Fanapoahana grenady.

1. Fiffi ( 25/08/2006 07:47)

« Tsy asan-jiolahy fa resaka politika », hoy ny AVI

Manoloana ny fisehoan-javatra omaly tamin'ny nanipazan'ny sasany grenady ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana etsy Ambohidahy, dia samy naneho ny heviny momba iny ny antoko maro samihafa ka anisan'izany ry zareo eo anivon'ny antoko AVI.
Ny SG -ny antoko AVI dia nilaza fa efa nampoizina izao, ka izay no ilàna haingana ny fifampihainoana. Tsy mahafaty antoka ny manao izany ary mbola hamafisin'ny AVI ny tokony hirosoana amin'io dinika io.
“Tsy asan-jiolahy fotsiny io fa resaka politika matoa hatrany amin'ny HCC no misy manipy fitaovam-piadiana mahery vaika tahaka izao. Tsy misy manana tombon-tsoa amin'ny hisian'ny korontana eto amin'ny firenena, ary amin'izao fidiran'ny mpianatra izao, mila milamina ny tany, kanefa raha tena asa fampihorohoroana kosa no entina manery ny fanjakana hanao ny fifampidinihana dia tsy miombon-kevitra amin'izany izahay AVI” hoy ingahy Laurent Ramaroson.
Toa te-hilaza ity antoko ity fa fanombohan-javatra amin'ny ahiahy efa mipetraka ao amin'ny maro ny tahaka izao, ka raha mbola miziriziry tsy hihaino ireo fitarainan'ny maro ny mpitondra, dia asa izay mbola hitranga eto.

Naivo kely Madagascar Tribune
répondu par Fiffi le 28/08/2006 16:00
2. tenagasy ( 25/08/2006 10:42)
Mankamamy hatrany e! Ary miala tsiny raha tsy afaka niserasera teto elaela izay!
Sina tokoa mandre ny zava-misy ataon'ireo tsy mataho-tody! Mbola mba olombelona ihany tokoa va re e? Dia minoa ahy ianareo fa raha mahita izao soratra izao izy ireo dia mivanitikitika! Mampalahelo.
Ny hevitray dia izao: miketriketrika sy manatanteraka ireo tsy valahara, miseho ny zavatra, mihoronkoditra ambony ihany ny vahoaka, mivoy sy maneho hevitra ireo manambava ary mikafiry sy mampiasa ny zavabitan' ireo fahavalom-pirenena hamotorana izany heviny izany.
Fa ho anay: na ireo miketrika sy manatanteraka, na ireo mivoy sy mampiasa izany hamotoran-kevitra dia mpandray anjara sy mpankatö ny fampihorohoroana sy fanakorontanana firenena toy izao avokoa: noho izany samy tompon'antoka! (Aza milaza tsy anontaniana e!)
Tsy tsikera fotsiny:
Ny vahoaka no maha fanjakana ny fanjakana, ny zavatra vitan'ny fanjakana dia ny vahoaka no mahavita azy. Koa mandraisa isika ny andraikitra tandrify antsika fa na iza na iza re rey olona mpitondra eo tsy hahavita an'io irery izany, rehefa tsy hihetsika isika vahoaka.
Maninona raha tena manameloka izany tokoa raha izay hanenjehana sy hamongorana izany hatrany @ ireo rangory be fototry ny afo no andeha hiaraha-mientana eh? Atambaro ny hery, mivonöna, andao hiray hina. Samia mailo, karohina miaraka ireo mania, izay manana vaovao mitafia fahasahiana ka avoaho hibaribary. Raha mbola filaminana sy hoavin'ny menaky ny aina ihany koa no tanjontsika!
Mahafaty antoka be antsika ve ohatra raha asiana mpitsikilo isa-tanàna? (tsy mpiambina fa mpitsikilo, ifandimbiazana: tsiambaratelon'ny isa-tanàna) Sady manafaingana ny fanairana ireo mpitandro filaminana izany, moa mahamora ny fanenjehana sy fikarohana ireo jiolahy ihany koa!
Hoy ny ao atsimotsimo ao: "Tsa misy raha te-ho anao fa agnao ro te hanagna azy!"
Ary safidim-bahoaka ve izy ity sa didin'ny besandry eh? Na izany aza: na grenady na tsy grenady, ny vahoaka: izay tiany ihany no tiany, tsarovy fa latsabato miafina no hatao. (Resahina manaraka)
Mirary soa!
3. prime ( 25/08/2006 13:27)
Sarotra izany ry tenagasy a... efa niala t@ izany fomba kôminista izany isika dia aleo tsy miverina @ izany intsony... Efa hary fomba ny mpitandro filaminana sy ny manam-pahefàna dia aleo hanao ny asany fa manjary be karama tsy miasa eo indray...
4. tenagasy ( 25/08/2006 13:41)
Mankamamy e!
Dia miandrasa eo ary ianao fa hitehafana valala eh!
Dia aza be tsikera fa mazotoa manerinerina tsara mitango lalitra mibanjina ny lalan'ny olona!
Fa inona no zavatra heverinao fa mora eto amin'ity fiainana ity r'i namana prime? Inoako fa tsy ilay zaza mpanao arizato ampandriana ianao! Na koa ireo mpiandry ho toloram-potsiny!
Tsy hainao angaha ilay fiteny hoe: "sarotra ny miaina na dia lehibe aza ny vatan'orona"? hi hi hi! Koa indrindra izany raha kely vatan'orona sy vatomanga toa ........ Ha Ha Ha... lol be!
Soso-kevitra iray omeko anao: misafidiana ianao olona iray izay mety ho lazainao hoe sambatra, na irinao ny hasambarany, na koa izay idealinao dia anontanio izy raha mora aminy ny miaina!Ara-piaraha-monina, ara-pivelonana, fandriampahalemana, fahasalamana ...sns....
Mirary soa!
5. prime ( 25/08/2006 14:07)
:-D:-D
Izaho angaha moa miteny hoe mora ny miaina... ilay fomba fiasa no lazaiko hoe sarotra mba tsy itenenako hoe lany andro... izaho milaza aminao fa efa manana ny vao2 rehetra mikasika an'io ny manam-pahefàna fa tsy mipetrapetra-poana tsy akory... Indrindra raharaha lehibe toy ireny resaka grenady ireny no miseho... "crime contre l'Etat" (crime de lèse majesté) anie ireny fa tsy resaka tsotsotra hoe fanodinkodinana ohatra e... Ka aleo samy handray ny andraikiny e...
Fa izaho aloha midera ny herim-ponao tsy hitomoemoe-poana, kanefa dia hoy aho hoe aza entim-po fotsiny aloha fa diniho tsara vao miroboka fa zavatra maro no mialoalo ao ambadiky ny raharaha politika toy ireny fa tsy resaka jiolahy anelakelan-trano akory...
6. Fiffi ( 25/08/2006 14:40)

Mety hisy hanome tsiny mivantana anay hoe « te hiaro an’iza indray ry Ralay izany fa mazava ny ao ambadik’ireny fitorahana grenady tato ho ato ireny fa ny mpanohitra “mahery fihetsika” eto ka mbola hifanatsafa eto indray ve ? »
Ny iantefan’ny fisainan’ ny maro tokoa aloha dia tsy maintsy ho izay. Ny antony dia ny mpanohitra no nandrangaranga hatry ny ela fa tsy mankasitraka ny hanatanterahana an’io fifidianana amin’ ny 3 desambra io raha tsy voavaha ny olana misy ka mivaly ny fitakian’izy ireo, dia ny famotsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena, ny fanovana ny lalàm-pifidianana, ny fankatoavana ny vaomieram-pifidianana mahaleotena, ny fampiasana ny bileta tokana… sy ny sisa.
Tokony tsy hanao fitsarana ambony ihany koa anefa satria raha izay no toe- tsaina hijerena ny raharaha dia tokony tsy hanohy ny fanadihadiana sy ny famotorana momba izao toraka grenady izao ny manam-pahefana tompon’andraikitra fa avy dia misambotra an’ireo lohandohan’ny mpisorona be vava ao anivon’ny mpanohitra avy hatrany
(Pr Zafy, Loholona Ramasy, Vaovao Benjamin, Tsimiondra Tomasy, sy ny hafa). Matoa anefa miala nenina mikaroka ny « marina » na ny mety ho tompon’antoka amin’izy ireny ny tompon’ andraikitra dia ny tsy hisambotsamborana olona fahatany na ny tsy faharesen- dahatra ao amin-dry zareo fa ireny sokajin’olona ireny tokoa no nahavanona na nampanao ireny herisetra ireny.
Ralay La Gazette de la Grande Ile
7. lorenzo ( 26/08/2006 08:16)
ny marina dia izao ny mpanao politika no tena manao an'io ary efa fomba lany andro io, marina fa mafy ilay mitady seza ka izay fomba rehetra dia atao daholo tsy mahagaga raha mpanao politika goik'antitra daholo no mihetsiketsika.@ izao fotoana izao te hitondra nefa tsy mahavita ny nitondra aza moa dia laozany mandeha sarety ka tsy mba misy zava bita fa dia lany andro mifanenjika .
8. papala ( 28/08/2006 11:30)
Dia mody mifampitoraka grenady, dia mitaky ny amnistie, dia mitaky ny teteza-mita, dia mitaky ny fampodiana andry zareo nitsoaka any ivelany (sitrapon-dry zareo anefa fa tsy nisy nandroaka azy tany), dia mitaky ny famoahana anireo gadra tsy haihay ao aponja dia mitaky ny bulletin tokana ! dia mitaky........IZANY NO ATIDOHAN'IREO MPANOHITRA MPANAO POLITIKA IREO ! Tsy mba misy fiheritreretana ny fahasahiranam-bahoaka mihintsy hoe andao hamorona asa mba hanafahana an'ireo tsy anasa, tsy mba misy hoe andao hivondrona dia hamorona zavatra hanalefahana ny fahantran'ny vahoaka, TSY MISY FIERITRERETANA NY VAHOAKA MIHINTSY?
MPANAO POLITIKA DONDRONA MIANANKAVY !
9. Fiffi ( 28/08/2006 16:00)
hum..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3257