tena ho afa-baraka fa efa zaza mitomany ve vao hoe mahamenatra ????????