Hosorana tantely!

1. soanja ( 06/09/2006 03:55)
Rehefa misy olona vao tonga voalohany ao antranonao dia milaza ianao hoe "Tongasoa ato aminay ary hosorana tantely mihitsy"
Mba misy afaka manazava momba an'io ve. Sarisarin-teny ve io sa tena nisy mihitsy ilay fanosorana tantely. Rah anisy io dia aiza amin'ilay olona no hanosorana azy. Ary naninona no tsy natao intsony izany nefa tsy nisy naharatsy azy ny fahitako azy. Misaotra mialoha.
répondu par soanja le 22/09/2006 23:15
2. Bakobako2 ( 06/09/2006 05:04)
Ka hosorana tantely sy dobera ary ve i anona e!
sa Whisky sa labeeera ?
( Tandimerina , Samoela )
Ny fahafantarako azy ry Soanja an, tô tsy nosorana fa norosoana, zany we norosoana ny soa . ny vahiny.
Fa netinety kokoa ny niteny we hosorana.
:):)
3. Fiffi ( 06/09/2006 06:12)
ny fahafantarako azy indray aloha de hoe tongasoa , ny gasy manko tena mbola feno fahendrena sady mahay mandray vahiny ! tena tsy aiko ny hilazana azy fa toa ny fo feno hafaliana no natao handraisana ny vahiny ?
4. jentilisa ( 06/09/2006 07:05)
ilay tenin'i bakobako no toa izy kokoa...omena zavatra misy tantely e!
5. soanja ( 07/09/2006 05:14)
Hovako indray zany ilay fiteny fa tsy hosorana tantely intsony fa hoe horosoana tantely. Misaotra o.
6. naritsimba ( 07/09/2006 07:55)
Hosorana tantely na hosora-menaka samy izy daholo ireo ary natao ho an'ny olona sambany vao niditra ny tokantrano iray.
Ny dikan'io dia azo raisina @ ilay hoe: vary amin'dronono tondrahana tantely, izay midika fa ny ronono dia menaka ihany koa.
Raha jerena izany ireo dia hoe ny mamy no atao ho an'ny vahiny na ahosotra na aroso.
Sady manosotra tantely ny handrin'ilay vahiny ny tompon-trano no manasa azy hiara misakafo.

Lazao raha misy hevitra hafa ô!
7. chipie1 ( 07/09/2006 18:37)
naritsimba > dia tena misy manao anizany mintsy ve ? aosotra tantely ny andriny vahiny ?
8. naritsimba ( 08/09/2006 06:22)
chipie1> tena misy io ka, izaho tsaroako tsara fa tamin'ny zafikeliny Dada sy mamanay ka entina mankany an-tanindrazanay voalohany dia hosoran'ny dadanay tany ny handriny, satria sambany izy no tonga any an-tanindrazanay. Dia mitso-drano azy izy amin'izany.
9. soanja ( 08/09/2006 19:48)
Naritsimba, tena mbola ho betsaka mihitsy no horesahintsika rehefa mifanena sa ahoana?
10. fijo ( 08/09/2006 22:39)
za mbola nahita io lazain'i naritsimba io.ary tena io le fanazavana ny hosorana tantely.le hevitra hoe "mamy" no tena lehibe eo
11. soanja ( 09/09/2006 00:09)
Zany hoe Mamy ny mody na mamy ny tongasoa izany sns sns. Le ronono aman-tantely aloha de matsiro e. Zany ka sakafo.
12. mandrindra ( 12/09/2006 13:50)
ilay manosotra tany eo amin'ny andrina aloha dia maro no mbola manao an'io.

ny hoe fanosorana tantely dia tsy vitan'ny hoe mamy fotsiny fa sarobidy satria lafo vidy ny tantely taloha
13. Fiffi ( 12/09/2006 16:32)
hatramin'zao mbola lafo vidy ny tantely koh! 7,50€ ve ny 500ml ?
14. xxx ( 13/09/2006 12:39)
"Tonga soa, hosorana menaka sa hosorana tantely" no fahafantarako azy

Izaho manao an'io, maka menaka na tantely kely @ fanondro aho dia ataoko eo @ tanan'ilay vahiny.

tantely na menaka toa milaza fahafenoana zavatra tsara sy lafo vidy (précieux araky ny voalazn'ny hafa teo aloha). Firariana zavatra tsara betsaka ho an'ilay olona . Toy izany koa ilay hoe "hosoran-dreniny menaka"

Mandinika aho eto nefa toa tsy diso koa ilay hoe "horosoana tantely"
15. fijo ( 21/09/2006 21:50)
ny menaka dia midika hery."samy nosorandreniny menaka."ny tantely milaza hamamiana,ka samy zavatra tsara ireo ary irariana amin'ny olona mandalo.
16. soanja ( 22/09/2006 23:15)
Ny tantely no mamiko indrindra. Fiteny ve io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.582