FOMBA FISAONANA .

1. Fiffi ( 01/09/2006 10:38)

Lasa ny heritreritro raha namaky an'izay lahatsoratra hitako zay hoe mbola misy mihintsy ny Malagasy rehefa misaona de 6 volana misaona mainty ranoray , 6 volana misaona "pied de poule" zany hoe mainty sy fotsy .

Tsy hoe maniratsira ny fomban-drazan'ny olona akory ny hilazako an'ity fa heriteritra mandalo fotsiny an!

-Satria fantatra fa malahelo ny olona zay nanana fahoriana
-Fantatra koa fa ny fo hiany no mitondra ny fitiavana

-Nefa fantatra fa sambatra le olona natsohin'ny Ray hody any aminy (raha Kristianina)

-Marina fa hoe misy ny halahelo fa toa ohatran'ny ela be ny fisaonana azy ! Miampy ny fisaonana fitondrana akanjo mainty , ao koa ny hoe tsy mahazo mijery fitaratra , tsy mahazo mihaino mozika (radio),
tsy mandeha raha misy fety ?

Ary raha ohatra hoe tsy manaraka an'ireny fomba ireny ve de midika hoe tsy misy fanajana na fitiavana an'le olona nodimandry na ny fianakaviany ?

répondu par Fiffi le 11/09/2006 20:52
2. mandrindra ( 01/09/2006 10:49)
ny fomba dia entina aseho ho hitan'ny mpijery. fa ny tena zavade hibe dia izay tsapa sy tazonina ao anaty ho an'ny efa lasa.
3. boubounezy ( 01/09/2006 10:56)
zay alou tsy misôna zany fa arakiny teniny mandrindra wé zé tsapa tazonina ao anaty. tsy wé ra tsy misôna enao dé tsy ty ny havanao akory, na wé misôna dé ty ny havanao, cinéma dôly reny @ko nefa samy manana ny fombany ny oull retra.
4. Rafotsy ( 01/09/2006 11:34)
Zahay koa aloha tsy misôna sa misaona ( ahoana ny fanoratra ) , fa rehefa mandevina no manao akanjo fotsy na beige na couleur sombre ( gris na mainty )! Fa ny andavan'andro dia tahaka ny isan'andro ihany !
Ny fo marina anie no mitondra ny saona (?) fa tsy ny aty ivelany e ! Kanefa moa samy manana ny fombany ka zah dia mi respecte ny rehetra !
5. Fiffi ( 01/09/2006 11:44)
ka zay indrindra manko an!
misaona angamba ny fanoratana azy kah! :):-*:-*:-*
6. volana1 ( 01/09/2006 11:54)
Io dia samy manana ny azy e ! misy mahatsapa mihitsy hoe tsy te-harevaka sy hideradera satria malahelo, ary tsy mandry mihitsy ny saina raha ohatra manohitra izany, io dia ilay hoe samy mi-respecter ny fomban'ny tsirairay. Izay ihany no maha-olon-kendry, tsy azo atao ny miteniteny ny olona misao hoe aoka izay fa izy ihany no mahalala, samy manana ny fitiavany ny malalany ny olona tsirairay.
7. booboo ( 01/09/2006 11:58)
hum...tsy fantatro na ampy zany 6 volana zany, raha amiko manokana, eny na fantatro aza fa miadana be izy any @ zay misy azy any, eny fa na aza kristiana zà. Le temps guerrit les blessures ouz dadako zay, dônky ...

Ny @ fitondrana akanjo mainty sns, dia endrika ety ivelany hanehoana ny alahelo ireny amiko. Raha tsy misy an'ireo indray dia tsy midika hoe tsy malahelo na tsy haiko, fa tsy dia miasa loatra amin'ilay olona zany ireo fika ireo, mety asehony @ raha hafa ( mitomany irery sns ).

Samy manana ny fomba hanehoany ny fisaonany kah.
8. volana1 ( 01/09/2006 12:05)
Marina zany Booboo a ! fa ny ahy ho'aho ny tsy tiako dia ilay manananananatra olona hoe esory amin'izay ny akanjo mainty e ! Zay tiako ihany io. Samia mi-fampi-comprendre ! za mety malahelo be ohatra raha forcer-na hiala.:(
9. Fiffi ( 01/09/2006 12:36)
ka zayangamba no tiako lazaina hoe tsy ny fitondrana ny akanjo mainty no mavesa-danja fa izay ao amponao ao hiany .
10. booboo ( 01/09/2006 12:37)
Fiffi > aaa, @ sasany dia misy dikany beeeeeeeeeeee aminy io kah.
11. Fiffi ( 01/09/2006 13:03)
booboo: marina akia zany an! ary tsy mandaha an'io zah fa mba gaga fotsiny hoa zah an!
12. ralos ( 01/09/2006 14:11)
Ary ahoana ndray ny fahitanareo le olona manao mainty be foana nefa tsy misaona?:-D:-D:-D
13. volana1 ( 01/09/2006 14:46)
Iny indray dia fitiavana ny couleur noire, sady mampifintina anie ny noir e !
14. yonikafopl ( 02/09/2006 16:35)
ny aty aminay ny akanjo maintsy lamaody indrindra rehefa soirée.

Ilay fisaonana indray samy manana ny fombany fy ny eritreriny ny tsirairay. Ka ze tiany ihany io hoy volana1
15. Fiffi ( 04/09/2006 09:17)
ka izay indrindra manko hoe ny akanjo mainty de lamaody hany ka tsy fantatra intsony hoe misaona ve sa...?
16. prime ( 05/09/2006 13:24)
Izay ao am-po tokoa no mitondra an'izany fa tsy ny akanjo... nefa moa misy mihitsy olona malahelo tokoa satria tsy manaja hono raha vao manao akanjo marevaka nefa ny andro fahoriana...:wink:
17. Fiffi ( 05/09/2006 21:31)
ka zany hoe marevaka zany kosa ve akia ry prime tsy mampiseho mihintsy hoe misy fahoriana koh !
18. naritsimba ( 06/09/2006 09:02)
Raha ny fomba fisaonana eo amintsika Malagasy dia nanana ny fahasamihafany isaky ny foko.
Ny ho lazaiko eto dia ny eto afovoan-tany:
1° Misy ilay olona nodimandry no nanafatra hoe tsy maintsy isaonana ary dia lazainy eo ny faharetan'ny andro hisaonana azy rehe fa maty izy.
2° Taloha dia lalàna mihitsy ny fisaonana ary voasoratra tao anatin'ny Dimy vety sy telon-jato "Code 305" (lalam-panorenana t@ faha-mpanjaka)(, ary samihafa ny fomba fisaonana arakarak'ilay olona maty.
3° @ izao raha misy sisiny mainty ny ferapara filazana manjo dia akanjo mainty no isaonana ilay olona fa raha tsy misy io dia fotsy izany no isaonana azy.
4° Tafiditra ao anatin'ny kolontsaina Malagasy ny fomba fisaonana ary raha mandinika ianareo dia manaja izany na iza firenena na iza firenena.

izay indray aloha no azo lazaina
19. Fiffi ( 08/09/2006 12:07)
hummmm ! tena zay zah vao mba nahafantatra an'zany hoe nisy lalàna zany an!
20. naritsimba ( 11/09/2006 09:27)
Fiffi> tena nisy io fa jereo io lalana io, indrindra ho an'ny fisaonana ny mpanjaka, ny olon-tsotra, sns...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0444