15 ans de travaux forcés .

1. Fiffi ( 09/08/2006 07:08)

Voaheloka hanao asa an-terivozona 15 taona i Pierrot Rajaonarivelo.

Nilatsaka indray, nanampy ny sazy telo taona teo aloha, ny fanamelohana an'i Pierrot Rajaonarivelo tao amin'ny Fitsarana heloka bevava tao Anosy.


Pierrot Rajaonarivelo, fony mbola teo amin'ny fitondrana, nitokana ny zava-bita tany Toamasina.
Tsy afa-bela eo amin'ny raharaham-pitsarana i Pierrot Rajaonarivelo. Nohelohin'ny Fitsarana heloka bevava hanao asa an-terivozona mandritra ny 15 taona indray ny tenany, omaly. Raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana, no fototry ny fitsarana azy tamin'izany.
Telo mirahalahy izy no indray voampanga tamin'io raharaha io ka anisan'izany, voaheloka 15 taona
asa an-terivozona miaraka aminy, ny mpanolotsaina ara-teknikany teo aloha, Tahaka Georges José Gabriel, sy teratany vahiny iray antsoina hoe Jacques Bonnefoy. Folo taona
an-tranomaizina kosa no azon'ity farany.
Samy tsy nisy niatrika ny fitsarana azy izy telo mirahalahy ireto ka namoaka didy fampisamborana azy ireo avy hatrany ny Fitsarana. Marihina fa ny praiminisitra lefitra teo aloha, Pierrot Rajaonarivelo, sy Tahaka Georges dia nodidian'ny fitsarana tsy mahazo manao raharaham-panjakana intsony.

Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar
répondu par prime le 20/10/2006 08:23
2. lolabe ( 09/08/2006 07:56)
aleo handeha amin'izany e, efa betsaka izay fampahoriana vahoaka nataon'ireo AREMA sy ny forongny ireo izay, ny tsara de i Deba mihintsy no tsaraina ohatr'izany ko de atao manao asa anterivozona mandrapahafatiny, ny ahy aloha de hanafarako taranaka faramandimby mihintsy fa raha mbola ireo AREMA ireo no mitady hiditra ny fanjakana de tonga de bahano, efa nampitondra ny mafaitra ny malagasy ireo ary za izao no vavolombelon'izany, @ 1 maraina de mandeha milaha-bary sy ny sisa, mafy izany ka asakasak'izay mbola manana eritreritra ny hampiditra ireo olona efa azo lazaina fa fahavalom-bahoaka ireo, matoa mbola misy olona mitady hamerina ireo olona t@ andron'i Deba ireo de olona nahazo tombotsoa taminy izany ary niaraka nisôsy taminy, fa raha mbola misy kosa ny olona nahatsiaro nagirifiry t@ ireny andro ireny de hotsarain'ny tantara izy raha mbola mitady hamerina ireo efa maloto sy mamofona eto @ tanàna ireo. Tsara amin'ireo ny mbola omena sazy tena henjana kokoa noho izany 15 taona asa anterivozona izany.
3. zandikely ( 09/08/2006 10:50)
On s’interroge si cette juridiction est-elle compétente de juger cet ancien vice-premier ministre sur cette affaire. L’article 114 de la Constitution stipule que : « Les présidents des Assemblées parlementaires, le Premier ministre, les autres membres du Gouvernement et le Président de la Haute Cour Constitutionnelle sont pénalement responsables, devant la Haute Cour de Justice, des actes accomplis dans l’exercice de leurs fonctions et qualifiés crimes ou délits au moment où ils ont été commis.
Ils peuvent être mis en accusations par les deux Assemblées parlementaires statuant par un vote séparé, au scrutin public, à la majorité absolue des membres composant chaque assemblée . Ils sont justiciables des juridictions de droit commun pour les infractions commises hors de l’exercice de leurs fonctions ».
4. vahatra22 ( 09/08/2006 14:48)
tena marina mintsy nen'i lolabe hoe aleo hihinan' ny fatiny any! izao izy mijinja ny nafafiny! misy valiny daoly ny atao rehetra! izay ko fay tsara!:roll::cry:8)
5. Zina ( 09/08/2006 15:17)
aleo handeha amin'izany e, efa betsaka izay fampahoriana vahoaka nataon'ireo AREMA

Marina izany.
na ho ela na aingana tsy maintsy misy valony foana ny ratsy atao...
6. zandikely ( 09/08/2006 16:21)
Fa na izany na tsy izany kosa hiaran'ny rehetra mahita fa ny fitsarana any Madagascar kosa tsy mandeha amin'ny tokony ho izy. Fitsarana tsy manaraka lalàna.
Raha jerena ity cas an'i Pierrot ity dia tsy tokony tany amin'ny droit commun mihitsy nanaovana azy satria, teo amperinasa izy nahavita izany zavatra izany tokony ny Haute cour de justice no hitsara azy, nefa io mbola tsy misy hatramin'izao, dia tokony Assemblée parlementaire no hanao izany.
Io karazana didim-pitsarana tsy mitombina, izany no tsy hahasahian'ireo mandefa mandat d'arrêt internationnal fa karazana zavatra atao mba tsy hahafahany mody any Madagascar, any ny fandehan'ilay resaka.

7. Fiffi ( 09/08/2006 18:36)
zandikely: na izany aza ! soahiany fa misy ny voasazy ary mendrika ho azy zany satria misy valiny avokoa ny zavatra natao !
8. Herimiafina ( 09/08/2006 18:56)
Ary rahoviana ny an'ilay iraika lahy iry e, sa mbola be mpanohina sy mpisolelaka ka sarotra, sa hiandry ny fitsaran'i HM? :-D
9. zandikely ( 09/08/2006 19:09)
Fiffi: Angaha moa nisy nilaza hoe tsy mendrika sazy ny mpanao ratsy fa ny aspect juridique fotsiny jereko, voahaza ve ny lalana? Aradalana ve ny fomba nanaovana ny fitsarana? Manana ny compétence hitsara io zavatra io ve ny juridiction nanao izany?
Izay ihany no hidirako fa tsy miditra amin'izay valin'ny natao zany aho ka.
10. LazaDaddy ( 09/08/2006 19:11)
O rankizy a, tsy tafiditra ao anatin'ny diksioneran'ny fitiavako izany valifaty izany e. hahaha!
Fomba fijery kristianina ny ahy io fa sady tsy politika no tsy mpanao gazety an. :wink:
11. Herimiafina ( 09/08/2006 19:22)
Ka tsy valifaty anie io leisy ry Laza e, justice fotsiny io! :wink:

Omena an'i Kaisara ny azy ary omena an'izay mendrika koa ny azy e! :wink:
12. LazaDaddy ( 09/08/2006 19:24)
ny zavatra mahatsikaiky ahy dia izao:

misy kinga mihitsy atsy @ resaka "fivavahana sy finoana" manao "tsianjery" hoe :. Nefa vao miova dinika tonga dia fitsarana raraka ompana be ny ataony. Izany tokoa ve ny hoe ...Alahady sady mivavaka no mangalatra akoho, Alatsinainy mamaky trano? hahaha
13. Herimiafina ( 09/08/2006 19:41)
Iza indray izany ry Laza? hehehehe:-D
14. Fiffi ( 10/08/2006 09:26)
LazaDaddy:
O rankizy a, tsy tafiditra ao anatin'ny diksioneran'ny fitiavako izany valifaty izany e. hahaha!
Fomba fijery kristianina ny ahy io fa sady tsy politika no tsy mpanao gazety an. :wink:
LazaDaddy: fa nga moa misy resaka hoe valifaty ? Tsy rariny kosa ve ozyenao raha voasazy ny olona manao ratsy ? sa ve avela @ zao fotsiny ? Misy antony matoa ny olona tsy manao ratsy ! zay indrindra no tanjona mba tsy ho voasazy avy eo!


15. LazaDaddy ( 10/08/2006 12:49)
LazaDaddy:

ny zavatra mahatsikaiky ahy dia izao:

misy kinga mihitsy atsy @ resaka "fivavahana sy finoana" manao "tsianjery" hoe :. Nefa vao miova dinika tonga dia fitsarana raraka ompana be ny ataony. Izany tokoa ve ny hoe ...Alahady sady mivavaka no mangalatra akoho, Alatsinainy mamaky trano? hahaha



16. Fiffi ( 11/08/2006 06:34)
17. Bida2006 ( 12/08/2006 16:24)
ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.
18. Rainimaharavo ( 12/08/2006 18:51)

Raha mandinika ny fandehan-javatra aho dia tsy tokony hiditra hanao politika politisianina ireo olona manam-pahaizana amin'ny fanaovana orinasa ékonomika na nianatra momba izany ka tokony ho talen'ny orinasa no ilofosany. Io rangahy voasazy io manana tsara izany mari-pianarana izany ka naninona no nidedaka nanao pôlitika pôlitisianina?
Ny vokany dia manjary tsy mifanaraka amin'ny foto-pianarana ny zava-miseho rehefa mitondra Firenena.
Izany no nahatonga an'ilay raika lahy tsy ho nahomby satria ny jion-dranomasina tsy afaka hitondra ny eny an-tanety na oviana na oviana.
Miseho daholo izany amin'izao fotoana izao ary ho toy izao hatrany ny Firenena raha mbola tsy tonga ao andohan'ny SASANY izany atao hoe mitondra Firenena amin'ny rariny sy ny hitsiny.Izay teo rehetra nameno ny paosiny daholo ka voa vao hoe : domy aho ranaotra.
Arahantsika tsara fa ilay raika lahy manao kary manafin-koho aloha hatramin'izao...mody hoe tsy miady, tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany.
Ho hitantsika eo anie ê !
Ny faran'izay tsy hay (Frantsay) anie no mitondra ny bôlina amin'ireo olona any Frantsa ireo ê. Ny Frantsay tsy maty voalavo an-kibo amin'ny tsy mahatompo toerana azy intsony hany ka ataony izay hanampiana ny mpitsoam-ponenana amin'ny mpisolovava sy ny resaka diplômatika any ambadika.
Matoa io rangahy voasazy io tsy hijanona fotsiny amin'izao dia fantany fa tsara tohana avy amin'ny tsotsoka izy.
19. Fiffi ( 12/08/2006 20:11)
Matoa io rangahy voasazy io tsy hijanona fotsiny amin'izao dia fantany fa tsara tohana avy amin'ny tsotsoka izy.
de tsy misy hatahorana na voasazy aza izy satria fantany fa tsy ho réalisé mihintsy io sazy io !
20. prime ( 20/10/2006 08:23)
Ny vao2 farany kosa aloha dia miaiky ny HCC fa ara-dalàna avokoa ny taratasy filatsahany afatsy ny fanamarinan-tsonia ihany... izany hoe voamarina izany ny fiantonan'ny saziny rehetra dia toy ny tsy meloka no statut @ zao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0535