fanaovam-beloma !
1. xxx
(
06/09/2006 08:31)
eo amin-tsika malagasy moa dia zava-dehibe ny fomba amam-panao : mariajy ,famadihana sns , mba lasa ihany ny eritreritro hoe eo amin' ny lafiny iray ity : ny fandevenana , indrindra raha olona ambony taloha teo amin' ny firenena no lasa : tokony hanaovana cérémonie sa ahoana ? mba tiako ho fantatra ny hevitrareo !
répondu par Fiffi le 08/09/2006 20:16
2. hery
(
06/09/2006 09:03)
Tsy mitovy ny fomba na dia samy Malagasy aza.
Misy faritra sasany, rehefa olobe no maty, dia tena famonoana omby sy lanonana mihitsy. Izany hoe efa tena misy io fa tsy hoe vao hatao.
Any ampovoantany aloha toa mbola tsy torak'izany.

3. naritsimba
(
06/09/2006 09:55)
Miankina @ safidin'ny fianakaviana io, na hampilaza @ tompon'andraikitra ara-pomba ôfisialy na tsia, ny hitako aloha dia ny filoham-pirenena ihany no anaovana lanonana manokana na ireo olo-malaza toy ny Akademisianina (Pr RATSIMAMANGA), fa raha olona ambony taloha toy ny Ministra na depiote na senatera dia miankina @ zavatra nataony sy vitany io.
Ny any @ faritany no misy ambaratongany olobe, sojabe, tangalamena sy ny hafa koa.
Ny ceremonie tian'i xXX ho lazaina no tsy azoko, raha manana ordre national izy dia miankina @ fianakaviana raha haka miaramila hanao paorizenitra na tsy haka, tsy voatery io akory satria ny olona rehetra manana Chevalier de l'Ordre national ny miakatra dia manana zo haka miaramila ny fianakaviany rehefa maty izy hanotrona azy rehefa tonga ny fotoam-pandevenana na eny @ tranony na eny @ fasana fa ny fianakaviana no miantoka ny fitanterana sy ny sakafon'ireo miaramila manao an'io.
Tadidio anefa fa tsy ilay olona eto no anaovana paorizenitra fa ilay mari-boninahitra satria faty no resahina an!

4. xxx
(
06/09/2006 11:51)
misaotra an ' i hery sy naritsimba namaly ka io no tiako ho fantatra : ilay hoe hanaovana paorizenitra ilay mari-boninahitra , sady mino aho fa ny malagasy angamba tsy mba mitahiry alahelo na tsy mitovy firehikevitra aza .....
6. diamondra27
(
07/09/2006 06:57)
any @ wanadoo misy forum hoe: i... hono maty
de mangataka vaovao izy. Ka sao dia io tokoa ary le tianao lazaina?

9. diamondra27
(
08/09/2006 15:25)
misy ao e!
olona tena manandanja teo @ malagasy le izy ary nomenkaja